1.11.22

Moa tia ahy va ianao? [lahatsoratra feno]

 Eto dia lehilahy iray no manontany lehilahy iray hafa hoe "Moa tia ahy va ianao?". Amin'ny vanim-potoana ankehitriny dia mety ho hafahafa izany fanontaniana izany. Fa rehefa mieritreritra fitiavana ny maro dia tahaka ny any amin'ny fitiavan'olon-droa hatrany no ironan'ny saina. Misy tsy fahasalamana ara-tsaina ihany ao amintsika ao raha mibahana ao an-tsaina ny fihevitra tahaka izany. Azo itsapana ny fivoaram-pieritreretana ao amintsika ihany koa ny tranga toa izany.

Aoka anefa homarihana fa ampahan-dahatsoratra ao amin'ny baiboly no nakako izany lohateny izany. Horaisintsika ampahany ary izany (Jaona 21:15-17):
 
Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin'i Simona Petera: Simona, bar-Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.

Hoy indray izy taminy fanindroany: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va hianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko.

Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va hianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va hianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko.

Nataoko izao ranty izao ho fahatsiarovana ny 31 oktobra 1517,  Andron'ny Reformasiona protestanta (loterana), voatery napetrako ny anaty fononteny ny voambolana loterana satria tahaka ny tsy miraharaha loatra azy ity ny reforme indrindra fa ny eto Madagasikara (FJKM). Tsy nanana fijoroana tahaka izao anefa izany Fiangonana Protestanta izany raha tsy nisy ny asa-karoka nataon'i Lotera napetany teo amin'ny varavaran'ny Fiangonan'ny Manda tao Wittenberg (Misy koa ny Fiangonan'ny Tanàna fa tsy tany ny asakaroka no napetaka) tamin'ny andron'ny 31 oktobra 1517 izay noheverina ho fisantaran'ny protestantisma.

Tsy tanàna lehibe ambonivohitra i Wittenberg tamin'ny vanim-potoanan'ny reforma fa ambanivohitra, ary tantsaha no tena maro an'isa. Tsy dia lehibe ihany koa fa noho ny nataon'ilay moanina tanora iray tao no nampalaza kokoa ny tanàna. Mariho araka izany fa Mpitandrina (Pastora) nampiasaina any Ambanivohitra no niaingan'ilay fanitsiam-pivavahana. Mpitandrina no niaviany satria sady nianatra teolojia ireny no nianatra filôzôfia, azo lazaina ho olona ambony ihany koa tamin'izany fotoana izany. Nanamarika ny fiainany ny nikarohany valin'ny fanontaniana maro momba ny fahafatesana sy ny famonjena. Noho izany, notadiaviny fatratra izay tokony hatao hahazoana famonjena na fanavotana avy amin'Andriamanitra.

Niteraka fanafintohinana ho an'i Lotera izay moanina mbola tanora amin'izay ny nataon'ny Fiangonana tamin'izany fotoana izany rehefa hitany fa tsy araka ny Filazantsara intsony ny nataon'ny Fiangonana. Ny ampahan-dahatsoratra avy amin'ny Filazantsaran'i Jaona etsy ambony mametraka mazava tsara ny baiko ho an'i Petera (izany hoe ho an'ny mpitondra na mpitarika fivavahana ihany koa) ny hamahanana ny ondriKELIko, ny hiandrasana ny ondriko ary ny hamahanana ny ondriko. Ny hitany kosa anefa dia tsy menatra ny Fiangonana haka vola any amin'ny mahantra mba hanorenana indray ny Bazilikan'i Masindahy Piera ao Rôma tamin'ny alalan'ny fivarotana ny "indulgences". Tsy nofahanana araka tokony ho izy intsony ny ondrikely (ny ankizy sy ny tanora) sy ny ondry, ary tsy nandrasana araka ny tokony ho izy ny ondry (ny lehibe na lahy na vavy). Ny fanorenana tsy hitan'ny maro maso (any Rôma) no nahamaika ny sasany fa toa tsy mba notopaza-maso kosa ny ao an-toerana.

Mazava loatra fa nahazo fampiantsoana avy amin'ny an-tanantohatry ny Fiangonana ity moanina tanora ity noho ny fanozongozonany ny rafitra efa tsara petraka eo amin'ny fifandraisan'ny Fiangonana amin'ny Vola. Nahazo fankasitrahana avy amin'ny ankamaroan'ny olona manodidina azy anefa ny nataony satria nanomboka nanao fampianarana madio momba ny famonjena izy. Tao anatin'ny roa volana monja dia niely eran'i Eoropa ny nosoratany ary niorim-paka tsimoramora ny fanambaram-pinoana vaovao tao anatin'ny kristianisma. Mariho fa avy amin'i Lotera no niandohan'ny boky fampianaram-pinoana antsoina hoe Katekisma izay nalain'ny Katolika tahaka taty aoriana.

Dimanjato taona mahery taty aoriana, manao ahoana ny vokatry ny asakaroka napetak'i Lotera teo amin'ny varavaran'ny Fiangonan'ny Mandalapan'i Wittenberg?

Ny hita taratra voalohany aloha dia niverina tamin'ny heriny indray ny "Halloween" izay nezahin'ny Fiangonana nofoanana tany amin'ny faritra "Celtique" ary vao maika aza lasa nahazo vahana tany amin'ny faritra maro manerana izao tontolo izao. Ity fety ity tokoa manko no noezahana hosoloin'ny fetin'ny Olomasina rehetra fa ny nahafahany niafina sy voatahiry tany ambadika tany no nahafahan'ny Halloween niverina tamin'ny heriny tahaka izao.

Vokany hafa ihany koa, nahay nanitsy ny diany ny Fiangonana voakiana sady niezaka ny hamafa ny taratra protestanta. Efa nisy aza ny fotoana tsy mifanalavitra loatra intsony ny fampianaram-pinoana katolika sy protestanta ankoatra ny fitodihana amin'ny Maria sy ny Olo-masina.

Fa misy ihany koa ny vondrom-pivavahana, izay nokianina tamin'ny vanim-potoanan'ny reformasiona indray no naveriny. Izay no iray amin'ny antony nivoahan'ny ranty mitondra ny lohateny hoe "Rafitra Mpiahy sa rafitra mpandroba?".

Eo amin'ny rafitra katolika romana moa, araka ny fantatsika dia mbola tokatena avokoa ny mpitondra fivavahana, hany ka tsy mieritreritra loatra na hiady saina amin'izay omena sy atolony ho an'ny vady aman-janany tahaka ny an'ny mpitondra fivavahana hafa tsy katolika romana. Na aiza na aiza izany ny toerana omena azy dia tsy misy loatra izay mety hampanahy azy.

Tsy mba toa izany kosa ny eo amin'ny rafitra ankoatra izay, izany hoe izay manambady aman-janaka ny mpitondra fivavahana ao aminy. Raha ratsy fitantanana ny fitsinjaram-pahefana dia hita taratra ny fisian'ny sarangam-pitondra fivavahana samihafa na dia iray antokom-pinoana aza ry zareo. Efa nandre aza aho fa ny mpitondra fivavahana manana fiara tsy mitakosikosina amin'ny mpitondra fivavahana mpandeha an-tongotra, ary ny mpitondra fivavahana mpandeha an-tongotra na bisikileta miahotrahotra hanatona hiresaka amin'ny mpitondra fivavahana manana fiara.

Mbola lasa misy sokajiny indray ireo mpitondra fivavahana, hany ka iadiana mafy sy ifanotofana ny mahazo fiangonana lehibe an-drenivohitra na an-tanandehibee. Toerana fizàrana asa mandra-pahazoana fiangonana lehibe kokoa sisa ny ankamaroan'ny Fiangonana somary ambanivohitra sy tsy ahitana mpanankarena loatra. Tsy tokony hatao mahagaga noho izany raha misy ireo Fiangonana no maharitra mitoetra ela ao aminy mpitondra fivavahana ao aminy, ary misy ireo Fiangonana no Fandalovana fotsiny fa tsy mahatamàna ny mpitondra fivavahana satria tsy mahazaka na tsy maharaka ny fivelomany ao.

Manjary lasa mivadika ho fikaramàna ny fitondram-piangonana sy ny fitariham-pivavahana vokatr'izany fa takona tanteraka ny antso sy fiantsoana raha tena tia an'Andriamanitra tahaka ny fanontanian'i Jesoa tamin'ny Petera efa nosoratana ery ambony. Toa heverina fa ireo ondry any an-drenivohitra sy an-tanandehibe ihany no antsoina hoe ondry mila fahanana fa tsy misy mijery loatra, tsy misy mamahana sy miandry ireo ondry any ambanivohitra sy mpitrongy vao homana. Kanefa moa ve tsy ny hivoaran'ireny olona ireny no iray amin'ny tokony ho tanjon'ny Fiangonana?

Ny tena manahirana ny mieritreritra azy dia lasa ampitondraina enta-mavesatra sy tsy zakany koa ny sasany amin'ireny fiangonana madinika sy ambanivohitra ireny. Entin'ny mpitondra sasany ho toy ny any amin'ny toerana be olona sady manana ny ampy ho azy ny toerana sady vitsy olona no mbola miavo-tena. Manjary ilay mpitondra fivavahana indray no tena karakaraina fatratra... fa ny tanjon'ny "dîme" anie raha jerena hatramin'ny niandohany tao amin'ny Benei Israël [zanak'Isiraely] ka hoe mitovy tantana amin'ny mpiara-mivavaka aminy ihany ny "mpitondra fivavahana". Raha manana fiara daholo ny mpiara-mivavaka dia rariny raha mba manana fiara ihany koa ny mpitondra fivavahana, fa tsy rariny kosa raha tsy maintsy ividianana fiara ny mpitondra fivavahana nefa ny mpiara-mivavaka aminy tsy manana sy tsy mahatakatra mividy an'izany.

Ny tena manahirana dia tadiavina horesena lahatra ny mpivavaka amin'ny hanoloran'ny mpivavaka raki-pisaorana manokana ho an'ny Mpitondra fivavahana rehefa mahazo fahasoavana fa tadiavina hotakonana izay raki-pisaorana ho an'ny Fiangonana izay miantoka sy mamelona ny mpitondra fivavahana amin'ny fivelomany isam-bolana. Ny mpitondra fivavahana ihany anefa no tena mahazo ny fitenenana mandritra ny fotoam-pivavahana fa impiry hahazo anjara fitenenana moa ny mpiantoka ny fiveloman'ny mpitondra fivavahana? Ary hanao ahoana moa ny ho alahelo na ny ho endriky ny mpitondra fivavahana raha ahitsy ny fanentanana ataony fa "Asio hanina ao an-Tranoko" no hita ao amin'ny Baiboly fa tsy zavatra hafa tsy akory, satria ny Tranon'Andriamanitra no miantoka ny fiveloman'ny mpitondra fivavahana.

Koa raha tiana hisy tohiny sy hisy vokany ny reformasionan'ny 31 oktobra 1517 dia tokony hahay hijery sy handanjalanja ny vesatra omena ny fiangonana tsirairay ny mpitantana foibe na foibem-paritra ka hanitsy mandrakariva izay adidy omena ny isam-piangonana hijery ny hoe zakan'ny olona sy tsy miteraka fanafintohinana sy fihemorana ve ny anjara omen'ireo sokajin'olona sy sokajim-piangonana ireny ho an'ny mpitantana sy sampanasa sy departemanta isan-karazany fampandrosoana sy fampivelarana ny Fiangonana? Ambava homana, ampo mieritra!

Aucun commentaire: