12.11.23

Tsy fahavononan'ny mpitarika ny vondron'ny kandidà?

Niady irery indray ireo tanora manoloana ny mpitandro ny filaminana androany 11 novambra 2023. Efa nisy nahasikaritra ihany ireo mpanakorontana/nokaramaina handrava ny tolona amin'ny alalan'ny fanaovana herisetra sy fanaratsiana endrika ny tolona. Samy hita teny Behoririka sy teny Ankadifotsy akaikin'ny tobin-dasantsy izany toe-javatra izany tamin'ny alalan'ny famakiana ny fiaran'olona tamin'ny tora-bato sy fanakanana ny kodiaran-droa tsy hahazo mandalo. Ny mahavariana dia ny tsy fikitihan'ireto andian-jatovo mpiherisetra ireto ny mpanao gazety/ mpanangom-baovao tamin'izany toe-javatra izany. Ny mahavariana fotsiny dia ny famakiana fitaratra nataon'ny sasany tamin'ny trano fisakafoana an'ny mpihira iray malaza amin'ny fanohanana ny hetsika fotsy teo Ankadifotsy teo sy ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso amin'ny faritra mihiboka.

Ny tsikaritra koa dia ireo tanora tsy maro nahasahy nijoro sady nanangan-tanana roa mitabataba hoe "tanampolo ô" ary avy eo mihira ny hiram-pirenena sy ny Madagasikara Tanindrazanay ary ny hiaka tsy hampiasana herisetra, tsy nahandry moa ny tafi-panjanahana fa nandefa ny baomba mandatsa-dranomaso ihany sy nanenjika azy ireo sy nisambotra azy ireo. Iny fandosirana iny ihany no mbola lesoka, eny fa na dia nisy aza ireo nihodidina ny arabe saika hisambotra ireto tanora naneho ny tsy fahavononany hanao herisetra ireto nefa dia mbola niharan'izany ihany. Tsy te-hitsikera satria be ny fahadisoana tetikady nataon'ireo vondron'ny kandidà tato anatin'ny herinandro ka tsy hahagaga mihitsy raha vitsy sisa tazana amin'ny mpitolona tsy voavidim-bola.
  

Aucun commentaire: