10.11.23

Fanambaràna telo

Fanambaràna nataon'ny Filohan'ny Antenimieram-Pirenena


Taorian'ny kabary fanokafana ny fivoriana ara-potoanan'ny Antenimieram-Pirenena nataon'ny Filohany, Ramatoa RAZANAMAHASOA Christine tamin'ny 17 oktobra 2023, dia natsangana tamin'ny 02 novambra 2023 ny VOVONANA ho amin'ny fifampidinihana sy fanelanelanana iarahana amin'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara mba isian'ny fitoniana sy fitadiavam-bahaolana mialoha ny fifidianana ho Filoham-pirenena.

Ahitana sokajin'olom-pirenena avy amin'ny sehatra marolafy izay manana traikefa eo amin'ny raharaham-pirenena anatiny sy iraisampirenena io VOVONANA io.

Ny fivoriana tamin'io datin'ny 02 novambra 2023 io no nijerena ny zavamisy mahatonga savorovoro sy sakana hirosoana amin'ny fifidianana madio sy milamina.

Ny 03 novambra ny VOVONANA nihaona tamin'ny Lehiben'ny Iraky ny Firenena Mikambana, ny Vondrona Afrikana ary ny SADC miasa eto Madagasikara, nampahafantatra azy ireo ny fijoroan'ny VOVONANA, ny zavamisy eto amin'ny firenena, ary ny ahiahy amin'ny korontana hateraky ny fanaovana fifidianana tsy manaja ny fenitra.

Nandefa taratasy mivantana tany amin'ny "troïka" an'ny SADC ny VOVONANA mba hodinihana amin'ny fivoriana an-tampony ny 04 novambra 2023 tao Luanda, Repoblikan'i Angola ny raharaha Madagasikara, taratasy nangataka ny handefasana iraka avo lenta aty amintsika.

Nanoratana ihany koa tany amin'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana handraisany andraikitra feno hanamora ny fifanakalozan-kevitra mba hisorohana amin'ny fidirana amin'ny krizy indray.

Nanome toky ny solontenan'ny Vondrona Afrikana fa hanao tatitra any amin'ny foibe. Tamin'io andro io ihany ny VOVONANA dia niantso ny tompon'andraikitry ny Filaminana rehetra. Fa ny Préfet irery ihany no nandefa solontena, izay isaorana azy. Ary dia napetraka tamin'ny ny fangatahan'ny VOVONANA ny tsy ampiasana herisetra sy fitaovam-piadiana mandratra na mamono amin'ny vahoaka tsy mitam-basy.

Nisy hatrany ny fandraisan'ny Filohan'ny Antenimieram-Pirenena ireo tsara sitrapo rehetra, na vovonana izany na fikambanana.

Ny 08 novambra 2023 dia nisy ny fanasàna ny kandidà mpirotsaka hofidiana rehetra. Namaly ny antso ny vondron'ny kandidà miisa folo, nandefa solontena kosa ny kandidà laharana faha-telo amin'ny folo.

Tsy tonga, tsy namaly ny antso ary tsy nandefa solontena ny kandidà laharana fahatelo sy faha-iraika ambin'ny folo.

Nohenoina ny hetahetan'ireo izay namaly ny antso sy ny heviny manoloana ny zava-misy momba ny raharaham-pifidianana sy ho Filoham-Pirenena eto Madagasikara amin'izao fotoana izao. Ary tsy natao tsinontsinona ireo fanambaràna ampahibemaso efa nataon'ireo tsy tonga.

