Accéder au contenu principal

Bosaka tsiambaratelo


Somary nangingina fa tao ambadika ihany. Izay mikarokaroka mety mahita fa manomboka manoratra ao amin'ny "Voices for Democracy and Justice" aho. Any no manoratra ilay lohahevitra lehibe sy mafana. Saingy ny soratako eto kosa tsy mety raha any no avoaka.

Ny zavatra soratako ho anareo anio dia notazoniko ho tsiambaratelo ka na dia ny olona akaiky ahy indrindra tamin'izany fotoana izany aza tsy nilazako azy. Eto kosa navoakako satria mety ho tohin'ny tamin'izany ihany.

Voaendaka aho tamin'ny 4 desambra 2009, teny akaikin'ny fandraisana fiara ho any Mahitsy. Olona efa lehibe iray no nanao prise ahy avy ao ambadika dia nosintonina ho any amin'ny lalamby aho. Boaikely ampolony amin'izay no nisintona ny zavatra rehetra taty amiko. Nametraka fitoriana tany amin'ny polisy aho avy eo. Hatreo no fantatry ny maro.

Ny manomboka eto kosa dia tsy nisy nilazako na iza na Iza fa notazoniko ho ahy samirery. Andro vitsivitsy taty aoriana, mbola tsy tapitra ny taona 2009, hitako ry zalahy mpanendaka ahy. Hitako nanao baolina mafibe (tournoi) tao amin'ny COUM 67ha. Na ry zalahy aza hitako kaodikaody ihany. Izy iray ekipa izany no niara-nanendaka ahy ary io fanendahana io no natao fitadiavambola hividianany ireo fitaovana sy fitafiana amin'izany. Ny mahavariana, manamorona na anatin'ny fokotanin-dry zareo ihany ry zareo no mpanendaka. 

Azoko natao ny nandeha tany amin'ny polisy nametrahako fitoriana fa tsy nanao aho. Nalahelo aho satria azo heverina avy hatrany fa ny mpitarika azy ireo amin'ny fanaovana ilay baolina ihany no azo heverina indrindra ho naniraka azy ireo hanao izay hahazoana vola ka tsy noferana fa na ny fanendahana aza dia natao ankoatra izay fandikan-dalàna hafa.

Nanomboka teo koa aho no tsy nankafy nijery baolina fandaka intsony. Ka tsy ataoko hahagaga raha nisy tamin'ireo noheverina hamirapiratra rahampitso no voarohirohy tamin'ilay famonoana ireo tovovavy roa anisan'ny vaovao malaza teto Madagasikara. Ataoko fa azonareo avy hatrany ny mahatonga ahy ho tato no nanoratra fa tsy tany amin'ilay tranonkala matihanina.

Fa azonareo atao ny manoratra ho ahy ao amin'ny zo@voicesofordemocracyandjustice.org


Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...