Avoaka eto fotsiny ho tahiry...
Endrika PDF novàna ho sary! (jereo amin'ny hihy vaovao na nouvel onglet azafady!)
pejy1
pejy2
pejy3
Avoaka eto fotsiny ho tahiry...
Endrika PDF novàna ho sary! (jereo amin'ny hihy vaovao na nouvel onglet azafady!)
pejy1
pejy2
pejy3
Misy zavatra mila soratana kely indray ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena miharo amin'ny fiandrasana ny voka-pifidianana ho solombavambahoaka.
Majorité absolue des🍊donc, mais à quel prix? Libertés fondamentales, intégrité, Etat de droit, équité, transparence des fonds de campagne, redevabilité, institutions indépendantes, sincérité et secret du vote, etc. : les principes démocratiques ont-ils été respectés? #Madagascar pic.twitter.com/fCsouVpxXd
Mazava loatra fa nanana ny akony manokana ny tao Faratsiho, saingy iny toe-javatra iny indray no nentina nanakonana ny fivadiham-bokatra tany amin'ny faritra hafa ka nanjary nahazoan'ny IRMAR ny maro an'isa mihoatra ny atsasa-manila.
Saingy tsy izay no mahamaika ahy hanoratra fa mba te-hampita ireto resaka tao amin'ny media sosialy ireto. Nalaza indrindra ny tsi-fetezan'ny hiram-pirenena nandritra ny fanaovana ny matson'ny 26 jona 2024.
Fa ny omalin'io tsy mbola tsikaritry ny maro loatra ilay fivadihan'ny loko tamin'ilay tsangambato fahatsiarovana ireo Malagasy maty ho an'i Lafrantsa nandritra ireo ady lehibe roa tao Eoropa etsy Anosy.
Nisy nilaza moa fa tsy dia nahovoka loatra ny afomanga tao Anosy noho ny erika, lazaina fa vonton'erika ka tsy nirefotra. Soa fa nisy ny "Show Drone" mahavariana ny maso.
---
Dia farany ny nosoratako tao amin'ny Facebook tsy te-hilaza zavatra maro loatra.
Lohateny lava: Na ny mody ho namana no tena fahavalo manakana ny fandresena
Mety ho maromaro ihany ianareo no mahatsikaritra fa tsy dia te-hiresaka politika intsony aho. Anjotra aho no kamo satria tamim-pahatezerana no nilazako fa tsy hiara-mirevy amin'ny mpanohitra intsony. Fa mijanona ho anjotra izany.
Matetika rehefa manoratra aho, dia amin'ny farany vao tadiavina ny tena lohateny tsara apetraka amin'ny ranty tahaka itony. Satria rehefa vita ny soratra vao hita ny zavatra tsara itarihana ny mpamaky hamantarany sahady izay tokony ho votoatin'ny lahatsoratra. Tiako kosa eto ny hanohy indray ny resaka politika nosoratana farany taty amin'ny blaogy.
Nosoratako tamin'ireo ranty blaogy politika roa farany fa misy mifamingana ny samy mpitarika tao amin'ny kôlektifan'ny kandidà, ary olona iray no tena natao izay hanakanana azy tsy handray anjara fifidianana dia i Marc Ravalomanana. Mbola manana ny toerany ilay rangahy ka fomba iray miara-droa no namelezana azy: avy ety ivelany amin'ny famelezan'ny mpitandro filaminana azy sy avy ao anatiny izay ifanaovan-dry zareo samy kandidà mpitarika ao tamin'izany fotoana izany. Mody nanao fandrahonana sy fampihorohoroana ny mpitondra ary mody mamelona tahotra sy manao izay hilaminana anaty "tsy mila gidragidra" kosa ireo mpitarika ao amin'ny fanoherana (vondron'ny kandidà folo) tamin'izany fotoana izany.
Rehefa nandeha ny fotoana dia nizara roa mazava tsara ireo kandidà folo tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena. Isika tsy mahalala izay nahatonga io fivakisana io fa ny naseho antsika dia hoe samy manana ny paikadiny ireto vovonana samy milaza ho mpanohitra ireto. Fa ankoatra izay mety ho hevitry ny tsirairay any dia ny hevitro sy ny eritreritro no nosoratako; niainga avy amin'ny zavatra hita taty am-bala no mivoaka eto; tsy voatery ho marina fa mila tsakotsakoina. Ny vovonana iray nantsoina hoe "Firaisankina (Madagasikara an'ny Malagasy) ary ny vovonana faharoa kosa nantsoina hoe "Kôlektifan'ny Malagasy".
