Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa


 

Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany.

Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny. 

Ny taty amintsika saika hanorina trano tsotra nefa mahazaka rivodoza ny filoham-pirenena tamin'ny tapany voalohany amin'ny taona 2000 fa tsy nankasitrahan'ny Malagasy mihitsy izany fa manjary tsy misy fomba ahafahana mangataka fanampiana hono. 

Mazava loatra fa tsy misy ny tonga lafatra, toy ny hoe mahazaka container na kamiao ilay rivodoza, fa mba mihena araka izay tratra kosa ny fiantraikany. Tsy maintsy sedraina ny loza voajanahary fa ny fiatrehana izany kosa anjaran'ny olombelona. Ny japoney anie misedra horohorontany saika isan'andro fa tsy mba re intsony izany hoe fotodrafitrasa potika noho io voina io e! Mila manaraka fepetra isika Malagasy mba hanana fotodrafitrasa mahazaka izany rivodoza mpandalo eto amintsika izany fa tsy hanarina hatrany isaky ny misy rivodoza iray mandalo.


Commentaires