10.11.23

Ny andavanandron'ny herinandro faharoan'ny volana novambra 2023

Rehefa tsy nahomby ny fidirana ny kianjan'ny 13 tamin'ny asabotsy tamin'ny 4 novambra 2023 dia toa zary nivenjivenjy sy tsy mahalala tsara izay tokony hataony ny vondron'ny kandidà ny alatsinainy manaraka, milaza ny mbola hihazo ny kianja ihany nefa tena ankavitsiana ny nanaraka. Dia mbola natao ihany ny tigetra hoe samy manao izay idirana ny kianja. Teto no nisy kandidà tsy hita mihitsy tamin'ny asabotsy fa tamin'io andro io vao hita.

Raha tsikera hatramin'ny ela ny hoe dia hanaiky hosamborina tahaka ny dokotra fotsiny ve rehefa eny an-kianja satria hoe hetsika milamina dia tamin'ity andro alatsinainy ity, ny maraina vao nandeha ny toromarika
1- Tsy misaratsaraka, mifampiaro, miara-miainga, mirodorodo, mitsoaka mandroso sady miaraka
2- Manamafy fiarovana, vinaingitra, arontava, akanjo matevina, kiraro sns.
3- Mikaondoha: mivondrona mijery paikady isaky ny vondrona
4- Mifanampy: Tsy avela irery ireo namana misedra olana sy ireo iharan'ny herisetra
5- Mivavaka sy mifampivavaka
Tonga amin'ilay fiteny hoe lasa ny alika vao manangom-bato. Zavatra iray tsy maintsy lazaina ihany koa ny hoe nisy tsy nanatontosa ny andraikitra nampanaovina azy tany amin'ny fitarihana tany ka zary tavela irery ny mpitolona.

Tamin'ity alatsinainy ity no nisy famahana vetivety ny arabe manavatsava an'Analakely, ka nandehanan'ny kandidà iray tamin'izany araben'ny fahaleovantena izany navoakany an-tsary ka nampikatona tampoka indray ny arabe rehetra teo Analakely. Tamin'ity andro ity ihany koa no nisamboran'ny zandary ny kandidà Jean Jacques Ratsietison noho izy efa nahasahy nandingana an'Analakely. Ny tohin'ny fandehan'ny raharaha no nahafantarana ny tanjona tamin'izany fisamborana izany dia ny hakana ny kara-panondrom-pirenena maha-frantsay azy ary navoaka tamin'ny fahitalavitra iray, izay fandikan-dalàna miharihary indray ataon'ny heverina ho mpampihatra lalàna. Navoaka ihany ity kandidà ity ny alina.

Etsy ankilany indray ny saika hisamborana ny kandidà Ratsiraka Iarovana Roland ihany koa tetsy amin'ny trano fandraisam-bahiny manana kintana telo iray malaza teo Tsaralalàna. Voatery niandry kely ny tenany niandry taratasy fampitsaharana izay mety ho fisamborana sy nilazany fa efa niato ny didy navoakan'ny prefe mandrara ny fihetsiketsehana (eny amin'ny kianjan'ny 13 mey) noho ny fitoriana izany didy izany tany amin'ny Fitsarana.

Rehefa lasa ny fiara saika hanao fisamborana ny kandidà Ratsiraka noho ny fiovàn'ny toe-draharaha dia efa niandry teny akaiky teny ihany koa ireo bokona, manana tanjona hanelingelina, farafahakeliny, nigôgahôga ity kandidà ity sy milaza fa "alefaso ny fifidianana, tsy mila mpanakorontana". Tsy ela taorian'izany anefa dia nivoaka sary ny momba ireo bokona ireo izay nanao ny hetsika fanakanana ny kandidà teny Andavamamba tamin'ny fotoan'androny sy mpiambina manokana ny filoha farany sy/na ny vadiny ary mpiasan'ny kaominina.
 
Ny folakandro indray nalaza ny nanajanonana ny fiara nitondra ny kandidà Ravalomanana teny an-dalana an-kevitry ny hody ho eny Faravohitra. Baiko ny fanajanonana ilay fiara fa hoavy haingana eny ny iraka izay tsy fantatra antony hoe inona loatra ny saika hatao. Nandeha avy hatrany ihany anefa ny fiara vao nalalaka ny arabe satria nampaneno anjombona ireo fiara taoriana.

