Accéder au contenu principal

Orimbaton'Isahafa sa Fasan-dRalambosahafa?

 Ny lahatsoratra manontolo dia nalaina avy amin'ny ranty Facebook navoakako androany zoma 20 mey 2022 ihany. Hisy ny fanamarihana fa hoavy tsikelikely eo ihany. Toa izao ary ny ranty:
_o0o_

 Nilazàna aho hanoratra ireto zavatra manaraka ireto fa efa nandalo tao amin'ny Kaominina ny olona nampanao an'io ka hoe manana taratasin'ny tany.

Voalohany, voamarika ao amin'ny sarintany nentiny (tao amin'ny kaominina) fa fasana io toerana io ary nolazainy fa milevina ao Ralambosahafa, tsy azo andevenam-binanto io fasana io ary tsy misy na iza na iza afaka mikitikitika azy io afa-tsy izy (ilay nandalo tao amin'ny Kaominina) irery ihany.

(Faharoa) Nolazaina ihany koa fa azy koa ny tany andrefan'io toerana (misy kininina) izay noheverina hatramin'izay fa tanim-panjakana io.
Raha nanontaniana hoe aiza izany no misy ilay orimbato nanaovan'ny miaramilan-dRadama fitsitsihana (fianianana) eo amin'ny vavahady atsinanan'Isahafa Atsimo (araka ny fahafantaran'ny maro hatramin'izay) dia hoe tsy fantany sy tsy hitany ny misy an'izany - ary tsy io amin'ny sary io izany...

Fahatelo, tenin'ilay olona nanao ny sokitra tamiko tamin'ny alarobia hoe Sahafa no tena anaran'ity toerana ity fa tsy izany Isahafa izany (tsy fantatro aloha na nolazaina tao amin'ny Kaominina izany nandritra ny resaka tao na tsia) ary avy amin'ny anaran-dRalambosahafa no niavian'ny anaran-toerana.

Manaraka, efa nisy soratra io tsangambato io fa levona ka dia naveriny nosoratana indray. Iza re ny vavolombelona afaka mampahatsiahy an'izay hoe efa nisy soratra izany io?

Fehiny: Miova ny tantara fantatry ny olona teto an-tanàna hatramin'izay.
Fanamarihana: mitodika mianavaratra ny "fafana" fa tsy mitodika mianatsimoandrefana tahaka ny fahita amin'ny fasana rehetra eto Imerina raha tena fasana tokoa ilay izy. Ny sary dia tamin'ny mbola tsy nisy soratra.
_o0o_

Hatreo ny lahatsoratra. Tsy nahatafiditra afa-tsy sary iray aho ka eto no manararaotra mamoaka maromaro! Misy ihany koa ny fanamarihana apetrako: ianareo mpamaky efa mahita fa ataoko sary famantarana ny blaogiko eto ny sarin'ity tsangambato ity, izay no antony voalohany mahatonga ahy nanisy setriny avy hatrany raha vao nitranga ity toe-javatra ity. Avoakako manaraka etoana sary vitsivitsy sy ny mombamomba azy, izaho no naka ny sary rehetra.


Sary nopihana tamin'ny 4 ora 38 minitra tamin'ny andron'ny 3 febroary 2019. Mety ho hitantsika ihany ilay hazo mandondona be eo ambony ankavanana amin'ny sary izay tena eo akaikin'io vatonatsangana io! Hitantsika tsara fa mitodika amin'ny lalana ilay vato. Fanontaniana: manaraka ny firafitra sy ny fitodiky ny fasana fahita eto Imerina ve ilay izy eto?


Sary nopihana tamin'ny 6 ora sy 26 minitra tamin'ny andron'ny 4 febroary 2019. Tokony ho hitantsika avy amin'ireo sary roa navoakako ireo, araka ny aloka hitantsika hoe aiza ny atsinanana ary aiza ny andrefana. Noho izany, tokony ho hitantsika mazava tsara hoe aiza no tokony hisy ny varavaram-pasana. Mahagaga anefa fa tena voabahan'ny tamboho tanteraka izay tokony ho tandrifin'ny varavaram-pasana. Sao dia tsy tokony ho fasana kosa io? Manaraka izany, marihako hatrany fa misy hazo maniry eo ambonin'ny lazaina ho "fasana". Tsy mitovy amin'ny any Eoropa na ny fahita any amin'ny Tandrefana ny fasan'ny eto Imerina na faha-vazimba na faha-andriana. Tsy mihozongozona ve na misy mirodana ny fanambanin'ny toerana raha misy babangoana ao anatiny? Ny lalànan'ny fanorenana fasana ihany koa dia mametraka fa tokony hirefy 2 metatra ny tokotany manodidina azy... Tsy voahaja izany eo amin'ny ilany andrefana (mahatafiditra fiarakely misisika izany 2 metatra izany!)


Ny sary etoana dia tamin'ny mbola tsy nisy soratra. Nilaza ilay olona fa nisy soratra io tamin'ny voalohany fa takona... na levona sa lanin'ny lomotra? Izao no endrika nahitako azy tamin'izaho nahita azy io voalohany indrindra.


Ny sary etoana dia nopihana tamin'ny 1 ora sy 18 minitra tamin'ny alarobia 18 mey 2022. Nanana adiny iray ny mpipai-bato nanoritra io anarana io. Ny taratasy teny an-tanan'ny mpipaika ny vato dia misaraka hoe RALAMBO SAHAFA ny tokony hipetraka teo nefa tsy dia tsikaritra loatra izany.


Nopihana tamin'ny zoma 20 mey 2022 tamin'ny 4 ora sy 37 minitra ny sary etoana. Koa satria tsy mazava tsara ny soratra araka ny hitantsika etsy ambony dia narahana loko izany. 


Ny fantatro hatramin'izay kosa dia avy amin'ireto boky ireto. Voalohany ny nosoratan-dRakotondrasoa Antoine, mpitandrina nandalo teto Isahafa, tamin'ny taona 1980. Nosoratany mazava tsara hoe vatolahy telo no teo fa iray sisa no hita eo amin'ny vavahady eto Isahafa Atsimo (1980).

 

Ny loharanon-torohay faharoa kosa dia nosintonina avy amin'ny bokin-Randriamamonjy Frederic miresaka izany antsoina hoe Orimbato tao (I)Sahafa tamin'ny 15 Adalo 1822 izay raha ampifanandrifiana amin'ny fanisana andro isa lava narahin'ny tao an-dapa dia tamin'ny 06 mey 1822, izany hoe feno 200 taona katroka tamin'ny 06 mey 2022 teo raha arahina indray ny fanisanandro gregoriana.


Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...