18.5.22

Notontosaina teo amin'ny Kianja Isahafa ny adina EPS fanadinana BEPC

Raha teny amin'ny kianja Saint Pierre Andralanitra no mahazatra tamin'ny adina EPS no an'ny mpiadina BEPC ho an'ny distrikan' Avaradrano hatramin'izay dia notontosaina tetsy amin'ny Kianja Isahafa (sy any Ankadinandriana) kosa izany tamin'ity taona 2022 ity noho ny fanamboarana atao ao amin'ny kianjan'ny Père Pedro.


Fiara fitaterana sy an'olon-tsotra anjatony sy mpiadina mbamin'izay mety miaraka amin'aliny no nifamezivezy teto Isahafa hatramin'ny alatsinainy 16 mey 2022 ka mandraka androany 18 mey 2022. 


Maro ireo sekoly na ZAP naka fiara manokana fa nihevitra angamba hoe tena ambanivohitra be na tena lavitra izany toerana izany.


Ny distrika rahateo tena midadasika aoka izany. Raha ny teto amin'ny kianja Isahafa manokana dia tsy hahita afa-tsy kianja ny olona mandalo ety amin'ny toe-javatra tahaka izao. 


Tahaka ny hoe babangoana sy tany malalaka fotsiny no hitanao. Mety tsy ho tsikaritrao koa ny fikarakarana nataon'ny Kaominina Anosy Avaratra manoloana izao lanonana izao.


Somary mieli-patrana sy miparitaka anefa ny tanàna na dia azo lazaina ho afovoan-tanàna ihany aza ny kianja. 


Atsimon'ny kianja ahitana ny EPP Isahafa no ahitana efitra fidiovana ho an'izay poritra.


Eo atsimon'ny EPP sy ny sehatra no ahitana kianja fanaovana basketball ka nisy ireo nanararaotra nilalao teo rehefa vita ny adina nataony.


Eo avaratry ny FJKM Isahafa izany toerana lazaiko izany na dia tsy mivoaka an-tsary eto aza izany.


Betsaka tamin'ireo olona tonga taty no manararaotra kely tahaka ny miala voly kely hany ka feno fakon-dry zareo ny toerana maitso rehetra manodidina ny kianja rehefa lasa ireto vahiny ireto. Niharihary avy hatrany izany toe-javatra izany.


Raha somary mandrivotra ny andro dia tsy atao mahagaga raha mitora-jofo ny rivotra satria mbola tsy maitso ny kianja aty aminay na dia manantena ny hanatsarana azy kokoa aza izahay.


Fa etsy ankilan'izany, nisy ny toe-javatra nampalahelo, nitranga androany 18 mey 2022 tamin'ny miatataovovonana. Nisy nisokitra anaran'olona tsy mbola reko hatrizay nitoerako teto an-tanàna ny orimbaton'Isahafa eo am-pidirana atsinanan'ny tanàna. Orimbato fanaovan'ny miaramila fianianana tamin'ny faha-mpanjaka no sandohan'ny sasany tahaka ny hoe fananany manokana na an'ny razambeny ilay tsangambato kelin'ny tanàna. Ny tena mahavariana, nifanandrify tamin'ny andron'ny UNESCO hitodihana amin'ny Vakoka/Mozea indrindra no nanaovan'ilay olona izany fisomparana izany.


Aucun commentaire: