Fahadisoam-pamindra tena ratsy voalohany


Ny fahadisoam-pamindra dia izay nataon'ny mpitondra fanjakana eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Izay maharaka vaovao dia mahafantatra tsara fa mbola tena miasa mafy any ambadimbadika any ireo mpitondra teo aloha mba hiverenana amin'ny fitantanana eto Madagasikara. Ireo kaonty fako feno manerana ny tambajotra sosialy no mahatonga izany fahatsapana izany. Mila mitandrina mafy noho izany ny mpitondra mba tsy hibolisatra fa fahadisoam-pamindra iray monja dia mahalatsaka anaty vovo ary tena ho sarotra vao tafala ao raha tafala. Manaraka sy mitsikilo akaiky izay fihetsika rehetra ireo te-handavo, ary tsy izay ihany fa mamandrika sy manao fihantsiana ihany koa aza mba hanafaingana ny raharaha.

Indrisy fa voafandrika ihany ny farany, ary any amin'ny tsy tokony hijabahana mihitsy. Io resaka kianjan'ny 13 mey io no tena saropady ho an'ny mpitondra ary tsy mamela mahazo araka ny fitenenana. Raha nanao fanambaràna ireo tanora sasantsasany ao amin'ny Gen Z fa hilatsaka eny ny zoma 10 avrily 2026 dia nanantena ny mpanoratra fa tsy hanao fihetsika valy bontana ny mpitondra: izay ihany no fomba tsotra handravonana ny olana, raha misy izany. Tsy nisy ny sakana, mety izany na dia misimisy ihany aza ny filazana avy amin'ireo kaonty fako fa mitady hamerina na hampanjaka ny teo aloha sy ny firongony ireto tanora tsy afa-po ireto. Tonga ny fotoana, tontosa ny nataony dia toy ny tsy nisy na inona na inona. Raha mba valinteny milaza moa hoe hodinihina ny hevitrareo na fanazavana tsi-fetezan'ny fitakiana no natao dia izay no tena mety indrindra.

Indrisy fa valinteny an'avona avy amin'olona na mpitondra tsy nampoizina no azo, ary gaga avokoa ireo mpanara-baovao sady niteny fa tena tsy mety ilay valinteny. Hay tsy vitan'izany fa niharan'ny fisamborana any ambadimbadika ireo tanora mpitarika, ankevitry ny efa endrika fakana an-keriny satria tsy misy filazana fampiantsoana ary tsy nanakorontana na nitondra fitaovam-piadiana mendrika fisamborana tamin'io fotoana io. Tsorina fa nijabaka tanteraka ny mpitondra.

Nijabaka satria nanjary maro ireo fanambaràna avy amin'ny fikambanana sy sampan'asa isankarazany maherin'ny 70 isa, maneho fa miverina amin'ny fanaon'ny mpitondra teo aloha manao izay hanohintohinana ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra ny mpitondra amin'izao fotoana. Ny tena manahirana amin'ny toe-javatra tahaka izany dia amin'ny fisian'ireo Rosiana no misy izao toe-javatra izao. Rosia anefa fantatra amin'ny rafitra politika ao aminy. Miteraka ahiahy avy hatrany ny fironana mankany fa finiavana hitazona fahefana no kinendry na mety na tsia ny atao. 

Ankehitriny lasa mivoaka ihany koa ireo karazana fanambaràna avy amin'ny karazana tompon'andraikitra. Lasa tsy miteraka fijanonana sy fandinihana lalina ny vokatry ny fisamborana natao fa lasa eritreritra hoe paika hitazonana fitondrana sy mampiasa ny fihetseham-po hahazoana ny fon'ny vahoaka ao anatin'izao hafanana sy fihenjanana izao ny zavatra avoaka. Lasa tsy misy mampino izay lazain'ny mpitondra, efa isa azon'izay te-hanjera ny dragona anefa izany, ireto avy ireo vaovao tsy mampino ireo: Misy mikasa handoro ny lapan'ny Antenimieram-pirenena, indroa tao anatin'ny 48 ora izao no misy mikasa hamono amin'ny alalan'ny tatelimby (drone) ny Filoha. Rehefa hita fa tsy naharesy lahatra dia lasa nivoaka nanao fanambarana hatramin'ireo tompon'andraikitra ara-miaramila sy polisy ary zandary ao anatin'ny hery fiarovana sy filaminana. Na inona na inona zavatra lazaina, raha ny tompon'andraikitra toa izany no miteny dia tena miakatra ny hafanana ary efa misy zavatra tsy voafehy ao ambadika ao.

Ankehitriny, lasa mahazo vahana ireo milaza fa mbola hirotsaka an-dalambe, nefa efa tanjona hafa ny dikan'izany fiverenana an-dalambe izany fa efa antso ho amin'ny "fanjerana ny dragona". Nefa anie ny anjely Mikaela no nanjera ny dragona e! Nefa manakaiky ihany koa ny andron'ny 13 mey!!!


Commentaires