Accéder au contenu principal

Miala aina ny "Tia Tanindrazana"

Efa andro maromaro hivadika herinandro vitsivitsy izao no tsy hita teny amin'ny talantalana sy ny tanan'ny mpivarotra gazety ny gazety Tia Tanindrazana, Jejoo, Job, Vidy-Varotra izay ao anatin'ny vondron-gazety iray ihany. Mipetraka ambanivohitra ny tena ka tsy maharaka loatra ny zavamisy an-tanàna ka tsy lazain'ny ao amin'ny tambanjotra sosialy.


 
Samy manana ny mpividy azy avokoa ireo gazety efatra lazaiko ireo ka ny mahatonga ahy hanonona manokana ny Tia Tanindrazana dia satria io ihany amin'ireo efatra voalaza ireo no miresaka politika sy sosialy. Ankoatra ny hoe firesahana politika dia mitatitra kokoa ny fironana avy amin'ny antokon'ny fanoherana izy. Ireny zavatra resahantsika ao amin'ny tambajotra sosialy rehetra ireny dia tateriny ho an'ny mpamaky azy avokoa. Noho izany dia tsy vahiny amin'ireo zava-maharikoriko ara-politika mitranga eto amin'ny firenena ihany koa izy. Azo lazaina fa na dia tsy manana kaonty idirana amin'ny media sosialy aza ny mpamaky azy dia mba maharaka ihany ireny vaovao inian'ny hafa tsy soratana ireny.

Tamin'ity volana ity anefa, rehefa nitsidika ny raiko aho, dia nilaza izy fa efa ho herinandro izy izao no tsy nahazo gazety "Tia Tanindrazana" intsony. Misy mpanatitra manko izy isan'andro ary nilaza ny mpanatitra azy fa "tsy mivoaka intsony ny gazety". Nasaiko nitady an-toeran-kafa ny raiko fandrao sao dia tsy te-hanatitra ho azy intsony ilay mpivaro-gazety. Nandeha nitady tokoa izy ary tsy nahita mihitsy. Raha nanontany tamin'ireo mpivaro-gazety ary izy hoe fa maninona no tsy mahazo intsony dia nisy ny namaly fa noferan'ny fanjakana ny anjara taratasy ho an'ity gazety ity fa hoe tsy ampy intsony ny taratasy hanaovana gazety. Rehefa mandeha eny amin'ny mpivaro-gazety anefa isika dia ireo mivoaka avokoa ireo gazety mpanohana ny fitondrana rehetra, tsy mahalala izany krizin-taratasy izany.

Nanamarina amin'izay aho tao anatin'ny andro maromaro rehefa miakatra ao Sabotsy Namehana, nitsipalotra tamin'ireo mpivaro-gazety. Hitako amin'izay fa tsy ny gazety Tia Tanindrazana ihany no tsy hita fa ireo gazety iray vondrona aminy ihany koa dia ireo efa nolazaiko etsy ambony: Jejoo, Job, Vidy-Varotra. Fehiny, fehezina na sakanana mihitsy tsy hivoaka izay gazety mahasahy mitsikera mivantana ny fitondram-panjakana. 
 
Ary ny tena loza dia toa tsy misy miraharaha na tsy misy mpiresaka izany tsy fisian'ny gazety eny amin'ny mpivarotra izany. Ahatsiarovako indray ny tamin'ny taona 2009 izay tsy ahitana intsony eny amin'ny mpivaro-gazety ny "Le Quotidien" sy "Ny Vaovaontsika" fa ny mpamandrika sisa no anateran-gazety isan'andro any an-tranony mandra-pahatapitry ny famandrihana. Mety ho ity farany ity ve no mitranga amin'ny gazety "Tia Tanindrazana" sy ireo mpiray tampo aminy amin'izao fotoana satria mbola mamoaka vaovao anjotra ihany ry zareo sa na ny mpamandrika aza efa tsy mahazo intsony? Sa ve mivoaka ihany fa misy mandraoka? Mihamanakaiky anefa ny fifidianana!

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...