22.5.22

Ny atao hoe Tantara (historíā)

Tsy maintsy miainga avy amin'ny teny niaviany aloha isika raha hamaritra ny atao hoe Tantara. Ny loharanon'ny teny dia ny teny grika fahiny hoe  ἱστορία-historíā izay midika ara-bakinteny hoe famotorana na fanadihadiana na famakafakana na/sy fahalalàna avy amin'ny famotopotorana. Fianarana sy fandraketana ny lasa. Tafiditra ao anatin'ny historíā ireo zava-nitranga teo aloha miaraka amin'ny tsiaro, tsikaritra, angona, fandaminana, fanolorana sy fandikàna ireny zava-nitranga ireny.

Ny ἱστορία-historíā dia avy amin'ny voambolana hoe ἵστωρ-hístōr izay midika hoe « fahendrena », « vavolombelona » na « mpitsara »

Raha ny teny malagasy indray no heverina, andrana avy amiko manokana, dia nindramina handikana ny ἱστορία-historíā ny voambolana hoe tantara (tantaro) izay nanana dika fahiny hoe vato vavolombelona (vatolahy sy fandriam-bato ao am-pasana), ny voalohany tsangambato naorina ho fahatsiarovana misy soratra fampitadidiana na tsia ary ny faharoa kosa manondro ny tsy maintsy hiafaran'ny olombelona rehetra sy/na fandriana tsy laitra ahisaka na hozongozonina, mafy orina iafaran'ny nofo rahatrizay.

Dika faharoa miaraka amin'izay ihany koa hoe ny tantara dia zavatra na toerana/sehatra iray na maromaro mariky ny fahefana sy ny hasina. Hany ka lasa mandeha ho azy ny hoe ny tompon'ny tantara no tompon'ny fahefana.

Izay vao miparitaka sy samy manana ny azy amin'izay amin'ny famaritana ny voambolana hoe 'Tantara'. Ny ao amin'ny www.malagasyword.org ohatra dia manazava ny tantara ho 1. Fahalalana ny zava-niseho tamin' ny andro lasa; 2. Filazana fitohitohizan-javatra, andraisan' olona anjara, tena nisy marina na noforomporonin' ny saina fotsiny.

Aucun commentaire: