Tranonkalam-baovao manana foibe eto Antananarivo fa mivoaka amin'ny teny frantsay ise amin'ny ankapobeny. Tsindraindray ihany vao mba misy amin'ny teny malagasy. Tsy misy ifanomezantsiny ny amin'izany. Misy ny teny mahavelona satria sokajin'olona ambony no voasarika ho amin'izany ary ireny koa no afa-manjifa izay atolotry ny mpanao dokambarotra. Ireny no tena mpamelona antsika koa tsy olana izany. Ny ato r'ise tsy azoko fa tsy hita laharana ny mpitsidika avy ao Frantsa a! Avy ao Etazonia no be mpanaraka indrindra vao manaraka lavitra dia lavitra ny avy eto Madagasikara. Nefa dia miverina mankany Amerika Avaratra indray fa avy ao Canada no laharana manaraka ary mitovy laharana aminy ny avy ao UK. Noho ny tsi-fampiasako ny teny frantsay ve no mahatonga izany? Tsipalotro tampoka ihany koa fa tena matihanina sy za-draharaha ireo mpanao gazety ao amin'ise. Tsy mahafantatra aho na firy na firy fa mahay mampita vaovao ry zareo ka. Mety tsara ny fomba famoahan...
Tranonkalam-baovao miomana ho matihanina. Manandratra kosa ny teny malagasy amin'ny famoaham-baovao anjotra. Tsy maintsy miainga amin'ny kely isika vao hihalehibe. Manambara avy hatrany kosa fa manana fironana kristiana kokoa na dia tsimialonjafy aza.