Raha ny marina dia boky iray matevina vao mahafehy ny tantaran'ny fampianarana eto Madagasikara. Ilaina anefa io mba ahitana izay tokony ho lalan-kizorany sy karazam-bahaolana amin'ny mitranga ankehitriny.
Voalohany, fampianarana no iraka nampanaovina ireo misionera LMS teto Madagasikara (Antananarivo) fa tsy fitorian-teny avy hatrany. Ny zanak'Andriana sy ny zanak'ireo olona ambony amin'ny fanjakana no mpianatra voalohany. Natao ho karazana fanompoana io avy eo ka ny misionera katolika sy protestanta no tena nifaninana hahazo mpianatra araka izay tratra. Nihevitra ny fanjakana fa tokony ho vitan'ireo misiona ireo izany asam-pampianarana izany, tsy nihevitra kosa izy hoe adidin'ny fanjakana ny manao azy.
Faharoa, tonga ny fanjanahantany. Tsy eken'ny voanjo sy ny mpitondra ny fombam-pampianarana teto Madagasikara satria tsy mamokatra olona hiasa ho an'ny mpanjanatany. Navoaka amin'izay ny "école officielle" ary nomena lanja araka izay tratra. Nopotehina ny sekolim-pinoana saingy tafavoaka ihany ny sekoly katolika nitongilanan'ny mpanjanatany kokoa. Nokakàna araka izay azo natao kosa ny sekoly protestanta. Tena tsy mahasahana ny mponina mihitsy kosa ny sekolim-panjakana, hany ka izay tafiditra tao dia noheverina avy hatrany ho hotafita amin'ny fiainana: misokatra ho azy ny karazan'asa rehetra misy eto Madagasikara.
Kely ihany ny fihatsaran'izany toe-javatra izany nandritra ny Repoblika voalohany. Na dia nolazaina ho mahaleotena aza manko ny firenena dia rafi-pampianarana frantsay ihany no nampiharina. Raha misy ny nantsoina hoe "fanagasiana" dia lahatsoratra mifandraika amin'ny tontolo afrikana sy malagasy no nitambesarana kokoa fa teny frantsay madiodio kosa no nampianarana. Tsara homarihana kosa fa ny mpampianatra no sokajim-mpiasam-panjakana ambony indrindra nandritra io Repoblika voalohany io. Noho ny filoha (Tsiranana) tamin'izany fotoana izany nanana ny anton'asa ho mpampianatra ve no antony sa tena resy lahatra tokoa fa io no ainga na fanoitran'ny fampandrosoana?
Niditra tamin'ny Repoblika faharoa sy ny fanagasiana ireo olona mitana ny toerana ambony amin'ny fitantanan-draharaha amin'izay vao hita ny lesoka. Tsy mahazaka ny rafi-pampianarana ny toebolam-panjakana raha tena tiana ny ampianarana ny ankizy rehetra. Tanjona nandritra ny revolisiona sosialista ny fisìn'ny SFF (EPP) isaky ny fokontany, SAFF (CEG) isaky ny firaisam-pokontany, Lisea isaky ny fivondronam-pokontany ary Anjerimanontolo na Oniversite isaky ny faritany enina napetraky ny mpanjanatany. Vahaolana nampiharina tamin'izany ny nandefasana ireo ankizy afaka Baccalauréat nanao ny fanompoam-pirenena ivelan'ny tafika (SNHFAP) manerana ny sekoly rehetra teto Madagasikara, ankoatra ny oniversite mazava loatra. Natao tamin'ny teny malagasy ny fampianarana nefa nivadika teny frantsay tampoka rehefa somary niakatra kilasy ambonimbony. Tavela antenantenany ny ankamaroan'ny mpianatra.
Repoblika fahatelo indray, nofoanana ny SNHFAP fa fandaniam-potoana fotsiny, hoy ny ray amandrenin'ny mpianatra. Banga tampoka ary tsy ampy isa mihitsy ny mpampianatra sekolim-panjakana. Naverina nampiharina indray ny fampianarana amin'ny teny frantsay. Vitsy anefa ireo tanora sady mahafeny ny teny frantsay no mahafehy ny teny malagasy. Ny fikambanan'ny ray aman-drenin'ny mpianatra (FRAM) indray no miantoka ny fiveloman'ny mpampianatra tsy ampy amin'ny sekolim-panjakana. Tsy voatery ho niofana ho amin'izany fampianarana izany ireo mpampianatra FRAM ireo fa heverin'ny FRAM kosa ho mahavita izay tokony ho vita.
Repoblika fahefatra, tsy voafehiko tsara satria misy ny antsoina hoe FRAM ary misy ny antsoina hoe FEFFI (Farimbon'ezaka ho Fahombiazan'ny Fanabeazana) nefa amin'ny ankapobeny dia tsy mivoatra loatra ny toerana misy ny mpampianatra. Tamin'ny Repoblika voalohany isika nilaza fa ny mpampianatra no sokajim-piasam-panjakana ambony indrindra, tonga aty amin'ny Repoblika fahefatra kosa dia miharihary fa ny mpampianatra no mpiasam-panjakana faraidiny indrindra. Ny programam-pampianarana amin'izany fotoana izany ny tamin'ny Repoblika voalohany ihany no nisy niova kely tamin'ny repoblika faharoa ary dia mbola io ihany no ianarana na dia aty amin'ny fiafaran'ny Repoblika fahefatra aza. Mariho fa tsy te-hiditra ho mpampianatra FRAM izay niofana tamin'ny fampianarana satria tsy te-hidina ambanivohitra. Ny mpampianatra FRAM kosa miady mafy ny ho tafiditra mpiasam-panjakana. Dia ny mpampianatra ankapobeny miady mafy mba ho araka ny tokony ho izy amin'izay ny fidiram-bolany.
Fehiny, na tsy notantaraina teo mihitsy aza dia natao ho fitaovana politika hatrany ny fampianarana teto Madagasikara. Na dia io fitokonan'ny mpampianatra amin'izao fotoana izao io aza dia mbola misy sangodim-panina politika sy adiseza ao ambadika ao fa tsy misy idiran'ny fanatsarana ny rafi-pampianarana akory. Ilay tombontsoan'ny tena no tena katsahina fa tsy misy iraharahiana izay tombontsoam-bahoaka na firenena izany. Noho izany, mbola ho matroka kokoa ny hoavin'ny fampianarana eny amin'ny sekolim-panjakana fa tsy hisy fivoarana na ho inona na ho inona ny vokatry ny tolona ataon'ny mpampianatra amin'izao fotoana.

Commentaires