Tontosa soa aman-tsara omaly 07 septambra 2025 ny sakafom-pifanohanana ho entina manarina ny ampahan-dalana mampitohy an'i Lazaina amin'Isahafa. Ny faritra tena ratsy indrindra no ezahina hovitaina mialoha ny irotsahan'ny orana mba hisy filaminany kokoa ny fifamezivezena, indrindra rehefa avy ny orana.
Natao ho eo ambany fiahian'ny Ben'ny tanànan'Anosy Avaratra moa izany lanonana izany noho ny fiaraha-miasa misy eo aminy sy ny KOmitin'ny Lalana ISahafa.
Ankoatra ny sakafo dia nisy ihany koa ny hira narahin-dihy. Tsy afa-misaraka amin'ny fitadiavam-bola ihany koa ny lalao sy atsapaka isankarazany.
Amin'ny ankapobeny, nilamina ny lanonana ary afa-po ny mpanatrika. Na dia noeritreretina hifarana amin'ny dimy hariva any ho any aza izany lanonana izany dia nofaranana fotsiny rehefa nipaika ny amin'ny fito ora alina.
Any an-trano izany mijery ny volana miova ho lokon-drà e!






Commentaires