16.1.23

Dika an-tsoratra ilay toriteny tao amin'ny Coliseum 15 janoary 2023

 Ry hava-malala rehetra ao amin'ny Tompo, ampitomboina ao amintsika anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena.

Ny tenin'Andriamanitra izay toriana amintsika anio ry havana dia izay voasoratra ao amin'ny Salamo 33 ny andininy faha-12 no tsongaintsika fa ny andininy rehetra ao amin'ny salamo faha-33 no hotoriana amintsika.

Izao no voasoratra ao amin'ny andininy faha-12 amin'ny anaran'i Jesoa: 2 Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, dia ny olona nofidiny ho lovany. [2]

Ny salamo 33 ity ry havana dia manomboka amin'ny firesahana ny hoe "Mihirà fihiram-baovao, mitendre tsara amin'ny feo fifaliana" Inona moa no mahatonga azy manao an'izany? Raha mamaky ny Salamo 32 isika ao alohany ao dia salamo izay haintsika tsara mihitsy rehefa mahazo ny famelan-keloka isika, dia ilay teny malaza manao hoe

1 Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.2 Sambatra ny olona izay tsy isain'i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny.

Dia izany olona voavela heloka voavonjy izany voalaza ao amin'ny Salamo 32 no antsoina ho amin'izany mihira ny fihiram-baovao izany ary any amin'ny salamo hafa mihitsy aza any amin'ny faramparany any dia izao rehetra rehetra izao no taomintsika mpino voavela heloka mba hidera an'Andriamanitra mpahary. Raha ny voalazan'ny Jean Calvin rehefa manazava ny salamo 33 ity izy dia hoy izy hoe "henatra sy fahafaham-baraka izany olona voavela heloka nefa tsy midera an'Andriamanitra izany. Fa ny olona voavela heloka dia mipololotra avy any anatiny any izany fiderana an'Andriamanitra izany. Raharaham-pirenena, fiainam-pirenena, firenena no ambara eto amin'ity salamo 33 ity ary izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny, izany firenena izany no ho sambatra.

Ato anatin'ity salamo 33 ary, andeha hojerentsika ny eo amin'ny andininy faha-5 eo, izao no voalaza ao amin'ny adininy faha-5 "Tia fahamarinana sy rariny Andriamanitra; henika ny famindram-pon'i Jehovah ny tany."

Tia fahamarinana sy rariny Andriamanitra :

Rehefa manjaka ry havana izany fahamarinana sy rariny izany, izany no atao hoe manome voninahitra an'Andrimanitra isika. Isika manko matetika rehefa miresaka izany fiderana an'Andriamanitra izany sy manome voninahitra Azy dia miakatra mankany amin'ny mijidina (vertical) iny ihany, fa ny fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ihany koa ity izao tontolo izao ity no kianja na alitara na sehatra iderantsika an'Andriamanitra ka eto no ampanjakantsika ny fahamarinana sy ny rariny satria tian'Andriamanitra izany.

Ilay lehilahy izay nahazo ny prix Nobel momba ny ekonomia tamin'ny taona 1998 atao hoe Amartya (Kumar) Sen dia niresaka momba an'io tsi-rariny io. Izao no noteneniny: "Aza manonofy rariny tonga lafatra ianao fa esory izay tsy rariny misy andavanandro na kely na lehibe. Tsy ilay hoe any misy tsi-rariny ngezabe dia misy rariny ngezabe tokony ho ataoko. Fa inona ny tsi-rariny misy andavanandro dia izay atao na kely io na lehibe".

Iarahantsika mahalala ry havana, ity taona 2023 ity dia taonan'ny fifidianana ho antsika eto Madagasikara. Ary amin'izany taonan'ny fifidianana izany dia misy zavatra tokony holazaina, lazain'ny fiangonana amin'ny maha-mpitilin'ny firenena azy. Ny tokony ho fantatsika rehetra dia ny hoe manasarotra ny olana politika ny fisian'ny halabato. Manasarotra ny olana politika ny fisian'ny halabato ary manasarotra ny fahamahana olana ihany koa ny fisian'izany halabato izany. Isika indray ve no ampianarina fa lafobe anie izany sandan'ny halabato izany e! Lafobe izany.

Iray, tsy mari-toerana izay mitondra eo, politika izay, fa ny ataony dia manao ny antsoina hoe clientelisme sy ny intimidation, izany no ataon'izay rehetra tafakatra noho ny halabato, tsy marin-toerana izy.  

Ny faharoa, lafobe ihany koa ny sandan'ny halabato eo amin'ny toekarena satria tsy misy fampandrosoana mety handeha eo, ary misy firenena anankiray izay, fantatsika rehetra rehetra, fa fahadimy avy any amin'ny gisitra izy, amin'ny laharana. Tsy mandeha ny fiainam-pirenena rehefa ny halabato no ampanjakaina, ary tsy misy fampivoarana ihany koa amin'ny tokantrano sy ho an'ny tsirairay. Lafobe ny sandan'ny halabato.

Minainaina isika raha henoina ny feon'ny olona izay entintsika : inona no mba mankany amin'ny vilaninay? fa androany ianao manontania olona maro fa tsy manambilany intsony ny olona, na nisy nangalatra ny vilaniny, na namidy ilay vilaniny, ka inona intsony ny hohaniny?         

Izany no zavatra vokatra ateraky ny hoe tsy manjaka ny fahamarinana sy ny tsi-rariny.

Namadibadika tahirin-kevitra aho ry havana, izay navoakan'ny Banky Mondialy tamin'ny septambra 2022 vao lasa teo. 3,3 miliara dôlara ny vola omeny antsika ao anatin'ny taona iray. Dolara no resaka eto, ampitomboy 5000 Ariary izay fa tsy zakan'ilay machine-kelinao. Fa mihoatra lavitra noho izany ny tahirin'ny harena an-kibon'ny tany fotsiny (ressources minières) dia mahatratra 800 miliara dôlara ny eto Madagasikara, araka ny tombana. 800 miliara dôlara ny tahirin-karena ankibon'ny tany fotsiny. Dia ataovy anie ny fampitahana e! ilay 3,3 miliara dôlara, na roanjato taona aza tsy mahatratra an'io 800 miliara dôlara io izany hoe tsy ny fanampiana no ivelomana fa ny fampivoarana ny fiainan'ny firenena mba hanjaka ny fahamarinana, mba hanjaka ny rariny. Fa tsi-rariny tompoko ny halabato. Tsi-rariny tompoko ny halatra sy ny zara-vilana amin'ny harem-pirenena rehefa mba metimety ny fisandratan'ny firenena.

Izao no lazain'ny bokin'ny Ohabolana 30 : zavatra telo na efatra no tsy mampandroso ny tany ary ny anankiray amin'izany dia ny hoe raha ny andevo no tonga mpanjaka. Io tsy misy resaka firazanana izany! Adama sy Eva angaha andevo sa andriana? tsisy izany. Ary raha samy zanak'Andriamanitra isika, Andriamanitra angaha andevo sa andriana? Fa ny andevon-karena, ny andevom-pahefana, ny andevon'ny fitiavan-tena, raha ireny no tonga mpanjaka tsy tafavoaka isika. Fa ny olona tia fahamarinana tahaka an'Andriamanitra, ny olona tia rariny tahaka an'Andriamanitra no lazain'ny mpanao salamo ary itenenany hoe : Sambatra ny firenena izay manana an'i Jehovah ho Andriamaniny satria olona tia fahamarinana sy tia rariny no mitondra.         

Ny zavatra faharoa horesahantsika ato anatin'ity Salamo 33 ity dia ny andininy faha-7, izao indray no lazainy ao amin'ny and-7 eo: "Mampiavosa ny rano ao an-dranomasina ho toy ny antontan-javatra Izy; mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy."

Izany zavatra ambaran'Andriamanitra izany ry havana dia ilay programa mba mampiketriketrika antsika mianakavy. Mikoriana ny ranomamy, io tsy mijanona eo io, mikoriana. Ilay tanimbary mantohatohatra ireny. Mahazo rano ny any ambony dia midina amin'ny ao ambany, dia midina ao amin'ny ambanimbany, dia tonga any amin'ny farany ambany. Mikoriana ny rano!

Aza tsy ampidinin'ilay any Ambony anie ilay rano eo e! (manana tanimbary izany mihomehimehy izany na zana-drazana!) Mikoriana ny ranomamy dia mitety faritra. Aty afovoantany izy atao hoe Ikopa, rehefa mandeha mandeha miakandrefana any izy dia ataony hoe (iza indray no anarany?) Betsiboka. Dia ajanony eto amin'ny faritra afovoantany anie io rano io e! Mikoriana ny ranomamy fa mikoriana ihany koa ny ranomamy dia mitety firenena, isika moa firenena tokana dia tsy dia hita loatra ilay izy, fa ataovy hoe miala any Egypta dia mankany an'anona dia mankany an'anona dia giazo eo anie io rano io e!  Ady tsy vita io ary mila Firenena Mikambana sy Fifanarahana Iraisampirenena mandamina ireny rano izay mikoriana, ranomamy ireny.          

Fa isika miresaka izao, miharìtra ny ranomamy, satria mitombo ny isan'ny mponina. Oharo ao an-trano ao fotsiny e! Ilay iray seau anao iny tsy laninao indray andro, fa ataovy folo an-trano ianao dia ho hitantsika, dia ohatr'izay ihany koa amin'ny raharaha rehetra rehetra. Mitombo ny isan'ny mponina, miharìtra ny ranomamy. Mitombo ny isan'ny indostria izay mampiasa rano betsaka, mitombo ny fiompiana sy ny fambolena izay mila rano betsaka. Ary izany rehetra izany no mitarika antsika hieritreritra amin'izao ora itenenantsika izao: inona izany izao ny biby tokony ompiana? Fa misy biby mandany rano an! Inona ny legioma tokony hovolena sy voninkazo tokony hokarakaraina, izay tsy mandany rano loatra? Tokony eritreretina izany satria minainaina isika hoe Jirama, jirama nefa ao aminao koa no manomboka io, manomboka eo amintsika io.    

Andeha haka biby anankiray tsy fantatsika eto Madagasikara ary eritreretina aiditra eto (hehin'ny mpihaino). Elefanta ohatra 150 kilao isan'andro ny zavamaniry lanin'ny elefanta, tsy mifidy io na bozaka na hazo na inona na inona, fa izay doniny dia any, izay doniny dia any, 150 kilao isan'andro. Ary ny rano sotroiny, izy ilay mitroka amin'ilay lava orona be iny, folo litatra iny, izany hoe firy seau aminao? Trohiny indray mandeha dia laniny, izay no folo litatra. 150 litatra isan'andro ny rano sotroiny. Ô rey olona a, barika iray anie izany e! Ka mampidira elefanta eo dia apetraho eo amin'ny ranon'Anosy eo, herinandro io dia ritra (hehin'ny mpanatrika).

Fa raha miompy akoho ianao, ny akoho misotro rano na be na kely azo, firy mililitatra ny rano sotroin'ny akoho? (hehin'ny mpanatrika) ary firy grama ny zavamaniry laniny? Ary raha ny faminaniana mandeha, ny omby sy ny biby lehibe rehetra ho voasolon'ny akoho atsy ho atsy. Satria nisy ny dinôzôro tsy hita intsony, dia mihalany indray ny biby lehibe , dia manomboka any amin'ny kely sisa. Isika miara-miaina amin'ireny biby madinika ireny sisa. Ka any aoriana any, izay manana ranomamy ampy sy betsaka no tafita, ary izany no mahatonga ny firenena maro izay tsy ampy rano, mamadika ny ranomasina ho rano azo sotroina, manangona ranon'orana, manao lavadrano sy vovo.

Tamin'ny herintaona tahaka izao isika, nisy fanangonam-bola nataontsika rehetra rehetra teto nahavitana vovo iraika ambin'ny folo tany amin'ny faritra atsimo, vovo 11. Mila angonina io ranon'orana io, mila manana lavadrano isika ao anatin'izany. Ary raha mamaky ny genesisy isika ry havana dia mahita hoe tany paradisan'ny genesisy misy rano tao. Rehefa mankany amin'ny Apokalypsy isika, tapitra indray ny fotoanan'ny fahotana dia misy rano manondraka an'izany tany vaovao rahatrizay izany. Saino tsara tompoko ny momba an'io rano io fa harembe io ary tena fiderana an'Andriamanitra ny fahaizana  mitantana azy satria mitovy saina amin'Andriamanitra isika raha ilay voalazany hoe: "mitahiry ny rano lalina ao an-trano fitehirizana Izy". Mila mahay mitantana ny rano isika mianakavy mba ahafahantsika tafavoaka miaraka amin'Andriamanitra.             

Fa ny zavatra fahatelo farany hotsongaina amintsika amin'ity salamo 33 ity dia ny eo amin'ny andininy 16 sy 17

Tsy misy mpanjaka voavonjin'ny hamaroan'ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin'ny haben'ny heriny. Ny soavaly tsy azo itokiana ho famonjena, ary tsy mahavonjy ny haben'ny heriny.

Raha ny voalazan'i Jean Calvin ry havana rehefa manazava io andininy raisintsika io izy, Dia hoy izy hoe: Arakaraka ny ananan'ny olona fiarovana tsara sy mafy no ialàny amin'Andriamanitra satria mitoky amin'ny ara-tafika izy. Ary raha miresaka izao isika hoe tsy misy kalachnikov eo ka inona koa no idiran'izay soavaly any fa izany no fitaovam-piadiana tsara indrindra tamin'izany andro izany, ny herin'ny miaramilanao tsara indrindra amin'izany andro izany. Izany hoe izay rehetra rehetra manana fitaovam-piadiana sy miomana tamin'ny Ecole de Guerre io teneniny io. Fa  izao no aza adino(ina), manana ny tafika faran'izay raitra tamin'ny andron'i Mosesy ny Egyptiana. Be ny miaramila sy soavaly Egyptiana fa ripaka tsy nisy niangana izany tao amin'ny ranomasina mena tao. Tsy dia azo itokiana re ny herin'ny tafika. Inona moa no hotenenina amin'ny tafika eto Madagasikara? Manao ahoana ny hery ara-tafika malagasy? 27/34 amin'ny firenena eto Afrika isika. Faha-27, resy ihany isika izany an! Hoe haka Iles Eparses dia hiady amin'ilay matanjabe io? Ianao ary 27/34 eto, io no andrandramana eo, lalana hafa atrehana.

Fa izao no nolazain'Isaia 2 and-4 Ary hitsara ny adin'ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.

Inona no ambaran'izany? Ny ambaran'izany ry havana dia tsotra amin'izao andro ahavelomantsika izao. Manana sabatra ianao? Avadiho ho angady izany.Manana lefona ianao? Avadiho ho fanetezam-boaloboka izany. Manana Kalachnikov ianao? Avadiho ho angadin'omby izany. Manana bala ianao? Avadiho ho masomboly izany. Izay ihany io [2].

Izay hampandroso ny toekarena sy ny famokarana no ilofosy, izay ihany io. Raha te-ho tafavoaka ianao, tsy ny herin'ny miaramila no hahatafavoaka fa ny herin'ny toekarena mandroso sy ny fampamokarana tafita, ahenao ny tetibolan'ny tafika raha atao ara-bakinteny izany, dia ampitomboy ny tetibolan'ny famokarana sy ny fampamokarana. (tehaka madinidiniky ny mpanatrika).

Ny Soisa ("Angaha an-kitehaka ao anaty toriteny?" novalian'ny hehin'ny mpanatrika re mazava tsara). Ny Soisa dia firenena tsy manana miaramila, kanefa dia tsara fari-piainana izy satria ny "services civiles" ny azy no asolony azy hoe tsy maintsy manao "services civiles" ny vahoaka Soisa. Ka raha tiana ho tafarina ry havana ny firenena dia ny fanarenana ny toekarena no ilofosy mafy fa milamina io insécurité io. Fa mifampitana anie isika sy ny dahalo amin'izao e! Ny basy anananao indraindray ohatra ny tsy tsara noho ny azy an! Mas 36 izany an! ny azy raha misy dia Mas 38, ny anao Mas 36 tamin'ny ady lehibe faharoa.

Fa alefaso ny toekarena, areno ny fampandrosoana ny firenentsika dia mihena izao tsi-fandriampahalemana izao. Ary mitombo ny an'asa rehefa mandroso ny toekarena. Ny fiderana an'Andriamanitra ry havana, ilay Rain'i Jesoa Kristy dia tena ao anatin'izany ny fampandrosoana sy ny toekarena, ary izany no isehoan'ny fitahiana avy aminy.  Fiderana an'Andriamanitra Rain'i Jesoa Kristy ho antsika mba tsy ho mpanao politika mangalabato. Mba ho politikan'ny rano tsara tantana no isitrahan'ny vahoaka. Ary mba ho fampandrosoana sy asa sy ny toekarena fa tsy ny hery ara-tafika no ametrahana ny fanantenana.

Eto am-pamaranana, misy toe-tsain'ny Fiangonana izay tiany hozaraina amintsika ry havana. Nisy omby anankiray nitondraka teo amin'ny tanimboly. Dia nisy karazan'olona roa teo. Ilay olona anankiray niteny hoe "Ombin'iza ary io?" Ary ilay anankiray niteny hoe "Esory aloha ilay omby" izay manimba ny tanimboly. Iza amin'ireo ny kristiana? Iza? Ilay voalohany sa ilay faharoa? (Ilay faharoa no be mpiteny namaly) Ny faharoa? Ny toe-tsain'ny Fiangonana tsy mandany andro amin'ilay hoe "Fa iza marina no nandetika an'iza? Iza marina no nangalatra inona?" Misy mpanao izany. Fa ny toe-tsain'ny Fiangonana dia tsotra: Esory aloha ilay omby mitondraka dia ho hita eo ny tohiny. Voninahitra ho an'Andriamanitra. Amena! (tehaka sy tsiky sy hehy). [fijerena 129K ny 16 janoary alina tao amin'ny Facebook Watch, 10K kosa tao amin'ny YouTube]                                 


Aucun commentaire: