Manatsara ny lalana handehanan'ireo mpandevina Sarotra ho an'ny ankamaroan'ny Malagasy, indrindra ny afovoan-tany, izany hoe handevina na hanitrika na hanafina andro alakamisy izany. Tarazo no antony ary maro no tsy mahafantatra akory izay anton'izany. Andao horesahina mba hanabe voho ny fahalalantsika. Voalohany, niaina fahampanjaka ny ankamaroan'ny mponina teto Madagasikara talohan'ny fanjanahantany. Ny Mpanjaka no nitondra tamin'izany fotoana izany ary nomena hasina manokana. Ny andro Fandroana izay andro fampitomboana ny hasin'ny Mpanjaka na ny Andriana no noraisina ho taombaovao ho an'ny teto afovoan-tany. Isaky ny andro Fandroana, noho izany, no taombaovaon'ny Malagasy eo ambany fahefan'ireo mpanjaka nomena ny hasina. Nokendrena ho andro alakamisy na alahady no faratampon'izany andro Fandroana izany. Na nisy aza ny fahoriana nanjo ny sasany amin'ny mpanompony sy ny vahoakany dia afenina sy tsy ampahafantarina mihitsy hoe nisy...
Tranonkalam-baovao miomana ho matihanina. Manandratra kosa ny teny malagasy amin'ny famoaham-baovao anjotra. Tsy maintsy miainga amin'ny kely isika vao hihalehibe. Manambara avy hatrany kosa fa manana fironana kristiana kokoa na dia tsimialonjafy aza.