Accéder au contenu principal

Articles

Ahiahy fanonganam-panjakana nitranga teto Madagasikara 2023

Feno ny fepetra rehetra ahafahana milaza fa fanonganam-panjakana no misy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao.Niandoha izany tamin'ny fanontanian'ny Praiminisitra Ntsay Christian ny amin'ny ambaran'ny lalampanorenana amin'ny famindram-pahefana rehefa mirotsaka ny Filoha. Toa fampiomanana. Maninona no manao fanontaniana tahaka izany raha tsy misy zavatra kendrena. Ankehitriny ianao no lasa mitondra fa tsy ilay voalazan'ny Lalampanorenana. Avy eo tsy misy filazana ampahibemaso hoe niala ny Filoha Rajoelina, toa miandriandry zavatra hoe raha vao tsy ekena eo ny filatsahako dia tazoniko ihany ity toerana ity. Mitohy amin'izany, tsy misy fisehoana famindram-pahefana ve izany tahaka ilay "geste" natao tamin-dRajaonarimampianina iny fa dia hoe "veloma vetivety"? Tena veloma vetaveta ilay filazana nataony fa maneho hoe tsy vonona hiala amin'ny toerany izy, toa tsy misy afa-tsy izao no hitranga dia hoe handresy izy, tsy azo sainina ny h...

Adihevitra fahaverezana zom-pirenena

Efa ela no te-hanoratra saingy androany angamba vao tontosa izy ity. Lohahevitra hafa no nokasaina fa tonga amin'ity lohahevitra tsy noheverina ity fa kibo saoky ny nahiny. Nisy nanapongatra tampoka taorian'ny fihaonan'ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina sy ny Filoha Frantsay  Emmanuel Macron ny taratasy voasonian'ny tompon'andraikitra frantsay sy ny gazetim-panjakana nanondro fa nahazo (rehefa nangatahana) ny zom-pirenena frantsay tamin'ny 19 novambra 2014 ny Filoha malagasy ankehitriny sy ny vady aman-janany. Misy ireo miteny, fa tsy misy porofo, hoe hatramin'ny nanomanana ny fanonganana ny Filoha Ravalomanana no efa nanaovana ny fangatahana ho fiarovan-tena raha sanatria ka tsy nahomby ny raharaha. Rediredy kely mialoha ny ventin-dresaka, tsaroantsika tsara angamba fa nisy teratany malagasy roa nalaina tao an-tranony tao Frantsa tao fa hoe halaina am-bavany amin'ny resaka fanohintohinana ny ain'ny Filoha Malagasy tamin'ny volana mey 2023 lasa t...

Toe-tsaina no fototry ny fahantrantsika!

Tsy fantatro intsony na efa nosoratako na tsia. Isaky ny fiakaran'ny rano no tena azo itarafana ny fahantrantsika miainga avy amin'ny toe-tsaina. Fahantrana ilay mihevitra ny tranga voajanahary ho loza aloha voalohany indrindra, zavatra tsy maintsy hitranga ny rivo-mahery sy ny mety ho tondra-drano aterany fa ny saintsika no mametraka azy ho rivoDOZA na LOZA VOAJANAHARY. Voajanahary ve dia ho loza? Fampironana ny saina ho maika hiraviravy tanana izany fa ny toe-tsaina tsara entina miatrika dia ny fisorohana sy ny fiomanana. Tsy maintsy hitranga ny rivomahery dia ny fonenana sy ny fotodrafitrasa no hamafisina hahazaka sy hisedra izany fa tsy hionona amin'ny zavatra mora rava lava izao tahaka ny hanome tsiny an'Andriamanitra. Efa nomen'Andriamanitra saina ianao dia ampiasao io saina io. Hadalan'olombelona ny manorim-ponenana amin'ny lemaka raha tsy miomana amin'ny mety ho fikorianan'ny rano. Izay mahita ny sarin'Antananarivo fahiny dia hahita fa ta...

Dika an-tsoratra ilay toriteny tao amin'ny Coliseum 15 janoary 2023

 Ry hava-malala rehetra ao amin'ny Tompo, ampitomboina ao amintsika anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena. Ny tenin'Andriamanitra izay toriana amintsika anio ry havana dia izay voasoratra ao amin'ny Salamo 33 ny andininy faha-12 no tsongaintsika fa ny andininy rehetra ao amin'ny salamo faha-33 no hotoriana amintsika. Izao no voasoratra ao amin'ny andininy faha-12 amin'ny anaran'i Jesoa: 2 Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany. [2] Ny salamo 33 ity ry havana dia manomboka amin'ny firesahana ny hoe "Mihirà fihiram-baovao, mitendre tsara amin'ny feo fifaliana" Inona moa no mahatonga azy manao an'izany? Raha mamaky ny Salamo 32 isika ao alohany ao dia salamo izay haintsika tsara mihitsy rehefa mahazo ny famelan-keloka isika, dia ilay teny malaza manao hoe 1 Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny f...

Ilay toriteny tao amin'ny Coliseum niteraka resabe fiandohan-taona 2023

 Efa taona maromaro izay no efa mahazatra ny fifampiarahabana sy ny fitondrana am-bavaka ny filohan'ny FJKM isaky ny alahady fahatelo amin'ny volana janoary. Niavaka kosa ny taona 2023 noho ny resabe naterany ary tsikera mamaivay amin'izany ny hoe manao kabary tsy valiana ilay Fiangonana. Tsoriko fa tsy nivonona ny ho eny amin'ny Coliseum ny tenako, sady tsy nivonona ny hihaino ny toriteny tanatin'izany. Manana olana manokana aho raha izay no filaza azy. Raha misy ny ilaina fanovana ka tiana haharitra sy hahasoa dia ao amin'ny Fiangonana no tena tsy maintsy iandohan'izany fanovana sy fiovana izany. Izany koa no antony nanoratako tato teo alohaloha teo. Fa noho ny resa-be naterany dia lasa nihaino ilay toriteny ho azy. Niezaka nihaino fa tsy hionona amin'ny fanehoan-kevitry ny olona amin'ny media sosialy. Politika tokoa ve no resaka sa zavatra iainana sy/na zavatra tadiavina ampiainana eto Madagasikara? Indro izany toriteny nahazo tsikera mamaivay tam...

Tantaran'i Jerosalema sy ny Tempoliny amin'ny endrika telo refy (3D)

Mba ho tahiny no hametrahako ity lahatsary iray ity eto. Sao misy ilaina azy ka saro-tadiavina izy. Ahafantarana zavatra maro tsinona momba azy.Tantaran'ny 4000 taona fantatra momba azy amin'ireo fanorenana manantantara ka lohalaharana amin'izany ny Tempoly.  

Ambohimanga Rova sy ny resabe noho ny fandisoam-baovao!

Vaovao ny taona, ifampiarahaban'ny mpianakavy sy ny mpiara-monina, ka miarahaba anareo rehetra noho izany vanin-taona izany ary mirary soa ho anareo indrindra. Hotsarovana amin'ity fiandohan'ny taona 2023 ity ny fahatapahan-jiro nihatra taminay nanomboka ny 1 janoary tamin'ny 5 ora hariva ka hatramin'ny 3 janoary tamin'ny 5 ora hariva mahery... izany hoe naharitra 48 ora be izao raha enina ora izany fahatapahana izany telo taona lasa izay. Noho izany fahatapahan-jiro maharitra nihatra taminay izany dia tsy naharaka ny resabe tamin'izay nitranga teto akaikinay izahay (mifanila amin'ny kaominina Ambohimanga Rova tsinona izahay!), koa aza atao mahagaga raha tena tratra aoriana tokoa ny fitantarako izay fahazoako ny resaka izay tsy hanafosafo na handambolambo velively. Tsy mitovy amin'ny maro amin'ny olona fantatro ao amin'ny media sosialy ny hevitra satria hitako fa nanjaka ny fandisoam-baovao ka tafiditra amin'izany ny gazety amin'ny te...

Moa tia ahy va ianao? [lahatsoratra feno]

 Eto dia lehilahy iray no manontany lehilahy iray hafa hoe "Moa tia ahy va ianao?". Amin'ny vanim-potoana ankehitriny dia mety ho hafahafa izany fanontaniana izany. Fa rehefa mieritreritra fitiavana ny maro dia tahaka ny any amin'ny fitiavan'olon-droa hatrany no ironan'ny saina. Misy tsy fahasalamana ara-tsaina ihany ao amintsika ao raha mibahana ao an-tsaina ny fihevitra tahaka izany. Azo itsapana ny fivoaram-pieritreretana ao amintsika ihany koa ny tranga toa izany. Aoka anefa homarihana fa ampahan-dahatsoratra ao amin'ny baiboly no nakako izany lohateny izany. Horaisintsika ampahany ary izany (Jaona 21:15-17):   Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin'i Simona Petera: Simona, bar-Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko. Hoy indray izy taminy fanindroany: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va hianao? Dia hoy...

Fantaro ny atao hoe Ntaolo (Nta-ulu)

 Fantaro ny dikan'ny teny hoe Ntaolo no tena tian-kambara. Fihevitra tsotra any amintsika any ny hoe Ntaolo no filaza ny olona taloha teto Madagasikara. Tsy diso izany fomba fihevitra izany fa tsy ampy ka ahiana hiteraka fahadisoana. Teny Nusantara soa aman-tsara ny voambolana hoe Ntaolo (Nta-ulu: mandray ity soratra ity aho ho fandravonana hiarahana amin'ireo [Nta-]Nusantara hafa rehetra). Ny dikany raha amin'ny fotoana ankehitriny dia hoe olona voalohany. Tsy fantatro aloha raha azo ampiarahana amin'ny fiteny hoe Aborigene ity Ntaulu ity na tsia. Mety ho manivaka avy hatrany isika hoe ny olo amin'ny Ntaolo dia olona no dikany fa ny Nta no midika hoe voalohany, diso tanteraka anefa izany fa ny Nta no midika hoe olona. Ny "ulu" na olo hoy ny famakintsika ankehitriny no midika hoe taloha na voalohany. Ny teny (Nta)-Nusantara mihitsy no nijerena izany ka tsy tokony atao mahagaga antsika raha misy ny foko antsoina hoe Nta-imoro, Nta-Anosy, Nta-(nd)roy, Nta-An...