5.11.23

Fantatrao ve fa miaina tantaran-tolom-panafahana isika izay miaina izao taona 2023 izao?

 Indro Madagasikara mitodi-doha hiverina ho "colonie". Tia mamaky sy mandalina ny tantaran'i Madagasikara aho, mangetaheta tantaran'i Madagasikara hatry ny fony vao zaza. Tsapako ankehitriny fa lasa iainantsika ankehitriny amin'izao taona 2023 izao indray ny efa niainan'ireo razantsika teo aloha niady tamin'ny fanjanahantany.

Fantatrao ve fa nisy ireo Malagasy tsy manaiky ho entim-bahiny na hofehezim-bahiny ka manao ny fomba rehetra hialan'ireo vahiny mitady hanjakazaka, mitady hitsentsitra ny harem-pirenena sy manandevo ny olon'ilay firenena itsentsefany izany firenena izany? Izay no mahatonga an'i Madagasikara tsy mety ho zanatany raha tsy tamin'ny faramparan'ny taonjato faha-19.

Fantatrao ve fa efa nisy ireo ampahana Malagasy tsy tia ho entin'ireo mpitondra malagasy tena tia ny tanindrazany fa naleony nifanaraka tamin'ny Frantsay misolo tena an'i Frantsa toa izay mijoro matanjaka izany firenena malagasy izany? Izay no mahatonga ny mbola fisian'ireo ampahana malagasy mirona kokoa hifanaraka amin'i Frantsa sy miady tombontsoa manokana mihoatra noho ny Malagasy hafa, te-ho vazaha Frantsay ara-taratasy, ho mpiara-mitsentsitra amin'ny Frantsa ary hitsentsitra ny Malagasy mpiray tanindrazana aminy fa tsy raharahany izany Madagasikara mandroso izany, izany Malagasy tsy mena-mitaha amin'ny hafa firenena izany.

Fantatrao ve fa na ny vahiny aza gaga hoe toa tsy taitra mihitsy izany Malagasy izany teo amin'ny fiainany andavanandro fa na dia efa atsasa-dalana ho eto Antananarivo aza ny tafi-panjanahana dia mbola minia mikimpy ihany ny Malagasy daholobe fa aleony manao ny asa fanaony andavanandro toa izay hivonona hiady amin'izany tafi-panjanahana izany? Izay no mahatonga ny sasany manao fisainana mbola mivandravandra ankehitriny hoe miaro ny tombontsoany ireo olona ireo fa tsy misy izany fitiavan-tanindrazana izany. Izay no mahatonga ny sasany mihazakazaka mitady ilay tolotolotra kely, ilay bôjibôjy kely hivarotam-panahy nefa sady tsy mahavita taona ny omena azy no mbola tsy mety avotra sy mivoatra ny taranak'ireny karazan'olona ireny.       

Fantatrao ve fa rehefa tsy afa-mikofoka intsony ireo mpitarika sy ireo tokony hitarika ho amin'ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena vao nikoropaka ny malagasy maro an'isa ka mandray lefona sy ampinga iadiana amin'ny basy aman-tafondro? Nefa dia atody miady amam-bato, ka lasa ireo mpiray tanindrazana aminy indray no iadiany sy vonoiny satria heveriny ho mpamadika tanindrazana. Vokatr'izay mitsitokotoko ny Malagasy ary mbola izany mandraka ankehitriny. Vokatr'izay, nahazo vahana ny tafi-panjanahana  ary manao herisetra amin'ny Malagasy tsy manaiky ho entim-bazaha, manao herisetra amin'ny Malagasy tsy manaiky hotsetsefim-bazaha mangalatra amin'ny fomba "ara-dalàna" ny hareny, midarodaroka ireo malagasy mitovy aminy saingy tsy manaiky hitovy hevitra aminy. Vokatr'izay ireo saribakolin'ny mpanjanatany hatrany no avela hitondra an'i Madagasikara, zanahana amin'ny fomba ankolaka i Madagasikara nefa efa zanahana ihany no dikan'izany, efa "colonie" hoy ny voasoratra eny am-piandohana.

Fantatrao ve fa tolona milamina no nataon'ny mpianatra tamin'ny tolona voalohany taorian'ny fiverenan'ny fahaleovantena malagasy fa tsy noraharahian'ny mpitondra izany? Fandrahonana sy fampitahorana no vahaolana hitan'ny mpitondra satria heveriny ho mbola zaza sy misy manasa atidoha (ary mpifoka rongony!) ny sain'ny zanany ary niafara tamin'ny fisamborana ireo mpitarika mpanao fihetsiketsehana izany sy fitifirana ireo mbola mahasahy manohintohina ny mpitondra voafidim-bahoaka maherin'ny 90%n-ny vato manankery. Tsy nilamina intsony ny tolona ary noraisiny ho fahavalom-bahoaka ireo nahasahy nitifitra sy namono ny mpiray tanindrazana aminy ary nanaovan'olona hazalambo ka tsy naharo azy ireny intsony ilay basy noheveriny ho nitoeran'ny heriny.

Dia lazao hoe aiza ho aiza amin'ireo toe-javatra notantaraina teo ambony ireo ny toe-javatra misy eto amin'ny firenena amin'izao fotoana izao. Aiza ho aiza amin'ny fijoroana tsy manaiky ho entim-bahiny sy hozanaham-bahiny isika amin'izao fotoana izao? Aiza ho aiza amin'ireo manaiky hivaro-panahy  hanompo ny mpanjanatany sy hanompo ny saribakolin'ny mpanjanatany ary mizaka ny zom-pirenen'ny mpanjanatany isika amin'izao fotoana izao? Aiza ho aiza amin'ireo milaza ny tolona ho fandaniana andro sy tsy hihinanan-kanina isika amin'izao fotoana izao? Aiza ho aiza amin'ireo sokajin'olona tsy manaiky ho entin'ny saribakoly lazaina ho mpanakorontana sy heverin'ny mpanjanatany ho fahavalo isika amin'izao fotoana izao? Aiza ho aiza amin'ny fisamborana sy ny fitifirana ary darodaroka sy fampijaliana ataon'ny tafi-panjanahana amin'ny sokajin'olona tsy manaiky hozanahana indray isika amin'izao fotoana izao. Aiza ho aiza amin'ny tolona milamina tsy henoin'ny milaza ny tenany ho mpitondra isika amin'izao fotoana izao? Aiza ho aiza amin'ny fiheverana hoe tsy ilaina intsony ny fitolomana milamina tsy mampiasa herisetra isika amin'izao fotoana izao? Aiza ho aiza amin'izay tsy mbola notantaraina teo ambony isika izao?


Aucun commentaire: