Sata manokana, minisitera manokana...Fototry ny tsimatimanota?

Nahazo mpitondra vaovao i Madagasikara nanomboka ny 17 oktobra 2025. Manomboka eto no tena mila fitandremana satria tsy mandehandeha foana eo amin'ny malagasy izany hoe Fanjakan'ny Baroa izany (Baru=vaovao izany hoe lasa manao izay tiana atao ireo mihevi-tena ho mahazo fahefana entina maneho hoe izahay indray izao no mitondra ka izay tianay atao indray izao!). Raha fehezina, maro ny fanararaotana noho ny gaboraraka satria lasa tsy manao na inona na inona ireo zatra mandray baiko fa tsy mihevitra tsara izay tokony ataony eo amin'ny andraikitra sahaniny, na mandeha ny saina hoe hoesorina eto aho izany dia aleo maka izay tokony ho anjarako fa lany ihany ny paiso an-kady.

Tery aho anio hamoaka izay efa nosainina hatry ny ela, nefa tsy hahafaly ny maro an'isa amin'izao fotoana mihitsy. Nifandrombahana hatry ny faha-zanatany izany hoe ho mpiasam-panjakana izany. Be karama, tamin'ny voalohany, sy tambin-karama; omen'ny olona voninahitra sy atahoran'ny olona ka hajainy fatratra, ary mety hisy koa aza tombontsoa manokana azo avy amin'izany sata izany fotsiny. 

Taorian'ny fitokonam-be voalohany nataon'ny Malagasy tamin'ny taona 1972 anefa dia efa tsapa ho niha-nitsontsorika ny fari-piainan'ny malagasy ankapobeny  ary tafiditra anatin'izany ihany koa ny mpiasam-panjakana. Mbola nahazo tombony manokana mampitsiriritra ny hafa kosa ireo miasa amin'ny orinasa izay ny fanjakana no manana anto-bola be indrindra ao aminy na ny fanjakana ihany no manana anto-bola ao aminy, ohatra amin'izany ny miasa amin'ny Air Madagascar sy ny JIRAMA.

Tanatin'ny fahasahiranana ara-bola dia nahita hevitra ireo mpiasam-panjakana tamàna tamin'ny tombontsoa manokana sy iavahany amin'ireo hafa rehetra. Notakian-dry zareo ny sata manokana mba hahazoana tombontsoa manokana. Tsy raharahany izay fahasahiranan'ny firenena any fa izay ho azy aloha no katsahiny. Mety ho tsara ny antony mahatonga ny fitakìna manokana tahaka izany saingy ny vokany dia nitrebona tsikelikely ny kolikoly sy ny tsimatimanota. Efa reko izany hoe tsy azo samborina na gadraina noho ny asa fanaony, vokany na manao ny tsy mety sy mangalatra ankitsirano aza ny mpiasam-panjakana iray, noho ny sata ananany, dia tsy azo samborina na gadraina na tsaraina amin'izany izy ka dia lasa tsimatimanota tsotra izao; afa-manao kendaroroka amin'ny hafa nefa efa tena asan-jiolahy tsotra izao no ataony. Avy eo anefa ny tsy misy vola miditra amin'ny kitapom-bolam-panjakana fa ny paosin'ny sasany no feno sy tsy maharaka intsony.

Noho ny fisìn'ireo tsimatimanota vaovao migalabona amin'ny tambinkarama azony no mahalasibatra ireo mpiasam-panjakana hafa tsy mampidi-bola loatra ka lasa tsy raharahiana na dia ny zo maha-olona azy ireo aza. Voalohany lasibatra amin'izany ny minisiteran'ny fampianarana, mampiasa olona betsaka indrindra nefa vitsy ihany no tena mpiasam-panjakana fa ny hafa kosa miasa sy miaritra an-taonany maro fandrao mba tafiditra ho mpiasam-panjakana ihany. Faharoa lasibatra manaraka izany ihany koa ny fahasalamana satria tsy taka-bidy ny vidim-panafody afarana avy any ivelany nefa tsy vitan'ny iray na roa karazana no vidìna fa ampolony maro, ka mivaro-pananana hatramin'ny trano sy tany mihitsy aza ny olona nefa mbola tsy maha-avotra ilay notsaboina ihany ny fandaniam-pananana tahaka izany.

Lava sahady ny voasoratra nefa ilay resahina mbola tokony hazavaina fa raha tsorina dia mila jerena sy dinihina avokoa ary ampidirina fitsapan-kevi-bahoaka mihitsy aza ny amin'io sata manokana iavahan'ny samy mpiasam-panjakana io fa mambotry ny vahoaka no tsy mahasoa ny firenena na oviana na oviana. Dia mitovitovy tahaka izany ihany koa ny amin'ny fitadiavana minisitera manokana satria lasa manome fisainana hoe ny seza ihany no tadiavina na tsy maharaka izany aza ny volam-panjakana.
   
Nosoratako izao lahatsoratra izao satria raha mijery ireo hetsika Gen Z any an-kafa dia miteraka ny fahatezeran'ny hafa mihitsy, ohatra, ny tombontsoa sy ny karazan-tamby omena ny solombavambahoaka sy ny minisitra ary mpitondra ambony hafa fa mahagaga toa tsy mba tonga aty Madagasikara izany fahatezerana manoloana ny hantsana eo amin'ny heverina ho mpanompon'ny vahoaka izany amin'ny vahoaka lazaina ho tompom-pahefana nefa tsy manana afa-tsy tanam-polo.

Commentaires