Manoloana ny toe-draharaha eto amin'ny firenena, rehefa nihaino ny rehetra sy mahita ny zava-misy dia manao izao fanambaràna izao ny VOVONANA ho amin'ny fifampidinihana sy ny fanelanelanana PAN/FFKM:
1- Tsy azo odian-tsy hita fa misedra zava-tsarotra ny zotram-pifidianana ankehitriny ary misy fiantraikany amin'ny fiainam-pirenena izany trangan-javatra izany;
2- Manameloka amin'ny herinay rehetra sy ny fonay ny fampiasan-kery tafahoatra amin'ny vahoaka izay tsy fahavalo fa mpiray tanindrazana;
3- Manameloka ny fampihorohotoana sy ny fampitahorana ary ny fisamborana tsy ara-dalàna;
4- Mahatsapa ihany koa fa tsy mbola tomombana ny fepetra rehetra hirosoana amin'ny fifidianana madio, mangarahara, milamina ary eken'ny rehetra;
5- Manamafy ny antso nataon-dRamatoa Filohan'ny Antenimieram-Pirenena amin'ny Vondrona Iraisampîrenena mba tsy hihalangalana fotsiny fa handray ny andraikitra manandrify azy ireo;
6- Manameloka ny fisamborana ny solombavambahoaka, izay Filohan'ny Vondrona Parlemantera iray, mandritra ny fotoam-pivoriana ara-potoana ka tsy nandalo teo anivon'ny birao maharitra;
7- Miantso ny fifanakalozan-kevitra sy dinika eo amin'ny mpiantsehatra rehetra amin'ny fifidianana;
8- Maneho ny mbola fahavononany ny VOVONANA hanohy ny ezaka hisian'ny fitoniana sy ny tsy hisian'ny korontana ateraky ny disadisa noho ny zotram-pifidianana tsy tomombana eto amin'ny firenena;

Noho ireo voalaza rehetra eo ambony ireo, ny VOVONANA ho amin'ny fifampidinihana sy ny fanelanelanana dia:
1. Manamarika fa ny fepetra takiana sy ilaina amin'ny fifidianana mifanaraka amin'ny lalàna, ny mangarahara andraisan'ny rehetra anjara ary eken'ny rehetra, manaja ihany koa ny fenitra iraisampirenena dia TSY FENO ankehitriny mba ahafahana miroso amin'ny fifidianana ho Filoham-pirenena amin'ny 16 novambra 2023;
2. Manambara fa tokony AATO ny zotram-pifidianana ary tokony haverina hofaritana ny fampiharana ny zotram-pifidianana mba hifanaraka amin'ny lamina iraisampirenena araka ny torolalana efa napetraky ny SADC sy ny Vondrona Eoropeana (ary hotsirihana) ny lisi-pifidianana;
3. Miantso ny fampiatoana ny fampielezankevitra rehetra sy ny fidinana an-dalambe manomboka izao mba ahafahana miroso am-pilaminana amin'ny fitadiavana ny vahaolana ankatoavin'ny rehetra;
4. Mampahatsiahy fa adidy tsy azo ihodivirana ny fampiharana ara-bakiteny ny Lalampanorenana sy ny lalàna velona, indrindra fa ny rijan-dalàna mifehy ny fifidianana;
5. Miantso ny mpitandro filaminana hanao ny asany am-pahamendrehana sy amin'ny fanajàna tanteraka ny ara-dalàna; handray fepetra araka ny tokony ho izy mifanaraka amin'ny tanjona fitandroana ny filaminam-bahoaka;
6. Miantso ireo tompon'andraiki-panjakana isan-tokony mba hampana-kery izao fanambaràna izao.
Aoka mba hitondra am-bavaka hatrany ny firenea isika rehetra
Natao teto Antananarivo androany faha-09 novambra 2023
Sonia ny Filohan'ny Antenimierampirenena (tombokase mena) sy ny Filohan'ny FFKM (tombokase manga)


Fampitam-baovao avy amin'ny governemanta


Taorian'ny vovonan'ny mpanohitra (PAN/FFKM) tamin'ny 9 novambra 2023 sy ny tolokevitra navoakany androany (10 novambra 2023) dia tsipahin'ny governemanta marindrano ny fikasana hanongam-panjakana araka ny andrimpanjakana ataon-dRtoa Christine Razanamahasoa, filohan'ny Antenimieram-Pirenena, miaraka amin'ireo olona politika avy amin'ny fanoherana manao izay hampiatòna ny zotram-pifidianana amin'izao fotoana. Tsy misy lalàna manome an'io Filohana andrim-panjakana io fahefana fanelanelanana ara-pifidianana hanakana ny fifidianana demaokratika ka hitondra an'i Madagasikara ho any ivelan'ny Lalampanorenana. Efa nahafahan'ny mpiantsehatra ara-politika nitondrana fanazavana sy fanitsiana miabo amin'ny zotram-pifidianana amin'izao fotoana ny fifampiresahana politika nataon'ny CENI.

Melohin'ny governemanta noho izany ny hetsika rehetra manakorontana mirona mankany amin'ny tsy fanajana ny Lalampanorenana, indrindra ny andininy fahadimy[...]. Noho izany miantso ny tsirairay ny governemanta hanaja ara-bakiteny ny Lalampanorenana sy ny Lalampifidianana manankery amin'izao fotoana ary milaza fa horaisiny ny fepetra manoloana ireo hetsika miteraka fanitsakitsahana ny fanajana ny demaokrasia sy ny tany tan-dalàna.

Farany, hamafisin'ny governemanta ny fanatanterahana ny fifidianana ho filoham-pirenena amin'ny 16 novambra 2023, ary isaorany sahady ny vahoaka malagasy amin'ny fitoniana asehony tamin'ireo fanentanam-pifidianana izay nizotra tsara nanerana ny firenena iray volana izao ka mandraka androany, ary hamafisiny ny antso ho an'ny mpifidy hifantoka tanteraka amin'ny fifidianana fihodinana voalohany mba ho tonga maro handrotsa-bato hanatontosa ny adidy maha-olompirenena.

Tapitra ny fampitam-baovao: somary mampihomehy ihany raha governemanta avy amin'ny fanonganam-panjakana ara-dalampanorenana no manameloka fanonganam-panjakana an'andrimpanjakana ka maka andininy Lalampanorenana izay efa nohitsakitsahany.


Namoaka fanambarana ihany koa ny UPAR-TANA:

 

Manoloana ny fanambaran-dramatoa Filohan'ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa fa tsy feno ny fepetra ary hikasan-dry zareo hanakana ny fifidianana amin'ny 16 novambra 2023.
Izahay fikambanana rehetra miara-dia amin'ny Ben'ny tanàna anatin'ny UPAR-Tana dia manao izao fanambaràna iombonanay izao:
Hajainay sy lolohavinay an-tampon'ny loha ireo Ray aman-dreny ireo kanefa
1- Saro-piaro ary tsy hanaiky intsony hanaovana sorona ny tanànantsika renivohitr'i Madagasikara ambohipihaonan'ny Malagasy rehetra.
2- Afaka 6 andro dia miverina amin'ny Malagasy feno taona ny fahefana amin'ny alalànan'ny fifidianana hany maridrefin'ny fifandanjan-kery politika.
3- Ny fampiatoana ny zotram-pifidianana 6 andro mialoha ny daty voafaritry ny lalàna no sanatria hiteraka korontana.
4- Tsy ilaina intsony ny fifampiresahan'ireo kandidà tsy mahasolo tena ny Malagasy hangataka ny fanemorana ny datim-pifidianana.
5- Miantso am-panajana ireo Miantso am-panajàna ireo Ray aman-dreny sy tompon'andraikitra isan-tokony mba hihaony ireo mpiray tanindrazana manao ny fampielezan-kevitra manerana ny nosy miandrandra FIFIDIANANA
6- Manainga ny mpiray tanindrazana: Tongava mifidy fa aza avela ny hafa no hanapa-kevitra eo amin'ny toeranao. Zo sy Adidy ny mifidy. Alakamisy 16 novambra 2023 no fotoanantsika! ANTSIKA NY FAHEFANA - TOGAVA MIFIDY.


Aucun commentaire: