Accéder au contenu principal

Articles

Opportunité = Hararaotra

Voambolana omena dika vaovao: Roatra no tena ahafantarantsika ny vorivory fotsifotsy miforona ambonin'ny rano na ranon-javatra mangotraka na voahetsiketsika, hoy ny rakibolana rakipahalalàna navoakan'ny Akademia Malagasy tamin'ny taona 2005. Herotra kosa no filaza ny mena-dronono mitsikafona iny. Mpanararaotra no filaza ny olona manaraka raotra na mangarona ny vilany rehefa mangotraka iny ny vary, izany hoe mangala-pihinana izy amin'io fotoana io. Amin'io fotoana io manko no tsy hita ny nakana vary tao am-bilany. Hararaotra indray no lasa fototeny vaovao nomen'ny rakibolana nolazaiko tetsy ambony. Tokony ho efa ela ihany izy io no mipetraka satria efa fandrentsika ny teny hoe (H)araraoty! Milaza izany fa hararaotra no dikan'ny opportunité nitadiavantsika dika hatry ny ela.  Koa dia hararaoty ary ny fampiasana ny voambolana opportunité ho hararaotra.  

Fanatanjahantena miato-tena?

 Zavatra iray anisan'ny nanohina ahy tamin'ity herinandro ity ilay nanaovan'ny ekipan'i Aostralia vehivavy rugby ho fanomezana ho an'ny vehivavy Maki ny akanjony fanaovana fanazarantena satria tsy manana akanjo fisolo ny ekipam-pirenentsika nefa manao mondialy hono. Olana mitarazoka hatry ny ela ny resaka fanatanjahantena eto Madagasikara. Voatery mianto-tena ny ankamaroan'ny mpilalao fa tsy afaka miantehitra amin'ny hafa loatra. Fototr'olana voalohany ny resaka fidiram-bola amin'ireny fanatanjahatena ireny. Tsy mijery afa-tsy ny zavamisy eto an-toerana ka tsy afa-mahatakatra na dia ny sarandalana iraisampirenena iray akory aza vao miampita lafintany. Ahoana moa izany? Inona no tiana hambara. Ny vidim-pidirana dia tsy mijery afa-tsy izay vita eto an-tanàna ihany. Matimatin'ny hoe mora fa izay no takatra. Dia tsy afa-mivelatra mihitsy avy eo. Faharoa ny fitantanam-bola. Tsy mety amiko mihitsy izany hoe miditra ao an-kianja aho dia tsy manana tapak...

Miala aina ny "Tia Tanindrazana"

Efa andro maromaro hivadika herinandro vitsivitsy izao no tsy hita teny amin'ny talantalana sy ny tanan'ny mpivarotra gazety ny gazety Tia Tanindrazana, Jejoo, Job, Vidy-Varotra izay ao anatin'ny vondron-gazety iray ihany. Mipetraka ambanivohitra ny tena ka tsy maharaka loatra ny zavamisy an-tanàna ka tsy lazain'ny ao amin'ny tambanjotra sosialy.   Samy manana ny mpividy azy avokoa ireo gazety efatra lazaiko ireo ka ny mahatonga ahy hanonona manokana ny Tia Tanindrazana dia satria io ihany amin'ireo efatra voalaza ireo no miresaka politika sy sosialy. Ankoatra ny hoe firesahana politika dia mitatitra kokoa ny fironana avy amin'ny antokon'ny fanoherana izy. Ireny zavatra resahantsika ao amin'ny tambajotra sosialy rehetra ireny dia tateriny ho an'ny mpamaky azy avokoa. Noho izany dia tsy vahiny amin'ireo zava-maharikoriko ara-politika mitranga eto amin'ny firenena ihany koa izy. Azo lazaina fa na dia tsy manana kaonty idirana amin'ny me...

Ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena teto Isahafa - Fandresena - Fampirantiana - Fanakonana soratra

Fotoan-dehibe teo amin'ny vahoaka malagasy ny fetin'ny fahaleovantena na dia tsy mbola miraiki-tapisaka amin'ny maro aza ny fahasahiranana. Tsy ambakan'izany ny teto amin'ny misy anay eto amin'ny fokontanin'Isahafa kaominina Anosy Avaratra.  Matetika fanombohana izany ny fanomezana solombodiakoho fanaon'ny fokontany ho an'ireo zoky ray aman-dreny eto amin'ny tanàna.    Manaraka izany indray, avy amin'ny ezaky ny fokontany sy ny malala-tanana ihany ny fizarana sakafo masaka ho an'ny ankohonana rehetra eto amin'ny fokontany ka izay te-handray izany.   Tsy anavahana na iza na iza io fizarana sakafo io.   Somary nampiana tamin'ity fotoana ity ny fanaovana fampirantiana ny tantaran'ny tanàna sy ny toerana, indrindra ny amin'ny kianja sy ny vatolahy izay nisy nanosihosy sy nanimbazimba tamin'ny 18 mey 2022 lasa teo.    Fafana fito no navoaka tamin'izany ary iriana indrindra ny isian'ny fanamarihana sy ny fanitsiana a...

Ny fitanana an-tsoratry ny fivoriana 11 jona 2022 teto Isahafa

 Rehefa nivory tamin’ny 11 jona 2022 folakandro ny solontenam-pokonolona, natrehin’ny lehiben’ny fokontany, noho ny toe-javamisy, dia tsy inona fa ny fikitihana ny tsangambato izay nataon-dRahaririaka Martial, izany hoe ny fametrahana ny anaran’ny razambeny ao amin’io tsangambato io, tamin’ny 18 mey 2022, dia tsy manaiky ny fokonolona eto Isahafa satria : •    Tsy nahazoany alalana na avy amin’ny fokontany Isahafa na avy amin’ny kaominina Anosy Avaratra izany. •    Tena mandiso tanteraka ny tantara ny nanaovany izany Ny tahirin-kevitra sy ny ara-tantara maromaro ampelatananay araka ny boky _nosoratan-d Randriamamonjy Frederic tamin’ny taona 2001, _ny nosoratan’ny Mopera Callet tamin’ny taona 1878, _ny tamin’ny taona 2011 izay lovantsofina avy amin’ireo zokiolona teto Isahafa mbola velona tamin’izany no noraketina ho boky _sy ny sisa maro hafa,   Dia mandà marindrano ny fametrahana io anarana amin’ny tsangambato io izay heverinay fa fanimbazimbàn...

Ny atao hoe Tantara (historíā)

Tsy maintsy miainga avy amin'ny teny niaviany aloha isika raha hamaritra ny atao hoe Tantara. Ny loharanon'ny teny dia ny teny grika fahiny hoe  ἱστορία-historíā izay midika ara-bakinteny hoe famotorana na fanadihadiana na famakafakana na/sy fahalalàna avy amin'ny famotopotorana. Fianarana sy fandraketana ny lasa. Tafiditra ao anatin'ny historíā ireo zava-nitranga teo aloha miaraka amin'ny tsiaro, tsikaritra, angona, fandaminana, fanolorana sy fandikàna ireny zava-nitranga ireny. Ny ἱστορία-historíā dia avy amin'ny voambolana hoe ἵστωρ-hístōr izay midika hoe « fahendrena », « vavolombelona » na « mpitsara » Raha ny teny malagasy indray no heverina, andrana avy amiko manokana, dia nindramina handikana ny ἱστορία-historíā ny voambolana hoe tantara (tantaro) izay nanana dika fahiny hoe vato vavolombelona (vatolahy sy fandriam-bato ao am-pasana), ny voalohany tsangambato naorina ho fahatsiarovana misy soratra fampitadidiana na tsia ary ny faharoa kosa manondro ny ts...

Orimbaton'Isahafa sa Fasan-dRalambosahafa?

 Ny lahatsoratra manontolo dia nalaina avy amin'ny ranty Facebook navoakako androany zoma 20 mey 2022 ihany. Hisy ny fanamarihana fa hoavy tsikelikely eo ihany. Toa izao ary ny ranty: _o0o_  Nilazàna aho hanoratra ireto zavatra manaraka ireto fa efa nandalo tao amin'ny Kaominina ny olona nampanao an'io ka hoe manana taratasin'ny tany. Voalohany, voamarika ao amin'ny sarintany nentiny (tao amin'ny kaominina) fa fasana io toerana io ary nolazainy fa milevina ao Ralambosahafa, tsy azo andevenam-binanto io fasana io ary tsy misy na iza na iza afaka mikitikitika azy io afa-tsy izy (ilay nandalo tao amin'ny Kaominina) irery ihany. (Faharoa) Nolazaina ihany koa fa azy koa ny tany andrefan'io toerana (misy kininina) izay noheverina hatramin'izay fa tanim-panjakana io. Raha nanontaniana hoe aiza izany no misy ilay orimbato nanaovan'ny miaramilan-dRadama fitsitsihana (fianianana) eo amin'ny vavahady atsinanan'Isahafa Atsimo (araka ny fahafantaran...

Notontosaina teo amin'ny Kianja Isahafa ny adina EPS fanadinana BEPC

Raha teny amin'ny kianja Saint Pierre Andralanitra no mahazatra tamin'ny adina EPS no an'ny mpiadina BEPC ho an'ny distrikan' Avaradrano hatramin'izay dia notontosaina tetsy amin'ny Kianja Isahafa (sy any Ankadinandriana) kosa izany tamin'ity taona 2022 ity noho ny fanamboarana atao ao amin'ny kianjan'ny Père Pedro. Fiara fitaterana sy an'olon-tsotra anjatony sy mpiadina mbamin'izay mety miaraka amin'aliny no nifamezivezy teto Isahafa hatramin'ny alatsinainy 16 mey 2022 ka mandraka androany 18 mey 2022.   Maro ireo sekoly na ZAP naka fiara manokana fa nihevitra angamba hoe tena ambanivohitra be na tena lavitra izany toerana izany. Ny distrika rahateo tena midadasika aoka izany. Raha ny teto amin'ny kianja Isahafa manokana dia tsy hahita afa-tsy kianja ny olona mandalo ety amin'ny toe-javatra tahaka izao.  Tahaka ny hoe babangoana sy tany malalaka fotsiny no hitanao. Mety tsy ho tsikaritrao koa ny fikarakarana nataon'n...

Nateraky ny 13 mey 1972 aho!

 Ary sahiko raisina ho reharehako. Herintaona mahery kely talohan'ny taona 1972 aho no teraka ka fifampitohizan'ny talohan'io vanim-potoana io sy ny taoriany. Taona 1982-1983 no namaliako an-dranomaso voalohany ny raiko satria notereny hianatra teny frantsay kilasy faha-fito any Frantsa aho izay kilasy faha-fito amin'ny sekolim-panjakana eto Madagasikara. Hoy izy tamiko tamin'izany hoe tsy hahita asa sy ho tafita amin'ny fiainana mihitsy ialahy raha vao tsy mahay teny frantsay. Nitolona tamin'io taona 1972 io anefa izy ary ny 13 mey 1972 mihitsy no tokony hamoahana azy teny Maibahoaka Ivato ho mpiasam-panjakana sy manana ny anjara toerany hiasa hisolo ireo tompon'andraikitra voalohany isa-tanàna maka "congé" any amin'ny faritanin'i Toliary. Tamin'izany fotoana izany no fanambiko tao anatiko fa tsy voatery mahay teny frantsay vao tafita amin'ny fiainana... fa varavaram-be ihany koa ny teny anglisy sy ny teny malagasy. Fa tsy main...

Fitantarana hafa nahatonga ny anarana Isahafa!

Androany aho vao nahita sy nahare ity fitantarana iray ity. Tsy azo atao mihitsy ny mitsipaka azy noho ny fisian'ny mety ho fahamarinana ao anatiny. Manaraka izany dia efa tsy naharesy lahatra ahy loatra ny filazana voalohany nahatonga ny anarana ho Isahafa ho teny avy amin'Andrianampoinimerina. Izaho manokana dia azo atao hoe mifanakaiky amin'ny marina ity fitantarana ity raha tsy atao hoe izay no tena marina. Ny antony ilazako hoe mifanakaiky amin'ny marina dia noho ny fitantarana ao amin'ny "Tantara ny Andriana" ihany milaza sahady ny fanononana ny anarana hoe Sahafa raha nafindra monina (natao an-tsesitany) ny Tahiamanangoana avy eny Ambohipeno.