Tao ho ao, mafana ny toe-draharaha manerantany. Mihetsiketsika ny any amin'ny firenena maro. Mitroatra ny olona.
Sri Lanka
Fahatapahan-jiro isan'andro sy olana angovo no nampisy ny fitokonana nitondra ho amin'ny fiovam-pitondrana tany Sri Lanka.
Bengladesh
Fanoherana ny tsy rariny amin'ny fizarana anjara asam-panjakana no nampirotaka ny mpianatra niteraka fahafatesan'olona an'arivony tany Bengladesh, niala ny praiminisitra.
Nepal
Fanapahana ny sehatra media sosialy an'aterineto noho ny fihariharin'ny hantsana eo amin'ny mpitondra sy ny entina no nandrodanan'ny tanora ny governemanta komonista tao Nepal tanatin'ny 24 ora monja.
Indonezia sy Timor Leste ary Philippines
Fanoherana ny tombontsoa mihoa-pampana ho an'ny parlemantera no nampirongatra ny tanora tao Indonezia sy Timor Leste. Kolikoly avo lenta no nampidina an-dalana ny tany Filipina ankoatra ireo maro tsy voatanisa any amin'ny faritra maro toy ny any Italia, Frantsa, Fanjakana Mitambatra, Però.
Madagasikara
Miainga amin'ny antso hamahana ny olan'ny jiro sy rano ihany koa no hitranga eto Madagasikara. Rehefa tsy mihaona ny lalàna sy ny rariny dia alonalona fotsiny ihany ny fitoniana. Lasa tsy mandeha amin'izay laoniny ny demôkrasia.
Commentaires