Nitsahatra ny hetsika ny talata. Alarobia indray no fotoana teny an-kianjan'i Mahamasina. Efa nahare siosio ihany ny olona, tamin'ny alalan'ny tambajotra an-tserasera, fa ho avy indray ireo bokona efa voalaza tetsy ambony hidaroka izay miseho ho bevava amin'ireo mpitolona ary tsy haninona azy amin'izay ataony ny mpitandro ny filaminana. Efa nisy fifandirana ihany tao anatin'ny samy olona tao ary efa hita miharihary ry zareo hanakorontana ny fotoana. Voatery, satria tsy fidiny, nisambotra roa tamin'ireo andian'olona bokony ireo ny zandary ary nahagaga ny mpanara-baovao ihany izany toe-javatra izany. Rehefa tonga teny amin'ny tobin'ny zandary fihazonana tetsy Fiadanana anefa dia navotsotra ireo bokony anankiroa ireo.

Tamin'ity alarobia ity ihany koa anefa ny antson'ny Filohan'ny Antenimieram-Pirenena miaraka amin'ireo Filohan'ny FFKM ho an'ireo kandidà ho filoham-pirenena ho tonga amin'io andro io. Tsy tonga nanatrika izany sady tsy nandefa solontena anefa ny roa dia ireo kandidà fantatra fa mizaka ny zom-pirenena tamin'ny alalan'ny fangatahana (naturalisation). Nifarana vetivety ny fotoana satria fanelanelanana no saika atao ka raha tsy tonga ny andaniny dia akory moa atao fa hiantso azy ireo aloha.

Raha mbola teo am-piandrasana ny Firaisankinan'ny kandidà avy eny am-pivoriana anefa ireo mpitolona tonga teny Mahamasina no nisy fisamborana tampoka nataon'ny zandary tamin'ny depiote Fetra Ralambozafimbololona voafidy tao amin'ny boriborintany fahadimy an'Antananarivo Renivohitra, raha mbola teo am-pitenenana sy fanazavana izy. Nahatezitra ny olona izany ka niteraka sarovorovo, nisy zandary iray saika hiakatra ilay kamiao nitondra ny olona nosamborina no nosintonin'ny olona sy nanamparany ny hatezerany. Tao anatin'izany no nisy fitifirana ny iray tamin'ny mpitolona teny amin'ny lohany ka nahaloaka ny takolany, Randriamanana Jean no anaran'izany lehilahy efa zokinjokiny ihany izany. Nitohy tamin'ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso maro izany savorovoro izany. Nandeha nody ny olona fa nisy kosa andian-jatovo nisolo te-hifampitàna amin'ireo mpitandro ny filaminana nandrava ny fotoana ireto. Nahatohina sy nahatezitra olona maro ity fihetsika ity ka nahatonga ny fivoahan'ireo fanambaràna maro dia maro. Nitsahatra indray ny tolona ny alakamisy sy ny zoma noho ny ezaka ataon'ny Vovonan'ny mpanelanelana mikaro-bahaolana amin'ny krizy mihatra amin'ny firenena.

Etsy ankilan'izany, nandritra ny filankevitry ny minisitra notontosaina tao amin'ny Lapan'i Mahazoarivo (Lapan'ny Praiminisitra tompoko!) no nanapahana hanesorana ny Jeneraly borigady Andrianavoany Ratsisetrainarivo teo amin'ny fitarihana ny fibaikoana ny Fiarovana sy ny filaminan'ny Faritra miaramila Ikopa noho ny tsy nahitana azy intsony nitarika ny fibaikoana teny amin'ny kianjan'ny 13 mey hatramin'ny 4 novambra no mankaty. Ny Jeneraly Félicien Arthur Randrianantenaina no misolo azy amin'izany fibaikoana izany.

Nanana ny lazany ihany koa ny tao amin'ny kaominina Alarobia Vatosola noho ny savorovoro lazaina ho fisiana torabato nataon'andian-jatovo tamin'ny angidimby mpitondra ny ekipa mpanao fanentanam-pifidianana ho an'ny laharana fahatelo. Vetivety dia nisy ny fisamborana ka tolovahy telo no voatana tamin'izany. Rehefa ry zareo moa no iharany dia vetivety ny zotram-pisamborana fa raha ny ekipan'ny hetsika fotsy kosa no mitory dia tsy misy tohiny ny raharaha na dia efa hitan'ny rehetra amin'ny horonantsary aza izany toe-javatra izany.
 

Nanao fanambaràna ny Vovonana Fanelanelanana sy Fikaroham-bahaolana ny alakamisy ary nampivory ireo hery velona ny zoma izay samy notontosaina tao amin'ny cafetariat-n'ny Antenimieram-pirenena avokoa [hovelabelarina].  


Aucun commentaire: