25.4.22

Fitantarana hafa nahatonga ny anarana Isahafa!

Androany aho vao nahita sy nahare ity fitantarana iray ity. Tsy azo atao mihitsy ny mitsipaka azy noho ny fisian'ny mety ho fahamarinana ao anatiny. Manaraka izany dia efa tsy naharesy lahatra ahy loatra ny filazana voalohany nahatonga ny anarana ho Isahafa ho teny avy amin'Andrianampoinimerina. Izaho manokana dia azo atao hoe mifanakaiky amin'ny marina ity fitantarana ity raha tsy atao hoe izay no tena marina. Ny antony ilazako hoe mifanakaiky amin'ny marina dia noho ny fitantarana ao amin'ny "Tantara ny Andriana" ihany milaza sahady ny fanononana ny anarana hoe Sahafa raha nafindra monina (natao an-tsesitany) ny Tahiamanangoana avy eny Ambohipeno.


Aucun commentaire: