Accéder au contenu principal

Articles

Mandevina alakamisy

Manatsara ny lalana handehanan'ireo mpandevina Sarotra ho an'ny ankamaroan'ny Malagasy, indrindra ny afovoan-tany, izany hoe handevina na hanitrika na hanafina andro alakamisy izany. Tarazo no antony ary maro no tsy mahafantatra akory izay anton'izany. Andao horesahina mba hanabe voho ny fahalalantsika. Voalohany, niaina fahampanjaka ny ankamaroan'ny mponina teto Madagasikara talohan'ny fanjanahantany. Ny Mpanjaka no nitondra tamin'izany fotoana izany ary nomena hasina manokana. Ny andro Fandroana izay andro fampitomboana  ny hasin'ny Mpanjaka na ny Andriana no noraisina ho taombaovao ho an'ny teto afovoan-tany. Isaky ny andro Fandroana, noho izany, no taombaovaon'ny Malagasy eo ambany fahefan'ireo mpanjaka nomena ny hasina. Nokendrena ho andro alakamisy na alahady no faratampon'izany andro Fandroana izany.   Na nisy aza ny fahoriana nanjo ny sasany amin'ny mpanompony sy ny vahoakany dia afenina sy tsy ampahafantarina mihitsy hoe nisy...

Lahatsoratry ny fiandohan-taona

Efa ho tratra sahady ny herinandro fiandohan'ny taona araka ny fanisan'andro gregoriana. Miarahaba antsika rehetra nahadingana ny taona lasa ka tonga amin'izao taona vaovao 2026 izao. Izay inoantsika tsirairay avy anie hitondra antsika ho amin'ny tanjona izay tratrarintsika tsirairay avy mandritra ity taona vaovao izay diavintsika ity ka hidirantsika indray amin'ny taona manaraka anaty fahafaham-po. Manaraka izany indray, manomboka amin'izao fiandohan-taona izao ihany koa ny tolona hahatonga ny taombaovao malagasy mba ho andro tsy fiasana nefa andraisan-karama. Ny datinandro mifanandrify amin'izany dia ny 19-20 marsa 2026 ho avy izao. Raha amin'izao fotsiny tokoa, tsy olana izany fa mba ho fanandratana tokoa ny maha-malagasy, saingy inona moa no hitranga amin'ity taona ity? Io irery ihany ve no tokony hotandrovina? Milaza ny mpanandratra ity taombaovao fararano sy fanadiovana ity fa noho ny zavatra rehetra notontosaina tamin'ny 30 marsa 2025 no n...

Mitatatra ho an'ny soa iombonana

Ny filohan'ny " Association Mamy ny Soa " nanofa compacteur tany Atsimondrano ho amin'ny fanarenana ny lalana nandritra ny roa andro Tamin'ny 07 septambra no nambara tato amin'ity blaogy ity ny fanatontosana lanonam-panangonam-bola hanamboarana ny ampahan-dalana mampitohy an'i Lazaina amin'Isahafa ary mipaka amin'ireo tanàna hafa manodidina. Efa fantatra tamin'izany fotoana izany, noho ny hamoran'ny fanasana, fa tsy hahavita manontolo ny fanaovan-dalana mihitsy ny vola azo amin'izany, fa ny ampahan-dalana manahirana indrindra kosa no ezahina hovitaina mialoha ny firotsahan'ny orana.  Fony vita ny fanangonam-bola saingy mbola tsy nanomboka ny fanarenana ny lalana. Tsy maintsy natao aloha, avy amin'ny volan'ny tena manokana, ny anesorana ny atsanga (sy vato sy biriky) nanentsina ny lalan'ny rano ka nampitondraka ny riaka sy nanimba ny lalana izay mpitranga teo aloha. Teo amin'io sary io no niandohan'ny fahoriam-ba...

Ary raha asiana saram-pianarana amin'izay ny sekolim-panjakana?

Avy amin'i Joussia , — Travail personnel, CC BY-SA 4.0 Aza miakatr'afo avy hatrany raha vao mahita io lohateny io fa tsirin-kevitra famahana olana io. Ary tsy vitan'ny famahana olana fa fampiakaran-danja ny fampianarana ihany koa. Mba tsy hisy hanao kitoatoa na ny mpianatra sy ny ray aman-drenin'ny mpianatra na ny mpampianatra sy ireo mpandraharaha miaraka aminy. Tsy Maharesaka koa ny maharesaka raha tsy mahavita miresaka zavatra tarafina ho manafintohina nefa fikaroham-bahaolana. Andron'ny fanovana ihany koa isika koa tsy aleo ve aposaka aloha ny hevitra iaraha-midinika. Amin'izao fotoana izao isika dia ankavitsiana, mba tsy ilazàna hoe tsy misy biraom-panjakana na sampandraharaham-panjakana idiranao ka hoe maimaimpoana ny zavatra ataonao ao amin'izany birao izany. Eny amin'ny tobim-pitsaboana tantanin'ny fanjakana ny dokotera sy ireo mpitsabo miaraka aminy no mety hoe tsy andoavan'ny olona vola fa any amin'ny fanafody kosa no maro dia maro,...

Ny tantaran'ny fampianarana teto Madagasikara

  Raha ny marina dia boky iray matevina vao mahafehy ny tantaran'ny fampianarana eto Madagasikara. Ilaina anefa io mba ahitana izay tokony ho lalan-kizorany sy karazam-bahaolana amin'ny mitranga ankehitriny. Voalohany, fampianarana no iraka nampanaovina ireo misionera LMS teto Madagasikara (Antananarivo) fa tsy fitorian-teny avy hatrany. Ny zanak'Andriana sy ny zanak'ireo olona ambony amin'ny fanjakana no mpianatra voalohany. Natao ho karazana fanompoana io avy eo ka ny misionera katolika sy protestanta no tena nifaninana hahazo mpianatra araka izay tratra. Nihevitra ny fanjakana fa tokony ho vitan'ireo misiona ireo izany asam-pampianarana izany, tsy nihevitra kosa izy hoe adidin'ny fanjakana ny manao azy. Faharoa, tonga ny fanjanahantany. Tsy eken'ny voanjo sy ny mpitondra ny fombam-pampianarana teto Madagasikara satria tsy mamokatra olona hiasa ho an'ny mpanjanatany. Navoaka amin'izay ny "école officielle" ary nomena lanja araka izay ...

Ireo minisitra mandrafitra ny governemanta vaovao

  IREO MPIKAMBANA MANDRAFITRA NY GOVERNEMANTAN’NY FANAVAOZANA NY REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA (Araka ny didim-panjakana laharana faha 2025-1114 ny 28 Oktobra 2025) • RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika misahana ny Fanavaozana • Général de Division RAZAFITOMBO Maminirina Ely Minisitry ny Foloalindahy • RAZANAMAHASOA Christine Harijaonina Minisitry ny Raharaham-bahiny • ERINAIVO Fanirisoa Mpitahiry Kasem-panjakana, Minisitra ny Fitsarana • RAKOTONANDRASANA Hanitra Velonjara Tiaray Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana • Dr RAMIARISON Herinjatovo Aimé Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola • Inspecteur de police ERICK MICHEL IDRISSA Minisitry ny Filaminam-bahoaka • Général de Division LYLISON René de Rolland Urbain Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany • Dr MANAGNA Monira Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka • Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ...

Ireo nitranga tamin'ny herinandron'ny 19-25 oktobra 2025

Tsy mitaky ny sariny ho ahantona amin'ny biraom-panjakana ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara       Notendrena tamin'ny alatsinainy 20 oktobra 2025 ny praiminisitra vaovao, Herintsalama RAJAONARIVELO no anarany, filohan'ny filankevi-pitantaran'ny banky BNI izy ary efa nametraka ny anarany ao amin'ny tontolon'ny fandraharahana ihany koa, fe-potoam-piasana telo no nitarihany ny FIVMPAMA. Ny fananana fifandraisana eo amin'ny sehatry ny fihariana tsy miankina no mampihisitrisitra ny maro satria hoe manam-pifandraisana amin'Atoa Ravatomanga Maminiaina sy Naina Andriantsitohaina. Ankoatra izay, re siosio fa natolotry ny Franc-Maçon izay nivory isan-toerana tamin'ny asabotsy 18 oktobra lasa teo izy. Maro koa ireo sokajin'olona tsy manaiky ny nanendrena azy satria heveriny fa famadihana ny tolona izay nimatimatesana izany. Nandritra ity herinandro ity, mbola nanohy ny fitokonany ny mpianatra interne ao amin'ny toeram-pianar...

Sata manokana, minisitera manokana...Fototry ny tsimatimanota?

Nahazo mpitondra vaovao i Madagasikara nanomboka ny 17 oktobra 2025. Manomboka eto no tena mila fitandremana satria tsy mandehandeha foana eo amin'ny malagasy izany hoe Fanjakan'ny Baroa izany (Baru=vaovao izany hoe lasa manao izay tiana atao ireo mihevi-tena ho mahazo fahefana entina maneho hoe izahay indray izao no mitondra ka izay tianay atao indray izao!). Raha fehezina, maro ny fanararaotana noho ny gaboraraka satria lasa tsy manao na inona na inona ireo zatra mandray baiko fa tsy mihevitra tsara izay tokony ataony eo amin'ny andraikitra sahaniny, na mandeha ny saina hoe hoesorina eto aho izany dia aleo maka izay tokony ho anjarako fa lany ihany ny paiso an-kady. Tery aho anio hamoaka izay efa nosainina hatry ny ela, nefa tsy hahafaly ny maro an'isa amin'izao fotoana mihitsy. Nifandrombahana hatry ny faha-zanatany izany hoe ho mpiasam-panjakana izany. Be karama, tamin'ny voalohany, sy tambin-karama; omen'ny olona voninahitra sy atahoran'ny olona ka ...

Andraikitra tara roa taona

Sary Gazetiko (Facebook). Fampiasana ara-drariny.   Asa ianao raha nahatsikaritra fa raha nanao fanambaràna voalohany ny tao amin'ny toby CAPSAT tamin'ny 11 oktobra 2025 dia nahateny ny iray tamin'ireo manamboninahitra ambony fa efa tokony ho tamin'ny taona 2023 tamin'ny andron'ny Kandidà 11 no nijoroan-dry zareo tahaka izao saingy tsy nanaiky ireo lehibeny tamin'izany fotoana izany fa hoe aleo hilamina. Nahare tsiliontsofina momba izany ny mpanoratra, na dia tsy nisy nilaza loatra aza ny momba izany toe-javatra izany. Tsangakevitra saika nijoroana tamin'izany fotoana izany ny tsy tokony hirotsahan'i Andry Rajoelina intsony rehefa fantatra fa nangataka ny zom-pirenena frantsay ho an'ny tenany sy ho an'ny vady aman-janany izy, ary eo anatrehan'ny lalàna velona dia efa tsy mizaka zom-pirenena malagasy intsony ny olona tahaka izany.  Afa-mitadidy ihany koa isika mpanara-baovao fa efa tamin'izany fotoana izany no malaina hidina eny an-kia...

Acta non verba

  Mety ho gaga ny maro hoe fa naninona no tsy niteny mihitsy nandritra ny tolona? Tsy nandrenesam-peo mihitsy nanomboka ny 25 septambra 2025 ka hatramin'ny androany 14 oktobra 2025. Tsotra ny antony. Niasa tamin'ny alalan'ny fanoroan-kevitra sy fanehoana izany tao amin'ny tambajotra serasera tao.  Tena tolona na dia tsy hita (tsy fantatra) teny an-kianja aza. Niezaka kosa nilaza  izay tokony atao, mety nohenoina na tsia. Tena ady sy tolona mandreraka koa ny tolona anjotra. Tsy mifidy fotoana fa na andro na alina dia lasa izao. Nanoro hevitra koa maninona no mandray ny "Acta Non Verba"? Teny filamatry ny antoko nitondra nandritra ny Repoblika Voalohany izany. Mailaka amin'ny fiteny ny tao amin'ny fanoherana ary nahazo mihitsy ny anaram-bositra "savony vava" aza. Votsa fitenenana kosa ry zareo ka hitany fa tena mety amin-dry zareo io teny filamatra "Asa fa tsy kabary" io. Nifanandrify androany izany fanombohan'ny Repoblika Malagas...