Efa miova ny famahanam-bilaogy!

Miova manaraka ny taona ny endrika sy ny fanao amin'ny fametrahana votoaty ao amin'ireo mpanome tolotra bilaogy isankarazany, indrindra ho an'ireo manao azy ho fidiram-bola mivantana na matihanina hoy isika, malaza indrindra amin'izany moa ny wordpress. Tsy mba hita loatra kosa izany fiovan-javatra izany ho an'ny blogger.com manokana.

Efa taona vitsivitsy izay no nisy izany fiovan-javatra izany, fa tsy niditra ho amin'izany ny tao amin'ny Global Voices, tranonkala iray tena nampavitrika ahy. Heveriko noho ny antony manokana no anton'izany satria manana zana-tsehatra maro dia maro  io tranonkala io, misy koa ny zana-tsehatra amin'ny teny malagasy. Mety ho maro ny antony fa na izany aza mba ilàna fitandremana kosa ny fikirakiràna ny pejy na ny lahatsoratra mba tsy hivadika zavatra hafa ny fahafahana manova ny endriky ny pejy.

Raha mijery ny fikirakiràna famoaham-botoaty dia azo lazaina hoe manamora ny tokony hatao ny tetikasa Gutenberg sy ireo karazana blocs na vainga azo ahisakisaka na alahatra, saingy toa lasa mandany fotoana kokoa rehefa tena heverina fa tsy vitan'ny hoe mampiditra lahatsoratra na manoratra ao anatiny fotsiny dia alefa ho hitam-bahoaka amin'izay.

Etsy ankilany, mahita aho fa mihabetsaka amin'izay ireo olona sy sokajin'olona miditra kokoa amin'ny sehatra matihanina, izany hoe mividy anaran-tsehatra sy manofa ny toerana ametrahana ny votoaty, saingy tsy manana fomba tsotra kosa ahafahana manao azy fampidiram-bola fa heverin'ny any ivelany ho sarotra sy be paika loatra ka mandany fotoana raha ny an'ny Malagasy sy vahiny mipetraka eto Madagasikara no heverina. Noho io fahasarotana amin'ny fandoavam-bola io amin'ny tranonkala dia be ireo manolotra servisy ho amin'izany saingy tena hantsana lehibe ny antoka itokisana azy ireo, tsy misy fampahafantarana mihitsy momba ny olona mikirakira azy ireny ka mahatonga ny eritreritra fa toa fisolokiana fotsiny no betsaka. Tsy misy mihitsy na dia iray aza azo itokisana.

Ny azo heverina indrindra manoloana io toe-javatra anjakan'ny tsi-fifampitokisana io dia ny manana sampana na masoivoho any amin'ny firenena tandrefana sy manana kaonty banky any amin'ireny firenena ireny koa. Sa mahita lalana na paika hafa ve ianareo?

 

Commentaires