12.5.22

Nateraky ny 13 mey 1972 aho!

 Ary sahiko raisina ho reharehako. Herintaona mahery kely talohan'ny taona 1972 aho no teraka ka fifampitohizan'ny talohan'io vanim-potoana io sy ny taoriany. Taona 1982-1983 no namaliako an-dranomaso voalohany ny raiko satria notereny hianatra teny frantsay kilasy faha-fito any Frantsa aho izay kilasy faha-fito amin'ny sekolim-panjakana eto Madagasikara.

Hoy izy tamiko tamin'izany hoe tsy hahita asa sy ho tafita amin'ny fiainana mihitsy ialahy raha vao tsy mahay teny frantsay. Nitolona tamin'io taona 1972 io anefa izy ary ny 13 mey 1972 mihitsy no tokony hamoahana azy teny Maibahoaka Ivato ho mpiasam-panjakana sy manana ny anjara toerany hiasa hisolo ireo tompon'andraikitra voalohany isa-tanàna maka "congé" any amin'ny faritanin'i Toliary.

Tamin'izany fotoana izany no fanambiko tao anatiko fa tsy voatery mahay teny frantsay vao tafita amin'ny fiainana... fa varavaram-be ihany koa ny teny anglisy sy ny teny malagasy. Fa tsy maintsy novolavolaina amin'ny fianarana ilay teny frantsay aho mandra-pahafeno taona ahy!



Resy lahatra amin'ity resaka (tsindrio eto)ity aho indrindra fa ilay hoe mahay ny ranomasina, ny taniny, ny teniny ary ny tantarany. Ny ranomasina izay niniana noadinoina hatramin'izao fotoana izao! Tsy maintsy manindry ny rohy moa izany satria fandaharana an'olona ilay izy



Aucun commentaire: