11.11.23

Hafatry ny fivondronam-ben'ny Evekan'i Madagasikara

Tsonga ihany, noho izany tsy ilaozan'ny fitongilanan'ny mpanangom-baovao.

"Inona ary no hataonay?"

Gaga sy sanganehana miaraka aminareo izahay, amin'ny maha-Raiamandreny anay, raha mahita ny zavamisy ankehitriny. Tontolon'ny herisetra no misy antsika, na amin'ny alalan'ny fitaovana izany na amin'ny alalan'ny fihetsika sy ny teny. Tsy misy olona to teny intsony satria tsy mahay mifampihaino [...]. Ny vahoaka no mizaka ny tsi-fitovian-kevitra eo amin'ny mpanao politika. Isaorana ireo rehetr [...] mitady vahaolana am-pahendrena, mifanatona sy mampifanatona ny hery sy ny firehana samihafa.

[...] Maro ireo mpanao politika sy mpanambola no toa mihevitra fa fananany manokana i Madagasikara ka entiny amin'izay tiany hanaovana azy.[...] Aoka holazaina mazava fa amin'ny maha-tany demaokratika sy tany tan-dalàna ny firenentsika dia ny vahoaka no lohalaharana. Ny vahoaka maneho ny heviny amin'ny alalan'ny fifidianana malalaka sy mangarahara no miantoka izany.

Avelao ny vahoaka haneho ny heviny sy hamaritra ny hoaviny an-kalalahana sy araka ny lalàna velona, amin'ny alalan'ny fifidianana. Aoka izay ny fanambazana vola ny safidiny. Aoka isika ho tony manoloana ny fanaon'ny mpanao politika izay mampiady sy mampizarazara antsika. [...] tsy ny androany na ny tenanao ihany no jerena raha mifidy, fa ny fiainan'ny firenena sy ny fiandrianany, ary indrindra ny taranaka. [...]

Marina fa misy ny lesoka amin'ny fiatrehantsika ny fifidianana. Tsy afaka hiandry fahalavorariana anefa isika vao hanao izany, satria sarobidy ny fiandrianam-pirenena ka tokony hahasaro-piaro antsika. Koa aoka samy handray ny andraikitra araka izay tandrify azy isika mba hahatomombana ny fifidianana. [...] Tsy anjaran'ny Eglizy ny mampihemotra na mampandroso ny datim-pifidianana. Misy ny tompon'andraikitra mahefa amin'izany. Aoka samy hanao tsara izay manandrify azy,[...] Antso ho amin'ny fandinihantena sy ny fibebahana ary ny fihavanana no amarananay izao hafatra izao.


Natao teto Antananarivo. Androany 9 novambra 2023

Fanehoan-kevitr'ireo namaky azy tao amin'ny tambajotra an-tserasera:
Amin'ny ankapobeny faly ny mpanohana an'i Andry Rajoelina satria tsy afaka hiandry fahalavorariana vao hanatontosa fifidianana ary tsy fahefan'ny Eglizy ny hampandroso na hampihemotra ny datim-pifidianana. Etsy ankilan'izany dia nahitana fahasorenana ihany ny ankoatra izay tamin'ny ankapobeny hatrany satria toa tsy hita loatra ny famelezana ny teo amin'ny fitondrana farany sy izay miziriziry tamin'ny heviny, ny mahay mihaino kosa milaza fa tena nisy fantsy ho azy tao fa tsy araky ny hafa loatra ilay izy. Betsaka ihany ireo tsy nino fa nihevitra azy ho fanambaràna hosoka raha tsy namaky azy mivantana ny iray tamin'ireo Eveka.


Aucun commentaire: