Accéder au contenu principal

Acta non verba


 

Mety ho gaga ny maro hoe fa naninona no tsy niteny mihitsy nandritra ny tolona? Tsy nandrenesam-peo mihitsy nanomboka ny 25 septambra 2025 ka hatramin'ny androany 14 oktobra 2025. Tsotra ny antony. Niasa tamin'ny alalan'ny fanoroan-kevitra sy fanehoana izany tao amin'ny tambajotra serasera tao. 

Tena tolona na dia tsy hita (tsy fantatra) teny an-kianja aza. Niezaka kosa nilaza  izay tokony atao, mety nohenoina na tsia. Tena ady sy tolona mandreraka koa ny tolona anjotra. Tsy mifidy fotoana fa na andro na alina dia lasa izao.

Nanoro hevitra koa maninona no mandray ny "Acta Non Verba"? Teny filamatry ny antoko nitondra nandritra ny Repoblika Voalohany izany. Mailaka amin'ny fiteny ny tao amin'ny fanoherana ary nahazo mihitsy ny anaram-bositra "savony vava" aza. Votsa fitenenana kosa ry zareo ka hitany fa tena mety amin-dry zareo io teny filamatra "Asa fa tsy kabary" io.

Nifanandrify androany izany fanombohan'ny Repoblika Malagasy izany (14 oktobra 1958) sy ny fiafaran'ny fitondran'i Andry Rajoelina (14 oktobra 2025), ravan'ny tolon'ny mpianatra ny Repoblika voalohany ary ravan'ny tolon'ny tanora (Gen Z) ny fahefan'ny Filoha Andry Nirina.

Efa novoriana ny sonia tao amin'ny Antenimierampirenena entina manaisotra ilay filoha nandositra nankany Nosy Boraha tamin'ny alahady 12 oktobra 2025 horaisin'ny vorombin'ny Tafika Frantsay ho any La Réunion ka tao indray no nandray fiaramanidina nizotra ho any Dubai. 

Rehefa hita fa nihazakazaka ilay fanangonan-tsonia  ary nahazo ny fetr'isa kely indrindra azo ekena (110>102) dia namoaka taratasy manambara ny fanafoanana ny Antenimierampirenena ny tao amin'ny Prezidansa. Tsy noraharahian'ny hafa izany taratasy izany ka nataony ho tsy manandanja.

Nanatontosa ny latsabato hanintsanana ny Filoha ihany ny tao amin'ny Antenimierampirenena ka lany tamin'ny latsabato 130 tamin'ireo 131 nandrotsa-bato izany. Mahatsiaro ho voafitaka ny tao amin'ny antoko mpitondra nilaozan'ny filoha sady tezitra tamin'ny fanafoanana ilay andrimpanjakana ka nirohotra hanintsana azy. Latsabatom-pahatezerana valy bontana tamin'ny fanafoanana sa safidy mba hamahana ny olana ateraky ny krizy mianjady amin'ny firenena? Samy maka ny heviny ny tsirairay.

Nandritra izany fotoana izany ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana, namoaka filazana fahabangan-toeran'ny Filoham-pirenena sy Filohan'ny Antenimierandoholona, nanambara fa tsy afa-miasa ny governemanta notendrena hanao ny asan'ny Filohan'ny Repoblika, ary manasa ny fahefana miaramila isoloan'ny Kolonely RANDRIANIRINA Michaël tena handray ny asan'ny Filoham-Panjakana.

Tsy fantatra loatra na talohan'io filazana io na taoriana no tonga teny amin'ny kianjan'ny 13 mey ny tao amin'ny toby miaramila CAPSAT nanambara ny handraisany andraikitra. Vita izay dia nizotra teny Ambohitsorohitra ry zareo nanambara fa tsy manankery intsony ny Lalampanorenana nofidiana tamin'ny 11 desambra 2010, miato avokoa ny asan'ireo andrim-panjakana (Loholona, HCC, HDDED, HCJ) fa ny AN (Antenimierampirenena) irery ihany no mbola manohy ny asany. Ho hita eo ihany hoe inona ny antony nitazonany io andrimpanjakana iray io.

Faramparany, amin'ny maha-miaramila azy ireo dia mandray fanapahan-kevitra araka ny tsiliotsofina sy torohay azony ry zareo fa mikaviavia kosa amin'ny fampitan-teny amin'ny vahoaka tsy miaramila. Marina ilay fandresen-dahatra fa mety ho tsy takatry ny vahoaka tsara izay tena tian'ny mpitondra vaovao hahatongavana.


Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...