7.11.23

4 novambra 2023: Tsy voatsoaka ny excalibur-n'i Madagasikara

Heverina ho efa mangatsiatsaka kokoa ny fo nanoloana ilay toe-javatra tao Antananarivo tamin'ny Asabotsy 4 novambra 2023. Mariho mazava tsara fa efa nanoratra aho an-taonany vitsivitsy aloha tany fa tsy mahomby ny tolona rehefa tsy tafiditra eo amin'ny kianjan'ny 13 mey, ny kianjan'ny 13 mey no excalibur an'i Madagasikara.


Hatramin'izao dia tsy miova loatra ny fomba fanao, voalohany amin'izany ny filazana mialoha fa hiditra eo amin'ny kianjan'ny 13 mey satria tsy mety mihaino ny mpitondra. Faharoa manaraka izany, filazana no atao fa tsy manao fangatahana amin'ny mpitondra, atao izay handrenesan'ny besinimaro ilay teny ary na hanao fangatahana aza dia efa lavin'ny manampahefana misahana izany avy hatrany. Fahatelo amin'izay ny fifaninanana miditra eo. Efa lasa fomba mampiavaka ny Malagasy io mandraka androany.


Nanao fanambaràna ary ny Firaisankinan'ny Kandidà Tia Tanindrazana fa hiditra eo amin'io kianja io ny Asabotsy talohan'io. Ny dikan'izany samy tsy maintsy miomana avokoa ny andaniny sy ny ankilany. Fa ny niavaka tamin'ity fotoana iray ity, mbola lavitra ny toerana dia efa natao ilay fandravana. Teo aloha dia Soarano sy Ambohijatovo no fetran'ny fametrahana barazy sy nanaovan'ny mpitandro filaminana ny fiambenana. Fa tamin'ity indray mitoraka ity lasa lavitra mihitsy izany fanaparitahana sy fanenjehana olona izany. Tonga hatrany amin'ny elakela-tranon'Ankadifotsy sy Ankaditapaka ny fanenjehana mpanao fihetsiketsehana tsy nitora-bato na namaly mpitandro ny filaminana fa nitabataba sy nihorakoraka tahaka ny fanaon'ny mpitolona rehetra ihany.


Niavaka tamin'ity fotoana ity izany ny hanaparitahana ny olona araka izay azo atao tsy hivorivory ka nampiasana ny antsoina hoe "grenade de desencerclement avec des billes à caoutchouc" sy ny fitifirana tamin'ny bala fingotra ankoatra ny baomba mandatsa-dranomaso mahazatra sy ny vovoka fandraraka ary somary niavaka ihany koa ny tonga dia fitifirana olona mandeha an-tongotra tsotra manaraka ny tambohon'ny sekoly Rasalama tamin'ny baomba dipoavatra (big-boss) nataon'ny "polisy" iray niala avy eny amin'ny fiara mandeha.


Niavaka ihany koa ny fitifirana tamin'ny fomba ankolaka mody ho toy ny tifitra baomba mandatsa-dranomaso ny fiaran'ny kandidà Ravalomanana izay nahitana diany maromaro ihany nefa dia "blindée" izany fiara izany, ary teo amin'ny toerana fipetrahan-dRavalomanana no nanaovana izany tifitra izany. Tonga saina izay mahita izany ka lasa saina hoe raha fiara tsotra dia ho goaka tahaka ny ahoana ilay fiara ary ho ratra tahaka ny ahoana ny nahazo ilay olona izay efa nahazo taona ihany.


Niavaka ihany koa ny fisamborana olona izay averina hatrany fa tsy nitoraka na nisy fitaovam-piadiana tany aminy na dia nahitrikitriky ny lehiben'ireo mpitandro ny filaminana aza fa nahare vaovao ry zareo hoe hisy hitondra grenade "offensive" sy "défensive" amin'ireo mpitolona izay efa fantatra amin'ny tsy fampiasainy herisetra (non violence). Nihoatra ny folo izany nosamborina izany.


Niavaka ihany koa ny ompa nataon'ireo zandary sasantsasany tamin'ireo olona nosavainy sy ny komondry mbamin'ny totohondry nataony rehefa avy natao fisavana ilay olona. Paika manokana tamin'ity fotoana ity mihitsy angamba ny ramatahora mba hampandresena lahatra izay manara-baovao fa tena vitsy an'isa ireto "mpanakorontana" ireto.


Etsy ankilan'izay, atao hoe noezahana ny hanafina ny paikadin'ireo kandidà ka amin'ny minitra farany vao tenenina hoe etsy no mandeha ny mpitolona, avy eo anefa miara-tonga amin'ny mpitandro ny filaminana eo ihany. Hevitro manokana, lasa toa nanakely isa ny mpitolona ny fisaratsarahana tamin'ny paika izay zary toa lasa hoe tsy nisy paika aza no tena marina, raha nizara ny olona dia tokony ho roa ihany izany fizarana izany. Hevitro manokana, tsy ilaina ny manafina ilay paika satria tsy fantatrao izay mety hamadika any ho any fa aleo aza hitam-bahoaka rehetra ihany. Manaraka izany, heveriko fa betsaka ihany ny mpitarika no tsy hita mihitsy izay nalehany tamin'io fotoana io ka nampisy lesoka be ihany.      


Fehiny, faly ny manampahefana ara-miaramila fa tsy tafiditra ny kianjan'ny 13 mey ny mpitolona ary toa tsy nanana ny eritreritra ny hikiry hitodi-doha ho any akory aza. Izany hoe vita ny fitenenana haka ny excalibur fa avy eo toa tsy nanana fotoana sy eritreritra hanao izany intsony. Vonona aloha loatra ny mpitolona ary tratra aoriana loatra ny mpitarika tamin'iny fotoana iny.

Koa aza atao hahagaga anao raha lasa misy ireo naneho hevitra fa tsy voasakana intsony izany ilay fifidianana amin'ny 16 novambra 2023 ka isafidio izany tsy ratsy kokoa amin'ireo nanao fanentanam-pifidianana. Tsy heveriny intsony hoe mety hisy anie ny olona na vondron'olona mety hivonona ny tsy hahavanona ny fifidianana ary mahafantatra fa fandrika omena ireo Vondron'ny Kandidà ny ilazana azy ireo ho mpanakorontana dia amin'izay mikoropaka ny hanaporofo fa tsy mpanakorontana ka hamela malalaka ny fifidianana hizotra fa tsy mandray anjara fotsiny. Vela-pandrika hafa koa izay fa dia ho hita ihany ny ataon'ny Vondron'ny Kandidà.

 
 

Aucun commentaire: