Ireo nitranga tamin'ny herinandron'ny 19-25 oktobra 2025

Tsy mitaky ny sariny ho ahantona amin'ny biraom-panjakana ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara 
 

 

Notendrena tamin'ny alatsinainy 20 oktobra 2025 ny praiminisitra vaovao, Herintsalama RAJAONARIVELO no anarany, filohan'ny filankevi-pitantaran'ny banky BNI izy ary efa nametraka ny anarany ao amin'ny tontolon'ny fandraharahana ihany koa, fe-potoam-piasana telo no nitarihany ny FIVMPAMA. Ny fananana fifandraisana eo amin'ny sehatry ny fihariana tsy miankina no mampihisitrisitra ny maro satria hoe manam-pifandraisana amin'Atoa Ravatomanga Maminiaina sy Naina Andriantsitohaina.

Ankoatra izay, re siosio fa natolotry ny Franc-Maçon izay nivory isan-toerana tamin'ny asabotsy 18 oktobra lasa teo izy. Maro koa ireo sokajin'olona tsy manaiky ny nanendrena azy satria heveriny fa famadihana ny tolona izay nimatimatesana izany.

Nandritra ity herinandro ity, mbola nanohy ny fitokonany ny mpianatra interne ao amin'ny toeram-pianarana fitsaboana eny amin'ny Anjerimanontolo, mitaky ny hanatsarana ny tontolony. Manohy ny fitokonany tahaka izany koa ny ao amin'ny fampianarana miankina amin'ny fanjakana. Izao moa ry zareo vao nanararaotra manao izany satria malefaka ny mpitondra fa tamin'ny fitondrana teo aloha kosa tsy sahy nanao izany mihitsy noho ny tahotra famindra-toerana na fandroahana mihitsy aza (fanehoan-kevitra tao amin'ny media sosialy!)

Mbola mitokona tahaka izany ihany koa ny ao amin'ny mpandraharahan'ny Fonja ary mandrahona ny hanao fitokonana ihany koa ny ao amin'ny Sendikan'ny Mpitsara Malagasy.  

Manaraka izany, rehefa nifandrirarira nandritra ny andro vitsivitsy tao amin'ny nosy Maorisy ny mpandraharaha Ravatomanga sy ny manampahefana Maorisiana ka nidirany hopitaly, dia re androany 24 oktobra 2025 fa nampidirina am-ponja vonjimaika any an-toerana io mpandraharaha manana ny lazany io. 

Tamin'ity andro ity ihany koa ny nivoahan'ny gazetim-panjakana nahitana fa nesorina tamin'ny filoha teo aloha Andry Nirina Rajoelina ny zom-pirenena maha-malagasy azy noho ny nangatahany zom-pirenena frantsay tamin'ny fotoana efa avy nitondrany ny tetezamita teto Madagasikara.

Etsy ankilany, namoaka taratasy fanambaràna ny Masoivohon'i Fanjakana Mitambatra (UK) fa manohana tsy misy fepetra ny fotokevitra roa lehibe nolazain'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara: ny fifidianana malalaka sy ara-drariny sy ny ady amin'ny kolikoly.


Commentaires