27.6.22

Ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena teto Isahafa - Fandresena - Fampirantiana - Fanakonana soratra


Fotoan-dehibe teo amin'ny vahoaka malagasy ny fetin'ny fahaleovantena na dia tsy mbola miraiki-tapisaka amin'ny maro aza ny fahasahiranana. Tsy ambakan'izany ny teto amin'ny misy anay eto amin'ny fokontanin'Isahafa kaominina Anosy Avaratra. 

Matetika fanombohana izany ny fanomezana solombodiakoho fanaon'ny fokontany ho an'ireo zoky ray aman-dreny eto amin'ny tanàna. 

 


Manaraka izany indray, avy amin'ny ezaky ny fokontany sy ny malala-tanana ihany ny fizarana sakafo masaka ho an'ny ankohonana rehetra eto amin'ny fokontany ka izay te-handray izany. 


 Tsy anavahana na iza na iza io fizarana sakafo io.


 

Somary nampiana tamin'ity fotoana ity ny fanaovana fampirantiana ny tantaran'ny tanàna sy ny toerana, indrindra ny amin'ny kianja sy ny vatolahy izay nisy nanosihosy sy nanimbazimba tamin'ny 18 mey 2022 lasa teo. 

 


Fafana fito no navoaka tamin'izany ary iriana indrindra ny isian'ny fanamarihana sy ny fanitsiana avy amin'ny mahay tantara sy manana fahalalàna na dia kely aza ny amin'izany. 


(Tsy aritra ifampizarana fotsiny no anoratako eto hoe nisy nanaisotra tao ity fafana fahafito ity ny alin'ny asabotsy 25 jona 2022 hifoha ny alahady 26 jona 2022)

Raisinay an-tanandroa ihany koa ny torohevitra sy ny fanatsarana ny amin'izany.


Rehefa vita ny fanazavana ny amin'ireo fafana fito dia nizorana ny nankeny amin'ny vavahady (atsimo) atsinanan'ny tanàna misy ny vatolahy ka... 

 


Nanaovana fanakonana ny anaran'ilay olona napetaka teo tsy nahazoana alalana na avy amin'ny fokontany na avy amin'ny kaominina sady tsy amin'ny taniny akory fa tanin'olon-kafa. 


 

Io olona tompon'ny tany ahitana ny vatolahy io anefa dia nanavaka tsara ilay toerana fa tsy nampiditra azy tao anaty tamboho tsy ho hitan'ny besinimaro.



 

Vita izany dia nitohy ny fanentanana sy ny varotra isan-karazany ary ny alim-pandihizana. 



Nampiavaka ihany koa sady somary nahabanga ihany ny tanàna ny fandresena nandrombahan'ny ekipan'Isahafa na ho an'ny sokajy lehilahy na ho an'ny sokajy vehivavy taranja Basket-ball ny amboaran'ny Ben'ny tanàna notontosaina teny Ambohitrinimanga.


 

Mba nisy fiavahany kely ihany koa ny fandefasana afomanga miisa 8 ny asabotsy ary miisa 8 ihany koa ny alahady. 



Dia toy izay sy toy izay ny ambangovangon'izany hoe fetim-pirenena aty ambanivohitra tsy lavitra ny renivohitra izany. 



 

Indro naseho anareo ny sarin'ny fafana sy ny hetsika fanakonana anarana nataon'ny teto amin'ny fokontany.


 

 

Aucun commentaire: