Samy nahitana ny hetsiky ny "Gen Z" na ireo tanora efa teraka tao anatin'ny fipoiran'ny aterineto ireo firenena voatonona ireo. Firenena ao anatin'ny Kaontinanta Aziatika sy ireo nosy any Azia Atsimo-Atsinanana. Tonga amin'ilay filaza hoe "Tsy manaiky lembenana". Manana ny hery manova ny fanapahan-kevitry ny mpitondra rehefa nihetsika.
Nampisy fiovam-pitondrana tamin'ny firenena telo voatonona voalohany amin'ireo notanisaina ireo (Sri Lanka, Bengladesh, Nepal). Nahasahy nihoatra ny tsipika mena, na ny faritra tsy tokony ho azo ihoarana, noho ny fameperana be loatra momba ireo faritra ireo?
Taona 2022, nitokona ny tao Sri Lanka fa tapaka isan'andro ny jiro, tsy nisy ny solika sy ny etona fandrehitra ary ny zavatra ilaina andavanandro. Notakìn'ny mpitolona ny fialan'ny filoha, nefa tsy natoky ny ao amin'ny fanoherana ihany koa ry zareo, indrindra fa ireo mpanohitra tafiditra ao amin'ny Parlemanta. Namaly bontana ny mpitondra, afa-nisambotra mpanao fihetsiketsehana ny miaramila, nohitsakitsahina ny lalam-panorenana. Noferana ny Media Sosialy ary voahitsakitsaka ireo zo fototra hafa... Saingy tsy tafajanona tamin'ny toerany ireo mpitondra. Aiza ho aiza moa ny zavamisy ao amin'izay firenena iray tsy tononina izay?
Taona 2024, resaka Quota na isan'olona ampidirina ho mpiasam-panjakana no nanombohany ary niafara tamin'ny fanoherana ny jerena ho fitondrana tsi-refesi-mandidy tao Bengladesh. Naniraka andian-tanora mpanohana ny fitondrana ny manampahefana hisetrasetra amin'ny mpanao fihetsiketsehana. Nakatona avokoa ny oniverstite sy ny sekoly ambony rehetra tao amin'ny firenena. Nihenjana ny tady, nihoatra ny efajato sy arivo ny maty tamin'izany ary mpianatra no maro an'isa tamin'izany. Nohitsakitsahina ihany koa ny zon'olombelona... fa ny niafarany, tsy tavela teo amin'ny toerany intsony koa ny mpitondra tao amin'izany firenena izany.
Avy amin'i हिमाल सुवेदी , CC0,
Taona 2025, iny niaraha-nahita iny ny tany Nepal, iray andro monja dia voahongana ny praiminisitra ary rava ny parlemanta. Arakaraka ny hamafin'ny famoretana ny valibontana nataon'ny tanora satria samy mitsinjo ny hoaviny. Tany Timor-Leste koa, nihemotra ny mpitondra tsy hividy fiara tsy mataho-dalana ary manaisotra ny fisotroan-dronono mandra-pahafaty ho an'ireo solombavambahoaka. Mbola nafana loatra ny vaovaon'i Nepal ka mampahazo hery ny tanora hanohitra ny tsi-rariny. Tao Indonezia? Mitovy amin'izay misy ao Timor-Lest koa fa lasa lasibatra avokoa ny fihariana sy ny orinasa shinoa satria nomen'ny fanjakana vahana be loatra, tsy zakan'ny tanora izany hoe tsy manana asa izy nefa ireo orinasa shinoa manafatra mpiasa avy any Shina. Mbola mihantona ny raharaha... Rahampitso 21 septambra 2025 kosa ny fitokonambe hanoherana ny kolikolin'ny mpitondra fanjakana ao Filipina tarihin'ny tanora Gen Z. Dia ahoana koa ny manaraka?
Raha fehezina, tsy manaiky ny kolikoly sy ny tsi-rariny na ny hantsana lalina loatra eo amin'ny mpitondra sy ny entina ny tanora. Inona amin'ireo zavatra voatantara ireo no tsy misy ao amin'izay firenena iray izay? Mbola hisy firenen-kafa hanaraka izao firohotam-panoherana tsy matoky na ny mpitondra na ny mpanohitra izao ve? Wait and see...
Commentaires