13.6.22

Ny fitanana an-tsoratry ny fivoriana 11 jona 2022 teto Isahafa

 Rehefa nivory tamin’ny 11 jona 2022 folakandro ny solontenam-pokonolona, natrehin’ny lehiben’ny fokontany, noho ny toe-javamisy, dia tsy inona fa ny fikitihana ny tsangambato izay nataon-dRahaririaka Martial, izany hoe ny fametrahana ny anaran’ny razambeny ao amin’io tsangambato io, tamin’ny 18 mey 2022, dia tsy manaiky ny fokonolona eto Isahafa satria :

•    Tsy nahazoany alalana na avy amin’ny fokontany Isahafa na avy amin’ny kaominina Anosy Avaratra izany.
•    Tena mandiso tanteraka ny tantara ny nanaovany izany


Ny tahirin-kevitra sy ny ara-tantara maromaro ampelatananay araka ny boky _nosoratan-dRandriamamonjy Frederic tamin’ny taona 2001,
_ny nosoratan’ny Mopera Callet tamin’ny taona 1878,
_ny tamin’ny taona 2011 izay lovantsofina avy amin’ireo zokiolona teto Isahafa mbola velona tamin’izany no noraketina ho boky
_sy ny sisa maro hafa,
 

Dia mandà marindrano ny fametrahana io anarana amin’ny tsangambato io izay heverinay fa fanimbazimbàna sy fanaovana tsinontsinona ny maha-Isahafa an’Isahafa sy ny tantarany. Manome fahalalàn-diso ireo taranaka aty aoriana ny tantara tena marina izay efa nifampitana hatramin’izay.


Noho izany dia takianay ny hamafana an’io soratra io sy ny hamerenan-kasina satria mahatsiaro voahitsakitsaka sy voazimbizamba ny tanàna.

Aucun commentaire: