Accéder au contenu principal

Articles

Moa tia ahy va ianao? [lahatsoratra feno]

 Eto dia lehilahy iray no manontany lehilahy iray hafa hoe "Moa tia ahy va ianao?". Amin'ny vanim-potoana ankehitriny dia mety ho hafahafa izany fanontaniana izany. Fa rehefa mieritreritra fitiavana ny maro dia tahaka ny any amin'ny fitiavan'olon-droa hatrany no ironan'ny saina. Misy tsy fahasalamana ara-tsaina ihany ao amintsika ao raha mibahana ao an-tsaina ny fihevitra tahaka izany. Azo itsapana ny fivoaram-pieritreretana ao amintsika ihany koa ny tranga toa izany. Aoka anefa homarihana fa ampahan-dahatsoratra ao amin'ny baiboly no nakako izany lohateny izany. Horaisintsika ampahany ary izany (Jaona 21:15-17):   Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin'i Simona Petera: Simona, bar-Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko. Hoy indray izy taminy fanindroany: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va hianao? Dia hoy...

Fantaro ny atao hoe Ntaolo (Nta-ulu)

 Fantaro ny dikan'ny teny hoe Ntaolo no tena tian-kambara. Fihevitra tsotra any amintsika any ny hoe Ntaolo no filaza ny olona taloha teto Madagasikara. Tsy diso izany fomba fihevitra izany fa tsy ampy ka ahiana hiteraka fahadisoana. Teny Nusantara soa aman-tsara ny voambolana hoe Ntaolo (Nta-ulu: mandray ity soratra ity aho ho fandravonana hiarahana amin'ireo [Nta-]Nusantara hafa rehetra). Ny dikany raha amin'ny fotoana ankehitriny dia hoe olona voalohany. Tsy fantatro aloha raha azo ampiarahana amin'ny fiteny hoe Aborigene ity Ntaulu ity na tsia. Mety ho manivaka avy hatrany isika hoe ny olo amin'ny Ntaolo dia olona no dikany fa ny Nta no midika hoe voalohany, diso tanteraka anefa izany fa ny Nta no midika hoe olona. Ny "ulu" na olo hoy ny famakintsika ankehitriny no midika hoe taloha na voalohany. Ny teny (Nta)-Nusantara mihitsy no nijerena izany ka tsy tokony atao mahagaga antsika raha misy ny foko antsoina hoe Nta-imoro, Nta-Anosy, Nta-(nd)roy, Nta-An...

Rafitra mpiahy sa rafitra mpandroba?

 Raha manjaka eo amin'ny firenena ny tsi-fanarahan-dalàna, na ny kiantranoantrano, na ny tsimatimanota, tsy ho tonga any an-tampony avy hatrany izany raha tsy efa maka toerana na tsara toerana eny anivon'ny fiaraha-monina na fikambanana, maninona koa moa raha tenenina hoe eo anivon'ny karazam-piangonana sy ireo rafitra mpanaraka fomba isan-karazany ireo zava-manafintohina rehetra ireo. Koa raha anjakan'ny kolikoly ny firenena, sao dia misy tsy ankitenitenin'ny Fiangonana ao anatin'izany ohatra? Mba mahavita miteny ny zanany lasa sangan'ny Firenena ve ny Fiangonana raha manao ny tsy mety ireny zanany ireny sa ireharehana fotsiny satria avy any aminay? na iray Fiangonana aminay? Na iray fikambanana sy/na antoko politika aminay? Sa efa miankin-doha aminy tanteraka ihany koa dia tsy afa-miala na dia manitsakitsaka sy manao izay hahafaty anao mihitsy aza? Sady manala baraka rahateo? Etsy ankilan'izany, maninona no misy rafitra tsy manaiky amoahana olana sy ts...

J'ai protegé l'église à ma manière [teny malagasy]

Ny mahafantatra ahy dia ilay olona mpandala ny teny malagasy ihany no ahafantarany ahy. Na dia misy vahiny aza eo akaiky eo amin'ny fivoriana dia iray amin'ireo mampivily ny resaka ho amin'ny fiteny malagasy aho matetika. Ny vitsy mahalala raha mbola hoe fantany ihany koa dia lasa mieritreritra sy miteny frantsay tsindraindray aho rehefa tena tezitra na tohina ao anatiko ao, mety hitranga amin'ny "feeling" hafa tena lalina ihany koa anefa izany. Ao anatiko ao izany satria nampianarina teny frantsay sy zatra namaky boky (roapolo taona mahery) tao amin'ny ex-CCAC izay IFM amin'izao fotoana izao aho nandritra ny fahatanorako (nanomboka 12 taona). Raha iniako tenenina amin'ny teny frantsay ny lohateny noho izany dia manambara avy hatrany ny tsapako sy ny toe-tenako amin'izao fotoana izao. Sakana voalohany, raha misy ny olana dia tsy azo avoaka ampahibemaso izany, na amin'ny radio sy televiziona izany na amin'ny media sosialy. Manala tena ao...

Opportunité = Hararaotra

Voambolana omena dika vaovao: Roatra no tena ahafantarantsika ny vorivory fotsifotsy miforona ambonin'ny rano na ranon-javatra mangotraka na voahetsiketsika, hoy ny rakibolana rakipahalalàna navoakan'ny Akademia Malagasy tamin'ny taona 2005. Herotra kosa no filaza ny mena-dronono mitsikafona iny. Mpanararaotra no filaza ny olona manaraka raotra na mangarona ny vilany rehefa mangotraka iny ny vary, izany hoe mangala-pihinana izy amin'io fotoana io. Amin'io fotoana io manko no tsy hita ny nakana vary tao am-bilany. Hararaotra indray no lasa fototeny vaovao nomen'ny rakibolana nolazaiko tetsy ambony. Tokony ho efa ela ihany izy io no mipetraka satria efa fandrentsika ny teny hoe (H)araraoty! Milaza izany fa hararaotra no dikan'ny opportunité nitadiavantsika dika hatry ny ela.  Koa dia hararaoty ary ny fampiasana ny voambolana opportunité ho hararaotra.  

Fanatanjahantena miato-tena?

 Zavatra iray anisan'ny nanohina ahy tamin'ity herinandro ity ilay nanaovan'ny ekipan'i Aostralia vehivavy rugby ho fanomezana ho an'ny vehivavy Maki ny akanjony fanaovana fanazarantena satria tsy manana akanjo fisolo ny ekipam-pirenentsika nefa manao mondialy hono. Olana mitarazoka hatry ny ela ny resaka fanatanjahantena eto Madagasikara. Voatery mianto-tena ny ankamaroan'ny mpilalao fa tsy afaka miantehitra amin'ny hafa loatra. Fototr'olana voalohany ny resaka fidiram-bola amin'ireny fanatanjahatena ireny. Tsy mijery afa-tsy ny zavamisy eto an-toerana ka tsy afa-mahatakatra na dia ny sarandalana iraisampirenena iray akory aza vao miampita lafintany. Ahoana moa izany? Inona no tiana hambara. Ny vidim-pidirana dia tsy mijery afa-tsy izay vita eto an-tanàna ihany. Matimatin'ny hoe mora fa izay no takatra. Dia tsy afa-mivelatra mihitsy avy eo. Faharoa ny fitantanam-bola. Tsy mety amiko mihitsy izany hoe miditra ao an-kianja aho dia tsy manana tapak...

Miala aina ny "Tia Tanindrazana"

Efa andro maromaro hivadika herinandro vitsivitsy izao no tsy hita teny amin'ny talantalana sy ny tanan'ny mpivarotra gazety ny gazety Tia Tanindrazana, Jejoo, Job, Vidy-Varotra izay ao anatin'ny vondron-gazety iray ihany. Mipetraka ambanivohitra ny tena ka tsy maharaka loatra ny zavamisy an-tanàna ka tsy lazain'ny ao amin'ny tambanjotra sosialy.   Samy manana ny mpividy azy avokoa ireo gazety efatra lazaiko ireo ka ny mahatonga ahy hanonona manokana ny Tia Tanindrazana dia satria io ihany amin'ireo efatra voalaza ireo no miresaka politika sy sosialy. Ankoatra ny hoe firesahana politika dia mitatitra kokoa ny fironana avy amin'ny antokon'ny fanoherana izy. Ireny zavatra resahantsika ao amin'ny tambajotra sosialy rehetra ireny dia tateriny ho an'ny mpamaky azy avokoa. Noho izany dia tsy vahiny amin'ireo zava-maharikoriko ara-politika mitranga eto amin'ny firenena ihany koa izy. Azo lazaina fa na dia tsy manana kaonty idirana amin'ny me...

Ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena teto Isahafa - Fandresena - Fampirantiana - Fanakonana soratra

Fotoan-dehibe teo amin'ny vahoaka malagasy ny fetin'ny fahaleovantena na dia tsy mbola miraiki-tapisaka amin'ny maro aza ny fahasahiranana. Tsy ambakan'izany ny teto amin'ny misy anay eto amin'ny fokontanin'Isahafa kaominina Anosy Avaratra.  Matetika fanombohana izany ny fanomezana solombodiakoho fanaon'ny fokontany ho an'ireo zoky ray aman-dreny eto amin'ny tanàna.    Manaraka izany indray, avy amin'ny ezaky ny fokontany sy ny malala-tanana ihany ny fizarana sakafo masaka ho an'ny ankohonana rehetra eto amin'ny fokontany ka izay te-handray izany.   Tsy anavahana na iza na iza io fizarana sakafo io.   Somary nampiana tamin'ity fotoana ity ny fanaovana fampirantiana ny tantaran'ny tanàna sy ny toerana, indrindra ny amin'ny kianja sy ny vatolahy izay nisy nanosihosy sy nanimbazimba tamin'ny 18 mey 2022 lasa teo.    Fafana fito no navoaka tamin'izany ary iriana indrindra ny isian'ny fanamarihana sy ny fanitsiana a...

Ny fitanana an-tsoratry ny fivoriana 11 jona 2022 teto Isahafa

 Rehefa nivory tamin’ny 11 jona 2022 folakandro ny solontenam-pokonolona, natrehin’ny lehiben’ny fokontany, noho ny toe-javamisy, dia tsy inona fa ny fikitihana ny tsangambato izay nataon-dRahaririaka Martial, izany hoe ny fametrahana ny anaran’ny razambeny ao amin’io tsangambato io, tamin’ny 18 mey 2022, dia tsy manaiky ny fokonolona eto Isahafa satria : •    Tsy nahazoany alalana na avy amin’ny fokontany Isahafa na avy amin’ny kaominina Anosy Avaratra izany. •    Tena mandiso tanteraka ny tantara ny nanaovany izany Ny tahirin-kevitra sy ny ara-tantara maromaro ampelatananay araka ny boky _nosoratan-d Randriamamonjy Frederic tamin’ny taona 2001, _ny nosoratan’ny Mopera Callet tamin’ny taona 1878, _ny tamin’ny taona 2011 izay lovantsofina avy amin’ireo zokiolona teto Isahafa mbola velona tamin’izany no noraketina ho boky _sy ny sisa maro hafa,   Dia mandà marindrano ny fametrahana io anarana amin’ny tsangambato io izay heverinay fa fanimbazimbàn...

Ny atao hoe Tantara (historíā)

Tsy maintsy miainga avy amin'ny teny niaviany aloha isika raha hamaritra ny atao hoe Tantara. Ny loharanon'ny teny dia ny teny grika fahiny hoe  ἱστορία-historíā izay midika ara-bakinteny hoe famotorana na fanadihadiana na famakafakana na/sy fahalalàna avy amin'ny famotopotorana. Fianarana sy fandraketana ny lasa. Tafiditra ao anatin'ny historíā ireo zava-nitranga teo aloha miaraka amin'ny tsiaro, tsikaritra, angona, fandaminana, fanolorana sy fandikàna ireny zava-nitranga ireny. Ny ἱστορία-historíā dia avy amin'ny voambolana hoe ἵστωρ-hístōr izay midika hoe « fahendrena », « vavolombelona » na « mpitsara » Raha ny teny malagasy indray no heverina, andrana avy amiko manokana, dia nindramina handikana ny ἱστορία-historíā ny voambolana hoe tantara (tantaro) izay nanana dika fahiny hoe vato vavolombelona (vatolahy sy fandriam-bato ao am-pasana), ny voalohany tsangambato naorina ho fahatsiarovana misy soratra fampitadidiana na tsia ary ny faharoa kosa manondro ny ts...