Raha tombanana dia vonona kokoa ho amin'ny fifidianana depiote ny ao amin'ny vovonana "Firaisankina" ary etsy ankilany sy amin'ny ankapobeny kosa dia ny kandidà filoha teo aloha ihany no nirotsaka indray ho depiote ny ao amin'ny "Kôlektifa". Raha ny eo amin'ny samy mpanohitra, ny Firaisankina no manana isan'ny kandidà maro kokoa ary akaiky kokoa amin'ny fahazoana fandresena ao amin'ny Antenimiera miohatra amin'ny Kôlektifa. Ety ivelany no lazaina fa tsy mifanenjika na tsy mifanaratsy ireo vovonana roa ireo, fa rehefa notodihana kosa izay niainana teo dia ireo no tena "mifamely am-pitaka".
Raha ny taty Avaradrano manokana no lazaina, tamin'izay niainako sy tsikaritro, dia ny tao amin'ny Kôlektifa no nanao izay hampisara-bazana na hampizara ny vaton'ny samy mpanohitra ka lasa nanalavitra ny fahazoana poa-droa ho an'ny fanoherana fa dia lasa nifampizara samy mahazo depiote iray aloha amin'izao ny mpanohitra sy ny mpitondra. Raha tsy nandrotsaka kandidà anefa ny kôlektifa dia tena azo nosainina tsara ny mety ho nahazoan'ny Firaisankina toerana roa avy hatrany, raha ny isambato no jerena.
Inona izany no lesoka? Raha tsy nisy paika manokana tany ambadika tany dia ny fitiavantena no nanimba ny vaton'ny mpanohitra, tsy nahay nanetry tena ihany koa ka mahasanganehana ny mpifidy ary mbola hita ny tsy fahavitrihan'ny mpifidy satria tsy araka ny nantenaina ny isan'ny olona nandrotsa-bato. Mazava tsara ny hevitr'ireo tsy mbola voaentana tsy hifidy dia ny fahazoana fanazavana amin'ny hoe naninona no tsy nifidy tamin'ny fifidianana filohampirenena fa mampifidy indray amin'ny solombavambahoaka? Moa ve dia midika izany fa hiara-hiasa amin'ilay filoha izay tsy nekena ny maha-ara-dalàna azy indray ny mpanohitra? Mbola tsy nahazoana valiny mazava ankoatra ny hoe ifehezana ny mpitondra sy hahazoana ny governemanta no anton'izany mba tsy hanjakazaka ny laoranjy.
Raha ny tsikaritra taty Avaradrano, nanao izay hisintonana ampaha-mpitarika avy ao amin'ny Firaisankina nisian'olana ny tao amin'ny Kôlektifa. Mody ataoko hoe siosio fa tsy azo tsinontsinoavina, ny Firaisankina indray no nanaovana angaredona ankolaka, ary mpanohana mafana fo loatra angamba, avy ao amin'ny Kôlektifa sy avy amin'ny nesorina tsy ho kandidàn'ny Firaisankina no tena mpandrovitra afisin'ny Firaisankina. Ary misy ihany koa ireo tezitra angaha sa ahoana, mamaly bontana ny sasany ka mandrovitra ny afisin'ny Kôlektifa ihany koa. Nisy ny tratranay nandrovitra afisy fa olona "sahirana" anie izany rey olona e! Tena entim-pankahalàna tsotra izao.
Izaho kosa tsy nandrovitra afisin'olona na iza na iza fa mametaka indray hatrany ny afisin'ny Firaisankina amin'ireo toerana nandrovitan'ny sasany. Mila ho isan'andro no mamerina mametaka. Raha misy angamba ny manara-maso dia mety ho mihevitra hoe lasa adala ve sa tsy mba reraka fa afisy sasatry ny rovitina io mbola averina hatrany. Tsy misy karama, tompoko, ny fanaovako izany fametahana afisy izany fa dia entina hanehoana hoe izahay tsy sasatry ny maneho na dia rovitina aza izany.
Manaraka izany, misy lafiny tsy itoviako hevitra amin'ny kandidàn'ny Firaisankina, indrindra eo amin'ny lafiny kaominina misy ahy, saingy tsy nataoko ho sakana anohanana ny Firaisankina izany satria i Madagasikara no banjinina sady olona manana ny maha-izy azy ihany ilay kandidà no sady maharesy lahatra olona kokoa amin'ny fahaiza-mitarika. Midika izany fa tena nampandeferiko ny hambom-poko manoloana ny fanamby goavana hampandresena ny vovonan'ny mpanohitra matotra indrindra amin'ny fahazoana ny fahefana.
Fahadisoana goavana ny nataon'ny Kôlektifa nanolotra kandidà teto Avaradrano raha tsy hoe tena tsinjony fa izy no hahazo ny poa-droa fa tsy ny Firaisankina. Fahadisoana goavana izany ilay mieritreritra hoe aleo atao izay hahazoana ny toerana iray amin'ilay toerana roa ho an'Avaradrano. Nahalikiliky ireo mpanohana ny Firaisankina ihany koa ny nataon'ny mpanohana ny kolektifa tamin'ny tambajotra sosialy satria ny mpanohitra mitovy aminy ihany no tena norangitiny hisian'ny fifamaliana, lasa mampiditra eritreritra hoe toa ny Kôlektifa indray no tena namingana ny Firaisankina ka ihomehezan'ny mpanohana ny fitondrana fotsiny.
Mifarana ny fanentanam-pifidianana depiote eto Madagasikara. Kihondalana, na heverina ho kihon-dalana eo amin'ny zotram-pandrosoan'i Madagasikara eo amin'ny tantara indray ity fotoana amin'ny alarobia 27 mey 2024.
Ao anatin'izany dia fomba fiteny diplômatika no itarafana ny fanahiana izay manjary toa ny itenitenenako foana. Fomba fiteny diplômatika ny hoe maniry fifidianana tony sy milamina izahay, midika izany fa misy fanahiana zavatra mifanohitra amin'izany faniriana izany mety hitranga, ary misy mihitsy aza vondron'olona efa mivonona ny hanely korontana ary efa manao izany ary tsy mifidy hoe ao an-drenivohitra anie be ny mahita fa dia ataony foana io.
Ny faniriako dia ny handraisan'ny tompon'andraikitra mahafantatra ny andraikiny izany hisoroka izay rehetra manohintohina ny filaminam-pirenena anaty fifidianana mba hanekena ny safidin'ny maro an'isa. Faniriako mba hivoaka tokoa ny safidim-bahoaka tsy misy halabato.
Ataoko fa mahay mamaky teny avokoa ianareo rehetra amin'izay nosoratako.
Dieny mialoha aho no manoratra fa rehefa manao ny tsy mety ny olona iray, nefa vahiny lazaina ho mizaka ny zom-pirenena malagasy izy dia vahiny ihany eo anatrehan'ny fiaraha-monina ary vahiny mitady hanjakazaka amin'ny malagasy amin-kafetsena.
Tena lasa anjakazakam-bahiny mihitsy ve i Madagasikara amin'izao fotoana izao? Vao tsy ela isika no nitantaràna ny tany iray ao Bemahatazana Sabotsy Namehana, nisy nangalatra ny kadasitry ny tany dia migadra ny mpangalatra nivarotra ilay tany fa ilay mpividy kosa tsy voakitikitika mihitsy satria "vahiny" Karana mpanambola malaza ary "taratasy ara-dalàna" no nividianany azy. Dia io "vahiny" io indray no nivarotra tamin'ny "vahiny" hafa, tsy mitovy fiaviana aminy fa samy Aziatika, Shinoa ilay vahiny iray faharoa ary lazaina ho mizaka zom-pirenena malagasy.
Izay mahatsikaritra ny vaovao fanadihadiana dia mahita fa mikirakira finday ilay shinoa iresahana amin'ny mpisolovavany, izany hoe tsy mbola mahafehy ny teny malagasy na teny frantsay izany izy fa mety ho ny "google translate" no miasa be. Trano maro no narodana satria izay no tian'ilay tompontany vaovao atao, hanaovany fanorenana angamba. Izay moa no fandehan'ny raharaham-pitsarana dia izay no izy amintsika amin'izao fotoana izao na dia tsy rariny aza izany toe-javatra izany.
Tsy mandingana herinandro akory dia mivoaka indray ity toe-javatra any amin'ny toerana ambanivohitra antsoina hoe Soahonenana ao amin'ny Kaominina Merimandroso (tokony Imerimandroso no izy fa dia izay moa no mihatra izao!). Notapahan'ny vazaha frantsay lazaina fa mizaka ny zom-pirenena malagasy ny lalam-bahoaka miditra ny tanàna azon'ny fiara andehanana satria ao anatin'ny taniny hoe io lalana io. Mila hohamarinina tsara fa tsy dia azoko loatra fa toa ilay tanàna mihitsy (noho ny tsy fahaizan'ny olona mampita ny vaovao?) no lazainy fa azy ka nametrahana io karazana vavahadim-pandoavam-bola na "portique de péage" io rehefa dinihina amin'ny sary.
Amin'ity raharaha ity, tena mihetsika am-pilaminana ny olona, efa nanatontosa fitoriana teny amin'ny fitsarana ihany koa fa resy. Izay no fetran'ny tsy fampiasana herisetra azo ampiharina, fa azo atao ihany koa ny fihetsika tsy misy herisetra hafa toy ny mibahana ny lalana mankao aminy ihany koa na anoloana na ambadika satria ilay nataon'ilay vazaha ihany no ampiharina aminy, fa hahasahy ve ny olona? Eo amin'ny faritra ny tany tsy azy no hanaovana izany satria efa tsy lalam-bahoaka intsony izany io fa tadiaviny ho azy irery.
Ny fihetsiky ny Malagasy maharikoriko
Amin'ireo raharaha roa ireo dia misy fihetsika na fisaina tena maharikoriko ahy ataon'ny mpiray tanindrazana. Voalohany amin'izany dia ny fanesoana hoe nihetsika izahay teo hoe tsy mila vazaha nakorainareo ka iareto ao ny anareo. Na manao ihany koa hoe efa vazaha no nofidinareo ka anareo ihany io. Toa mampihevitra avy hatrany fa nifidy ireo olona ireo ary nifidy ny mpitondra ankehitriny. Na hoe izahay tsy hitolona ho anareo fa ianareo tsy nanampy anay tamin'ny tolona nataonay. Tena very tanteraka ny fihavanana malagasy sy ny fifampitsinjovan'ny mpiray tanindrazana. Adinon'ireo mpiteny sy mpihevitra izany ve ilay fitenenana hoe "mitohy ny tolona"? Moa tsy ny tahaka izao no anaovana tolona ho tombontsoan'ny besinimaro?
Ny fisaina na fihetsika faharoa tena maharikoriko dia ny fitanilàna avy hatrany any amin'ilay vahiny satria tsy hanaotao foana mihitsy ireo vahiny ireo fa misaina fa ny malagasy no dondrona sy vendrana. Mety ho marina ny vahiny eo amin'ny porofo ara-taratasy fa natao mandeha ila ny fampiharan-dalàna, teto izao tsy noraharahina mihitsy ny "servitude de passage" fa mandehana any an-tanimbary raha handeha. Toa heverina avy hatrany fa tsy afa-mampiasa bisikileta sy sarety ary fiara sy môtô ny malagasy fa tadiaviny ho izy ihany no mampiasa ilay lalana (izay no nahatonga ny hevitro etsy ambony). Sa ve hoe ambanivohitra izany toerana izany ka tsy idiranay lalina fa efa azy ny tany? Aleo hatreo ny soratra aloha!
Nalaza androany 22 febroary 2024 tao amin'ny media sosialy ny fandrodanana trano maromaro tao Bemahatazana Antsofinondry, miaraka amin'ny kaominina Sabotsy-Namehana. Efa hatry ny ela no nalaza ity raharaha ity. Raisina ho ohatra amin'izany ny nosoratan'ny mpanao gazety efa nodimandry Ony Rambelo tamin'ny 26 oktobra 2017 tamin'ny 07:18 maraina. Nolazainy fa hafatra avy amin'i Gege Rasamoely tamin'izany fotoana izany io nampitainy io: Nofefen'ny orinasa mbola tsy hita vatana antsoina hoe Meji, saingy fantatra fa Shinoa ny tanindrazany rehefa nolazaina fa novidiny tamin'i Rajabaly Emiraly sy ny société Tricomad izany tany izany.
Tany novidiana tamin'ny taona 1910, fa nisy nangalatra ny kadasitra ny tany tamin'ny taona 1973. Efa nanomboka tamin'izany no nandeha ny ady tany amin'ny tribonaly ary nampigadra ilay mpangala-tany, izay namorona anarana hitovy amin'izay voasoratra teo amin'ny kadasitra. Novidin-dRajabali izany ary voafindra tamin'ny anarany ny tany, araka ny nolazain'ny tompon'ny tany voalohany ihany. Herintaona taorian'izany no namarotany azy amin'ilay société MEJI. Io farany io no nampaniraka zandary 40 mahery sy namefy ny tany tamin'ny boirons sy planches.
Niantso vonjy tamin'ny mpiray tanindrazany aminy i Gégé Rasamoely saingy tsy hay hoe ahoana no hanavotana azy amin'ity raharaha ity. Raha ny hevitr'ireo namoaka ny tao an-tsainy dia tokony ho mpiray tsikombakomba amin'ny mpivarotra ny tany ny mpividy ny tany, toy ny mpangalatra ihany izany rehefa halatra no nahazoana azy tamin'ny voalohany. Saingy noho ny vola sy ny harena ve fa nandeha sy niova tompo sy anarana ihany ny kadasitra. Ao anatin'izany rehetra izany dia mimenomenona amin'ny Facebook ihany no ataon-dRamalagasy... fa misy dia misy ny miaro ny mpividy ny tany sy milaza fa izany manana ny taratasy no tompony ara-dalàna.
Tsy ela taorian'ny hetsika nataon'ny fokonolona tamin'ny 29 desambra 2023, izay niantsoana mpanao gazety ilazana ny toe-draharaha dia tonga tany am-pototsofin'ny filoham-pirenena ny raharaha satria... nampidirin'ny sasany amin'ny tsy izy tao ny reniny ka nahatohina azy mafy!
Satria nihevitra ireo mpanodina tany fa raha misy anarana na sata voatonona dia hatahotra ny fokonolona. Tratra tamin'ny haingony anefa satria nikitika ny tsi-fikitika, tsy ilay resaka tany loatra no antom-pisamborana azy voalohany fa noho ny fihamboana raha jerena amin'ny fomba nitenenan'ny tompon'andraikitra azy.
Ny SEG (secretaire d'Etat à la Gendarmerie) no nirahin'ny Filoha hanao ny fanadihadiana momba ilay raharahan-tanin'olon-tsotra sy tanim-panjakana angatahana dia hamidy avy eo (izay fahadisoana iray hafa ihany koa). Ny alin'ny Asabotsy hifoha Alahady no tonga tao amin'ny sefo fokontany ny zandary milaza fa ho tonga hanao famotorana amin'ilay raharaha ny minisitra ny alahady maraina amin'ny valo. Tsy fantatra mazava tamin'io fotoana io ilay hoe iza ilay minisitra na solontenan'ny prezidansa! fa dia asaina ho tonga fotsiny ny fokonolona.
Ny Alahady maraina amin'ny fito ny tao amin'ny komitin'ny tany no niezaka nitety ny isam-baravarana hanentana ny olona ho tonga amin'ilay "fihaonana amin'ny minisitra na ny ao amin'ny prezidansa". Nasaina ho tonga amin'izany ihany koa ny ao amin'ny Kaominina raha ny fahazoan-dresaka.
Amin'ny valo sy sasany mahery tany ho any vao tonga ireo delegasiona nahitana ireo zandary mandeha amin'ny pick-up miisa efatra miampy ny fiara nitondra ny SEG ary notarihan'ny Kly Tojo sy Kly Faneva isany sy ny avy ao amin'ny polisim-pirenena misahana ny famotorana nandeha fiara iray ary ireo nandeha kodiaran-droa.
Heverina fa ny fahatongavan-dry zareo dia ny hanamarina hoe manana taratasy ara-dalàna tokoa ve ny tompon-tany eto an-toerana sy hijery ireo raharahan-tany hafa noresahan'ny mponina nandritra ilay hetsika niantsoana ny mpanao gazety. Ny tsikaritra aloha dia ny fiangonana no nirava talohan'ny famotorana savaranonando nifanaovana tao amin'ny efitra iray tao amin'ny EPP teto Isahafa.
Ny vaovao hita farany moa dia ny nilazan'ny gazety iray fa nisy ramatoa iray tompon'andraiki-panjakana nosamborina sy olona iray hafa mandrindra ny antoko TGV any Anjozorobe any samy lohandohany amin'ny raharaha masiso ity araka ny nolazain'ny gazety Basy Vava tao amin'ny kaonty Facebook.
Misy mbola tsy voatantara ny teo anelanelany teo. Ny alahady 17 desambra 2023 maraina dia nisy nahatsikaritra ny fiaran'ny zandary nijanona amoron'arabe somary manoloana ny kianja lehibe fantatra eto Isahafa ary somary eo avaratra atsinanan'ny sekolim-panjakana (EPP) eto Isahafa.
Afaka kelikely, indreto ry zalahy nodidiana nandrefy tany fa miaraka amin'ny shinoa manondrotondro ilay tanin'olona nisy olon-kafa milaza ho tompony, izany hoe raha jerena dia miezaka mivarotra ilay tany amin'io shinoa io ry zalahy sa ve hoe io fa efa vita refy tsara ilay tany?
Voatery nanatona sy niresaka tamin'ny zandary tao anatin'ilay fiara voalaza tetsy ambony ny prezidàn'ny fokontany sy olona vitsy manontany ny antony itondrany mpividy tany eto amin'ny toerana efa fantatra fa ifandirana tsy fantatra mazava izay tena tompony. Namaly anefa ireo fa efa naheno "renseignements" ny amin'izay zavatra izay hitranga androtr'io. Ny olona kosa anefa mihevitra fa nirahina teo ireo hiambina an-dry zalahy iretsy sy hiditra an-tsehatra raha sanatria misy ny fifampikasihan-tanana.
Nandritra izany fotoana izany anefa, hay teo atsimon'ny kianja lehibe ry zalahy nandrefy tany no nitoby nitondra fiara roa sy moto efatra tany ho any. Ankevitry ny efa vita ny resaka tamin'ilay shinoa matoa niainga ry zalahy. Nohararaotin'ny prezidàn'ny fokontany io fotoana io mba hanazavan'ireto zandary ireto amin'ny fokonolona izay hivory ny hariva ny anjara asany marina ao anatin'ity raharaha ity. Tsy nanaiky izany loatra moa ry zareo.
Ny atoandro dia niverina nankao amin'ny prezidà indray ireo zandary voalaza etsy ambony iretsy niangavy taminy hanafoana ilay fivoriam-pokonolona amin'ny resaka tany. Somary nahagaga ihany ilay fangatahana fa rehefa nanontaniana ny antony dia hoe sao dia hikorontana ao ianareo dia ho lasa fanohintohinana ny filaminam-bahoaka no hitranga ary azo atao ny fisamborana amin'izay fotoana izay. Tsy nekena moa izay fiangaviana izay fa ny natao dia ny namindra ny toeram-pivoriana mahazatra teo aloha ho lasa ao amin'ny tokotany filalaovan'ny mpianatra ao amin'ny EPP satria lasa tafiditra tao anaty tany nofaritan'ireo nandrefy tany izany toeram-pivorian'ny fokonolona izany.
Notanterahana ny fivoriana izay resaka tany rehetra eto Isahafa no lohahevitra voalohany, resaka lalana mampitohy an'Isahafa amin'i Lazaina no lohahevitra faharoa ary ny resaka fandriampahalemana no fahatelo.
Nisy ary ny paika (tsiambaratelo) hotanterahana amin'ny fomba hanohizana ny tolona fiarovana ny tany eto Isahafa. Nifanao tora-po manko ny olona fa matoa tontosa izao zavatra izao dia misy amin'ny fokonolona no niray tsikombakomba tamin'iretsy vahiny mpamabo iretsy. Nanjary tafavoaka fa tsy afaka ny hifampatoky intsony ka tsy maintsy singanina ny olona hanatontosa izay tokony atao fa antsoina ihany ny daholobe rehefa misy ny ilàna izany.
Paika notanterahana ary ny handrefesana ny tanin'ny EPP araka ny laharana parcelle mifanaraka aminy, satria hafahafa ihany ilay hoe tafiditra ao anatin'ny faritra noraofin'ilay olona mpamabo ny biraom-pokontany sy ny efitra iray an'ny sekoly ary ny tranompokonolona navadika ho sehatra fanaovana lanonana.
Notanterahana tokoa izany ny herinandro nanaraka an'io ihany ary tsikaritra tao fa tena nisy ilay fihoarana tamin'ny fandrefesana (tamin'ny decametre fa tsy fandrefesan'ny topographe manara-penitra) nataon'iretsy mpamabo. Nisy ny "huissier de justice" nandrakitra an-tsoratra izany zava-nitranga izany.
Tamin'ny alin'ny 24 desambra mankany amin'ny 25 desambra nisy nanala an-tsokosoko ny "piquets" hazo porofon'ny fihoarana. Efa nifameperana tamin'ny fokonolona mazava anefa ny tsy hanalana ireo piquets ireo mihitsy satria porofon'ny zavatra tsy ara-dalàna natao ireo. Noho izany, izay manahy ny amin'ny zavatra mety hamandrika azy no hanala azy ireny fa tsy ny fokonolona na oviana na oviana.
Dia mitohy amin'ity fiantsoana ny mpanao gazety ity ny raharaha amin'izao fotoana izao.
Mety ho be ny tsy mahazo tsara ny resaka nefa tsy maintsy soratana ihany. Tsy maintsy efa nandalo ny mason'ny mpamaky eto ihany ny resaka raharahan-tany mitranga eto amin'ny tanàna ipetrahako. Hatramin'izay dia tanim-panjakana sisa tavela eto Isahafa no noezahan'ny olona narovana fa tamin'ity indray mitoraka ity kosa dia tanin'olontsotra no niharan'ny fangalarana. Iharan'ny fangalarana, hoy aho, satria voafindrany ho amin'ny anarany ny tanin'olona efa misoratra amin'ny razambeny (olona niaviany).
Filazana fivarotana tany efa nipoitra ela (19 oktobra 2023 sy 2 novambra 2023) no tsipalotry ny tompon'ny tany tampoka tamin'ny 20 novambra 2023 fa misy mivarotra ny taniny. Nanaovany "photocopie" ireo filazana ireo ary nanaovany fanakanana teny amin'ny (prezidàn'ny) fokontany ihany koa. Tonga ny tamin'ny alarobia 22 novambra 2023 dia nisy olona nanatitra taratasy tao amin'ny prezidàn'ny fokontany fa hanaovana "délimitation" ny tany izay vao nanaovana ilay fitsipahana indrindra ary ny alakamisy amin'ny fito ora maraina no hanaovana izany "délimitation" izany. Nifamotoana hanatrika izany "délimitation" izany sy hanao fanakanana miaraka amin'ny prezidàn'ny fokontany sy ny tompon'ny tany fantatry ny olona eto an-toerana ny fokonolona.
Rehefa tonga ny fotoana dia tsy tonga akory ireo olona milaza handrefy ny tany. Niandry ihany ny rehetra fandrao mba tara kely ireo olona handrefy tany. Ela ny ela tsy nety tonga ary dia nanao fitanana an-tsoratra ny prezidàn'ny fokontany milaza ny tsy-fahatongavan'ireo olona milaza handrefy ny tany. Vao vita anefa izany ary rehefa niparitaka ny olona dia niantso ny prezidàn'ny fokontany indray ireo olona, izay tsy nety nandray antso nandritra ny fiandrasana azy ireo, fa efa an-dalana ny ho tonga ry zareo. Na dia nandà noho ny fotoana nifandiso aza ny prezidà dia nolazain-dry zareo fa tsy maintsy hovitainy foana ny fanaovana io fandrefesan-tany io na tsy hanatrika eo aza izy.
Dia tonga tokoa ry zareo fa tsy nijanona teo amin'ny tokony ijanonany fa mbola nijanona tany amin'ny toerana manavia olona ny fiara sy ny scooter nitondra an-dry zareo. Nanatonan'ny prezidà teo amin'ny toerana nijanonany ka nilazany fa eny akaikin'ny fiantsonan'ny fiara fitaterana rehefa maraina no tokony hanaovana ny dinika hanontaniana hoe efa am-pelatanan-dry zareo tokoa ve ny taratasy milaza fa an-dry zareo ny tany. Fangatahana fihaonana eny amin'ny biraom-pokontany no namalian-izy roalahy ny resaka ifampidinihan'ny tompon-tany tena izy fantatry ny fokonolona sy ny tompon-tany vaovao tsy fantatry ny fokonolona. Notanterahana tokoa izany. Marihina fa efa atoandro mitataovovonana izany fotoana izany ary manafina endrika araka izay azony natao ireto mirahalahy miseho hifandamina amin'ny eto an-toerana ireto. Efa nihamaro indray ny fokonolona tonga tamin'io fotoana io.
Mandritra izany fotoana toa fandaniam-potoana izany dia nisy fiara raitra tsy mataho-dalana roa tonga eo amin'ny tany horefesina. Raha nahare izany ireo olona izay miandry eo akaikin'ny biraom-pokontany manara-maso ny fihaonana izay zary noheverina ho "diversion" tsy hahitana ny fahatongavan'ireo fiara raitra tsy mataho-dalana ireo dia nizotra nankeny indray. Vao nahita ny firodorodon'ny olona anefa ry zareo dia niala ny toerana ny fiara roa fa ny iray ihany sy izay olona tao anatiny no mbola nijanona teo ary nifampiresaka tamin'ny prezidàn'ny fokontany ilazana fa efa tany ifandirana ilay tany ijoroan-dry zareo ary tsy manaiky ny hivarotana azy ny tompony.
Rehefa nisy ny resaka elaela dia lasa daholo ireo heverina ho saika hividy ny tany sy ireo saika handrefy ny tany. Nony tonga anefa ny tamin'ny roa sy sasany tany ho any dia nanao tampody fohy indray ry zareo manaron-tava miaraka amin'ny olona hafa milaza fa efa azy ny tany ary tonga dia nametaka piquets avy hatrany. Namelona fanairana ihany koa ny teo akaiky hivorian'ny fokonolona ary tonga tokoa ny fokonolona. Nantsoina ny prezidan'ny fokontany ary tonga ihany ary gaga nahita fa mbola ry zalahy tamin'ny maraina indray ireto tonga eto ireto. Nambaran'ny prezidà fa efa nifanarahana anie ny tsy hikitihana ny tany koa maninona no mbola niverina indray. Dia velona tao indray ny don-tany sy kapo-tandroka amoahana ny taratasin-tany nefa tsy nisy taratasin-dany nipoitra mihitsy nandritra izany fotoana izany. Nody maina indray ireto olona ireto ny hariva.
Hodinganina avy hatrany ny tantara. Tonga ny alatsinainy, nanatitra taratasy tao amin'ny prezidàn'ny fokontany ny zandary avy ao Sabotsy-Namehana. Nampiantso olona ho tonga any amin-dry zareo noho ny fitorian'ny olona milaza ho nahazo fandrahonana ho faty, niharan'ny herisetra sy ny hetraketraky ny fokonolona. Raha ny taratasy dia tena fisamborana avy hatrany no anaovana ny olona ao anaty taratasy saingy noho ny mahatafiditra ny prezidàn'ny fokontany no nampihemotra ny lehiben'ny borigadin'ny zandarimaria tsy hanao izany fa ho amin'ny fampiantsoana ihany. Voatery nivezivezy teny ireo olona voantso ary naka vavolombelona avy amin'ny fokonolona hanamarina fa tsy nanao izany fiampangana izany ireto olona nampanantsoina ireto.
Rehefa tonga ary ny fandehanana teny amin'ny fampanoavana ao amin'ny Fitsarana Anosy-Antananarivo renivohitra araka ny dosie 224/11-des-2023 (SABNAM) tamin'ny 12 desambra 2023 dia "classé sans suite" izany satria tsy misy ny procuration mazava avy amin'ny milaza ho tompon'ny tany ho an'ilay milaza ho solontenany izay mpitory fa taratasy tsy misy lanjany no nomeny ny mpanao famotorana. Gaga ny olona ny 13 desambra tolakandro fa tonga indray ireto mpandrefy tany miaraka amin'ny zandarin'ny SABNAM ka vitany soa aman-tsara ny fametahana piquets satria tsy mety tratra antso ny tompon'ny tany eto an-toerana izany niakatra tany Antananarivo ka tsy hitan'ny fokonolona izay tokony atao. Dia andrasana izay ho tohin'ity raharaha ity.
Eny, tsy ny mpitondra tokoa no hokianiko eto fa ny mpanohitra, na ireo milaza tena ho mpitarika ao amin'ny fanoherana eto Madagasikara. Mitendry milina indray noho ny fahatezerana, tezitra satria mahatsiaro ho voafitaka, mahatsiaro hoe hay tena kely hery sy katahotra izaitratra ireto mpitarika ao amin'ny fanoherana ireto.
Satria henoko fa hoe tsy hanao na inona na inona, hono, ianareo mandritra ny fianianan'i Andry Rajoelina amin'ny 16 desambra 2023 fa aorian'izay vao mitohy ny tolona. Dia hoy aho hoe mba tahaka ny ahoana tokoa moa ny hevitra ao ambadik'izany toe-javatra mahasanganehana izany? Lasa mieritreritra fa tena misy mpamadika sy manao izay tsy hahombiazan'ny fanoherana eto Madagasikara mihitsy ao amin'ny lohandohany ao ary manao izay hampanjaka tokana ny mpitondra amin'izao fotoana nanao sarintsarim-pifidianana.
Mbola nofitahanareo indray ilay vahoaka, satria tsy nandeha nifidy izahay tamin'ny 16 novambra 2023, ao anatin'ny fanantenana fa efa manana tetika matipaika ianareo hampandamoka iny fifidianana iny. Kanjo nangina sy ankona tanteraka ianareo, dia voatery noraisina indray ilay "namadika" anareo. Kanjo izay fandraisana ny efa nesorina izay no vao maika nampisara-bazana sy tsy nahitana anareo nitambatra intsony fa dia notenenina hoe samia manao izay endrika fanoherana mety aminareo avy. Inona no fanoherana vanona anaty fisaratsarahana?
Midika izany fa resy tanteraka ianareo ary tao aminareo tao ihany no namingana nahatonga izany faharesena tsy niady izany. Tao aminareo ihany, niarahana tsikombakomba tamin'ny mpitondra tamin'ny fanakatsakanana mivantana, no tsy nandraisanareo anjara mihitsy tamin'ny fifidianana satria misy olona tsy tianareo ho lany na voatery iarahanareo manohana amin'ny fihodinana faharoa, efa tsy tianareo izay toe-javatra izay fa aleo Rajoelina ihany ho an'ireo namadika ireo no mitondra.
Izahay anefa efa vonona hanatontosa izay noteneninareo ary notanterahanay tokoa ny baikonareo. Notontosainay izay efa noheverinay ho andraikitra teo amin'ny sehatra nisy anay. Nahariharinay fa 28% ny taham-pandraisana anjara taty amin'ny kaominina nisy anay tamin'iny fifidianana iny satria tsy manana na inona na inona tokony hataonay tamin'iny andro iny ianareo. Efa nifamepetra koa naninona izahay no ilaozanareo samirery mandraka ankehitriny?
Dia indro indray fa nataonareo miandry vasoka ireo olona efa vonona ny hirevy, efa vonona ny hanao fety. Nekenay ny nimpirimpirina tany an-trano ho an'izay tsy niomana ho eny amin'ny biraom-pifidianana. Nekenay ny nanara-maso ny teny amin'ny biraom-pifidianana ho anay izay efa nifanaraka amin'izay ho ataonay. Fa tena tsy laitra kosa ity tsy hifety amin'ny androm-pianianana ity. Tadiavinareo porofoina amin'izao tontolo izao fa tsy misy intsony izany fanoherana izany amin'io 16 desambra 2023 io?
Mba fantatrareo ve fa telo andro monja raha be ny fiomanan'ny olona, ny eritreritra niraisan'ny olona tsy nisy nifampiresaka akory hoe amin'ny androm-pianianana 21 marsa 2009 no hankanesana eny amin'ny "kianjan'ny demaokrasia" natsangan'ilay nanongam-panjakana? Fantatrareo ve fa na vitsy aza ireo, dia ireo no nivonona hampiseho amin'izao tontolo izao fa misy ny manohitra ny fanonganam-panjakana. Fantatrareo ve fa noho io tolona tsy nisy fifampitaomana ampahibemaso io no sarotra ho an'ny mpitondra tamin'izany fotoana izany ny nahazoany fankatoavana? Sa heverinareo fa ny fifampiresahana tamin'ny iraisampirenena tamin'izany fotoana izany no nampitarazoka ny tetezamita tamin'izany?
Efa hifarana ity ny taona ary fety lehibe misesisesy izany faran'ny taona izany. Aza avela hifety samirery ny mpanohana an'i Andry Rajoelina fa mba vorio hifety koa ireo mpanohitra sy tsy manaiky ny fitondrany. Sa izay mihitsy ilay tanjonareo hoe avela hifety eny Mahamasina avokoa ny mpanohana sy ny mpanohitra? Dia mody lazaina fa tsy hanao na inona na inona ianareo amin'io fotoana io? Eny ary e, izay no tianareo dia hifety tokoa izahay... Fa aza miantsoantso anay hilaza hanohy ny tolona intsony rehefa tsy hampirevy anay ianareo amin'io andron'ny 16 desambra io fa tsy miara-dia intsony isika. Raha mbola tsy mazava aminareo io lazaiko io dia tsy haiko intsony. Bye! Dia mba tany amin'izay!