Accéder au contenu principal

Ahiahy fanonganam-panjakana nitranga teto Madagasikara 2023

Feno ny fepetra rehetra ahafahana milaza fa fanonganam-panjakana no misy eto Madagasikara amin'izao fotoana izao.Niandoha izany tamin'ny fanontanian'ny Praiminisitra Ntsay Christian ny amin'ny ambaran'ny lalampanorenana amin'ny famindram-pahefana rehefa mirotsaka ny Filoha. Toa fampiomanana. Maninona no manao fanontaniana tahaka izany raha tsy misy zavatra kendrena. Ankehitriny ianao no lasa mitondra fa tsy ilay voalazan'ny Lalampanorenana.

Avy eo tsy misy filazana ampahibemaso hoe niala ny Filoha Rajoelina, toa miandriandry zavatra hoe raha vao tsy ekena eo ny filatsahako dia tazoniko ihany ity toerana ity. Mitohy amin'izany, tsy misy fisehoana famindram-pahefana ve izany tahaka ilay "geste" natao tamin-dRajaonarimampianina iny fa dia hoe "veloma vetivety"?

Tena veloma vetaveta ilay filazana nataony fa maneho hoe tsy vonona hiala amin'ny toerany izy, toa tsy misy afa-tsy izao no hitranga dia hoe handresy izy, tsy azo sainina ny hoe mety ho resy izy.

Tsy hay izay tena mitranga any ambadika any. Misy mihaino ve sa azo henoina ny adihevitra nifanaovan'ny samy mpitsara nandritra ny fotoana iandrasan'ny vahoaka izay ho kandidà ofisialy? Tsy mety resy lahatra ny saiko hoe nanaiky sy resy lahatra amin'ny tokony hirotsahan-dRajoelina ny maro an'isa amin'ny mpitsara avo na dia miharihary aza ny fitorian'ireo kandidà hafa. Misy ambana tsy hitan'ny vahoaka maso any ambadimbadika any fa hivoaka ho azy eo ihany ny marina.

Dia gaga ny mpiara-belona fa tsy mahefa hitantana vonjimaika ny fitondrana, hono, ny filohan'ny Antenimiera, noho ny antony manokana azy. Mbola ambana tsy hitan'ny besinimaro mivantana ihany koa izany araka ny fijeriko.

Ary ny tena mahavariana, toa niniana natao hikorontana izany ny toe-draharaha eto amin'ny firenena hikorontanan'ny sain'ny mpanara-baovao... nahatsiahy avy hatrany ny 17 marsa 2009 anefa ny tena tao anatin'izany rehetra izany. Tsy nisy hanaiky lembenana moramora izany ny olona fa nisy zavatra tsy azo anoharana ao matoa nanaiky "tsy fidiny" ireo tompon'andraikitra rehetra mampivoaka an'i Madagasikara tsy hanaraka ny tondroin'ny Lalampanorenana.

Hitsiko ny EKAR mbola manasa ny Kandidà ho tahaka ny mbola filoha am-perinasa. Tsy maintsy ho maro ny manana ratram-po noho ireo toe-javatra tantaraina ireo. Fa ny mahagaga koa... maninona ianao no tsy nitsidika ny hopitaly fa ny manana ny maratra sy ny maty indray no asainao mankany amin'ny lapam-panjakana Iavoloha? Moa ve tsy vao maika mampisy ny ahiahy izany fa tena natao sorona ny havan'ireo olona ireo?

"Golpista un jour, golpista pour toujours"

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...