16.9.22

Opportunité = Hararaotra

Voambolana omena dika vaovao:


Roatra no tena ahafantarantsika ny vorivory fotsifotsy miforona ambonin'ny rano na ranon-javatra mangotraka na voahetsiketsika, hoy ny rakibolana rakipahalalàna navoakan'ny Akademia Malagasy tamin'ny taona 2005. Herotra kosa no filaza ny mena-dronono mitsikafona iny.


Mpanararaotra no filaza ny olona manaraka raotra na mangarona ny vilany rehefa mangotraka iny ny vary, izany hoe mangala-pihinana izy amin'io fotoana io. Amin'io fotoana io manko no tsy hita ny nakana vary tao am-bilany.


Hararaotra indray no lasa fototeny vaovao nomen'ny rakibolana nolazaiko tetsy ambony. Tokony ho efa ela ihany izy io no mipetraka satria efa fandrentsika ny teny hoe (H)araraoty! Milaza izany fa hararaotra no dikan'ny opportunité nitadiavantsika dika hatry ny ela. 


Koa dia hararaoty ary ny fampiasana ny voambolana opportunité ho hararaotra.


 

Aucun commentaire: