11.9.22

Fanatanjahantena miato-tena?

 Zavatra iray anisan'ny nanohina ahy tamin'ity herinandro ity ilay nanaovan'ny ekipan'i Aostralia vehivavy rugby ho fanomezana ho an'ny vehivavy Maki ny akanjony fanaovana fanazarantena satria tsy manana akanjo fisolo ny ekipam-pirenentsika nefa manao mondialy hono.

Olana mitarazoka hatry ny ela ny resaka fanatanjahantena eto Madagasikara. Voatery mianto-tena ny ankamaroan'ny mpilalao fa tsy afaka miantehitra amin'ny hafa loatra.

Fototr'olana voalohany ny resaka fidiram-bola amin'ireny fanatanjahatena ireny. Tsy mijery afa-tsy ny zavamisy eto an-toerana ka tsy afa-mahatakatra na dia ny sarandalana iraisampirenena iray akory aza vao miampita lafintany.

Ahoana moa izany? Inona no tiana hambara. Ny vidim-pidirana dia tsy mijery afa-tsy izay vita eto an-tanàna ihany. Matimatin'ny hoe mora fa izay no takatra. Dia tsy afa-mivelatra mihitsy avy eo.

Faharoa ny fitantanam-bola. Tsy mety amiko mihitsy izany hoe miditra ao an-kianja aho dia tsy manana tapakila fanaporofoana intsony ety an-tanako fa vitan'ny hoe tafiditra. Amiko porofon'ny fitantanam-bola tsy mazava izany.

Koa aza atao mahagaga raha mbola mitsipozipozy sy hitsipozipozy izany fanatanjahantena malagasy izany satria natao ho fialam-boly vetivety fa tsy eritreretina hampidiram-bola maharitra sy mahazaka tena.

Aucun commentaire: