Iraisampirenena: rotaka tao Nepal, voatsoka ny governemanta
Tranga roa no nisongadina tamin'ity herinandro ity. Ny voalohany malaza dia ny rotaka tany Nepal, ary ny faharoa kosa dia ny namonoan'ny sasany an'i Charlie Kirk ilay Kiadin'ny fanehoan-kevitra kristiana mpandala nentin-drazana tandrefana any Etazonia.
Nepal, firenena aziatika lazaina ho mahantra indrindra. Nirotaka ara-bakinteny ny tanora tao, noho ny nanakatonana ny sehatra tambajotra sosialy miisa 26. Ny tambajotra sosialy no fanehoan'ny tanora ny alahelony sy ny loniloniny, indrindra rehefa mahita ny weraweran'ireo zanaky ny mpitondra fanjakana sy ireo zanaky ny depiote. Araka ny voalaza dia haingana dia haingana ny famafana ireo hevitra tsy sitraky ny mpitondra ary misy aza no samborina noho ny fanehoan'ny tanora ny fisian'ny hantsana eo amin'ireo zanaky ny mpitondra sy ireo tanora hafa izay ianjadian'ny tsi-fananana asa ka voatery mitady asa any amin'ny firenen-kafa.
Tonga tamin'ny fitroarana amin'izay ireo tanora ireo noho ny fanakatonana ireo sehatra natao hanehoan-kevitra, nivoaka an-dalambe saingy nitsena famoretana sy fitifirana tamin'ny bala tena izy mihitsy aza, 19 ny isan'ny tanora maty tamin'izany. Vao mainka niakatra ny hafanana noho ny fandrenesana izany famoretana natao hampanginana ny tanora izany. Nirohotra ny tanora ka notafihan'ireo tranom-panjakana lehibe sy ny fonenan'ireo mpitondra fanjakana sy praiminisitra nifandimby ka nodoran'ny olona, ary nisy aza minisitra tratra dia naboridana sy nareza tany an-drenirano. Rava tao anatin'ny 24 ora ny governemanta. Nisedra herisetra noho izany ny fampanginana sy ny famoretana tao amin'ity firenena ity.
Nepal, raha te-hiaina na toy ny mitsidika an'i India saingy madio kokoa sy hananika na hitazana mivantana an'izany Everest izany dia io no firenena mety aminao kokoa. Fatra-panaja ny hafa ny olona ao, ary raha olona mpandala ny heviny manokana dia mety hihevitra fa toa mpisolelaka ry zareo. Ao amin'ity firenena ity ihany koa no nahaterahan'i Gautama Bouddha, ahitana 80% ny mpanaraka ny fivavahana haindòisma ary 10% no mpanaraka ny fampianarana boddhista. Enga anie hiarina haingana ity firenena ity na dia maro aza ny fandravàna sy ny fanapotehana noho ny fitroarana.
Ranty hafa kosa ny amin'ilay Amerikana tanora izany nisy nitifitra tao Etazonia noho ny tsi-fahazakàna ny fanehoan-keviny.
Commentaires