
Avy amin'i Joussia, — Travail personnel, CC BY-SA 4.0
Aza miakatr'afo avy hatrany raha vao mahita io lohateny io fa tsirin-kevitra famahana olana io. Ary tsy vitan'ny famahana olana fa fampiakaran-danja ny fampianarana ihany koa. Mba tsy hisy hanao kitoatoa na ny mpianatra sy ny ray aman-drenin'ny mpianatra na ny mpampianatra sy ireo mpandraharaha miaraka aminy. Tsy Maharesaka koa ny maharesaka raha tsy mahavita miresaka zavatra tarafina ho manafintohina nefa fikaroham-bahaolana. Andron'ny fanovana ihany koa isika koa tsy aleo ve aposaka aloha ny hevitra iaraha-midinika.
Amin'izao fotoana izao isika dia ankavitsiana, mba tsy ilazàna hoe tsy misy biraom-panjakana na sampandraharaham-panjakana idiranao ka hoe maimaimpoana ny zavatra ataonao ao amin'izany birao izany. Eny amin'ny tobim-pitsaboana tantanin'ny fanjakana ny dokotera sy ireo mpitsabo miaraka aminy no mety hoe tsy andoavan'ny olona vola fa any amin'ny fanafody kosa no maro dia maro, toa ireny hoe iny no karazan'ny solon'ny saram-pitsaboana.
Any amin'ny hopitaly aza moa rehefa dinihina dia any amin'ny hopitalim-panjakana no andaniam-bola be lavitra miohatra noho ny any amin'ny hopitaly tsy miankina na tantanin'ny karazam-pikambanana mijoro. Efa nandrenesana aza moa teny lazain'ny dokotera na profesora hoe mandehana aloha amidio ny tanimbarinareo na ny tranonareo na ny fanananareo raha tianareo ho velona ity olona ity. Koa nahoana moa any amin'ny sekolim-panjakana no terena ho maimaim-poana ankoatra ny lazaina hoe saram-pisoratana anarana izany tsy hay intsony na maimaimpoana tokoa noho ny propagandy ataon'ny minisitra nefa mandoa vola ihany ny olona handoavana ny FRAM. Tsy resahina ao anatin'ity resaka ity akory ny fikojakojana ny trano sy ny fitaovana lehibe mandritra izany fotoana izany.
Aleo tsy mifamitaka, tsy ho zakan'ny fanjakana na foibe io na anivon'ny fitsinjaram-pahefana, na oviana na oviana ny fiantohana manontolo ny mpampianatra amin'ny sekolim-panjakana, raha tsy hoe midangana dia midangana kosa ny hetra alaina amin'ny vahoaka ho fampandehanana izay asam-pampianarana izay. Tsy haitraitra velively tsy akory ireny sekoly ambony malaza ireny na eto an-toerana na any ivelany mametraka ny saram-pianarana ho midangana ka vitsy no afa-miditra amin'ireny satria izay no mahasahana ny haavon'ny lentan'ny fampianarana tian-ko azo. Tsy misy zavatra maimaim-poana fa tsy maintsy misy itambesaran'ny fandaniana, ny fampianarana teto Madagasikara izao dia ny mpampianatra no nizàka izany vesatra izany tao anatin'ny taona maro amin'ny fahakelezan'ny tambin-karamany.
Noho izany, tsy maintsy tadiavina ny vahaolana amin'ny itsinjarana araka izay azo atao ny vesatra lany amin'ny fampianarana. Raha any amin'ny foibe no iaingan'izany fanamaivanam-besatra izany dia ahiana be indrindra ny fanodikodinam-bola miainga avy any ambony, nefa ireny olona ireny no sarotra toriana eny amin'ny fitsarana indrindra ary mety hanao ramatahora izay olona mahasahy miteny sy mety hitoroka. Ny tsotra indrindra dia ny isan-tsekoly no omena ny "fanampiana" izay tsy inona fa ny anjara fampandehanana ny raharaha ao amin'io sekoly io, tafiditra ao anatin'izany ny karaman'ny mpampianatra sy ny tambiny, ny fikojakojana ny trano sy ireo fitaovana rehetra enti-mampianatra.
Tsy hodinihina isaky ny sekoly ny "fanampiana" omena azy fa "barême" no mipetraka ka izay lavitra ny renivohitra (nasionaly, rezionaly, kaominaly) indrindra no tena mahazo tombony amin'izany. Nahoana? Iza moa isika no tsy mahalala fa mivangongo ao an-drenivohitra sy an-tanandehibe avokoa ny mpampianatra sy lazaina ho mpandraharaha? Noho izany, apetraka mazava fa misy ny fetr'isan'ny mpampianatra sy mpandraharaha tsy azo ihoarana isan-tsekoly. Antony faharoa dia ny mba hihazakazahan'ny mpampianatra ho any ambanivohitra fa any no tena mahazo tombony sy tambiny. Ho hentitra dia hentitra ny fanaraha-maso ny sekoly sy ny mpampianatra ao aminy mba tsy hisy ny kitoatoa.
Tsy haharaka ny fampandehanan-draharaha mahomby sy avo lenta na oviana na oviana anefa izay "fanampiana" avy amin'ny fanjakana foibe ka izay no ilàna ny saram-pianarana amin'izay. Tsorina koa manko fa ny tsy fametrahana io sara io mihitsy no anaovana tsinontsinona ny fampianarana fa rehefa misy io dia masiaka tsara ny ray aman-dreny raha sanatria manao kitoatoa amin'ny fampîanarana ny any an-tsekoly. Tena mbola ho lava raha ny tian-kambara fa aleo aloha tsakoina tsara ny fahatezerana avy aminareo.
Commentaires