Accéder au contenu principal

Andraikitra tara roa taona

Sary Gazetiko (Facebook). Fampiasana ara-drariny.

 

Asa ianao raha nahatsikaritra fa raha nanao fanambaràna voalohany ny tao amin'ny toby CAPSAT tamin'ny 11 oktobra 2025 dia nahateny ny iray tamin'ireo manamboninahitra ambony fa efa tokony ho tamin'ny taona 2023 tamin'ny andron'ny Kandidà 11 no nijoroan-dry zareo tahaka izao saingy tsy nanaiky ireo lehibeny tamin'izany fotoana izany fa hoe aleo hilamina.

Nahare tsiliontsofina momba izany ny mpanoratra, na dia tsy nisy nilaza loatra aza ny momba izany toe-javatra izany. Tsangakevitra saika nijoroana tamin'izany fotoana izany ny tsy tokony hirotsahan'i Andry Rajoelina intsony rehefa fantatra fa nangataka ny zom-pirenena frantsay ho an'ny tenany sy ho an'ny vady aman-janany izy, ary eo anatrehan'ny lalàna velona dia efa tsy mizaka zom-pirenena malagasy intsony ny olona tahaka izany. 

Afa-mitadidy ihany koa isika mpanara-baovao fa efa tamin'izany fotoana izany no malaina hidina eny an-kianja ny miaramila, toa tsi-sazoka fotsiny ny fijoroana eo amin'ny kianjan'ny 13 mey. Tamin'izany fotoana izany no nanesorana ny komandin'ny tafika iray ka nosoloina iray hafa mba hampavitrika kokoa ny miaramila.

Raha izay no heverina dia tsy jamba mihitsy ireo miaramila ireo, fa mahita sy misaina, saingy tsy ho afaka ny handray andraikitra raha tsy efa matoky fa maro an'isa sy tsy azo toherina intsony raha mitroatra. Azo heverina fa misy antony matoa tsy niraika loatra ireo mpitarika tao amin'ny miaramila tamin'izany ary efa tsy azo anoharana intsony ny zavamisy matoa nijoro ny tao amin'ny Toby tsy manaiky ny hobaikoan'ny lehibeny intsony ho amin'ny famonoana ny mpiray tanindrazana aminy tsy manana afa-tsy tanampolo.

Nampiasa ny "baïonnette intelligente" ny tafika.
 

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...