3.11.23

Mahitsy: ny olona mihitsy no naka ny kandidà nosakatsakanana

Taorian'ny tany Ambohitrimanjaka omaly 2 novambra 2023 izay tsy nisy fanakatsakanana nefa nahazoana olona maro manomboka tany amin'ny tetezana fidirana ny tanàna mandra-pahatonga tany amin'izay nandehanana nanaovana kabary farany dia mifanohitra tamin'izany kosa ny nitranga tao Mahitsy 30km any ho any miala an'Antananarivo manaraka iny Lalampirenena fahaefatra iny androany 3 novambra 2023.

Nanomboka teny Ambohidratrimo ny fanakatsakanana ny tsy handehanan'ny kandidà tamin'ny alalan'ny kamiao fanahy iniana ajanona afovoan'arabe dia ilaozan'ny mpamiliny avy eo. Nahazo fanakanana manokana ihany koa Ravalomanana satria nanomboka hatrany an-tranony ny azy ny fanakatsakanana nataon'ny zandary. Avy eo moa dia tena tsy navelan'ny mpitandro filaminana hiroso intsony ny fiara nandehanan-dry zareo kandidà ka voatery ry zareo nandeha an-tongotra tsimoramora fa tsy hoe niverin-dalana kosa satria efa fotoana nifanomezana io. 

Etsy ankilany, tsy navelan'ny zandary hitsena ireo kandidà ihany koa ny vahoakan'i Mahitsy ka nitady lala-miodina sy lala-manivaka tsy manaraka ny lalam-pirenena nananika tendrombohitra sy nanavatsava ny any anaty kirihitra sy hantsana ary tanimbary rehetra tany nitady fihaonana amin'ireo nifanome fotoana taminy. Dia izany no tena hoe tafahoana tany ankodahoda ny tia sy ny manina.


 

Rehefa tafahoana indray dia tsy nanaiky ireo nitsena ny kandidà raha tsy nankany Mahitsy ireo olona notsenainy ireo. Tena nisandrahaka tokoa ny kandidà satria vahoaka no manoloana azy ireo ary ny vahoaka no tompon-tsafidy.

Dia narahana tamin'ny sitrapony ny tanora, satria tanora no tena maro an'isa amin'ny mpitsena ary mahavita lala-davitra sy tsy mahalala reraka tamin'izay nandehanana. 

Nitodi-doha nankany Mahitsy ny rehetra ary dia tena nanavatsava ny tanàna iray manontolo tamin'ny fizorana ny lalampirenena, nandalo izany foiben'ny mpanohana ny kandidà efa tsy malagasy intsony izany fa tsy natao na inona na inona ireo, hita tokoa fa tsy manana kakay amin'ny hevitra tsy mitovy. 

Nandalo tranon'olona manofahofa ny faneva laoranjy sy nandihy tambony tafotranony ihany koa fa nihirahiràn'ny tanora amin'ilay hira nanana ny lazany amin'ny hoe "tsy mahalala menatra io ô!"

Tafapetraka ho tantara ity nataon'i Mahitsy ity ary enga anie ho santatry ny fandresena rahampitso ity fandresena androany noho ny fahafahana mihaona ity.

Fehiny, samy valalanina na ny mpanao gazety na ny mpanara-baovao fa toa tsy mety tonga any amin'ny toerana nomanina hihaonana mihitsy izy izany. Fa tody ihany ny farany e! Raha matetika amin'ny roa folakandro eo ho eo dia tapitra ny fihaonana dia ity no diabe naharitra indrindra sy lavitra indrindra hatramin'izay satria tamin'ny efatra ora mahery vao tonga teo amin'ny toerana nomanina izay mbola nihataka lavidavitra ny tanàna. Ary mbola nanatombo noho ny an'ny kandidà ny diabe vitan'ny tanoran'i Mahitsy noho ilay fitsenana tany amin'ny dimy kilaometatra miala ny tampontanànan'i Mahitsy. 

Fandresena tokoa ity androany ity satria vao maika nampafàna ny fon'ny tanora ilay fanakatsakanana natao tany am-piandohana ary mbola nahay niala tsy nifanandrina nivantana tamin'ny mpitandro ny filaminana nibahana ny lalam-pirenena ry zareo. Manan-kotantaraina ny mponin'i Mahitsy noho ity zava-nitranga androany ity ary enga anie tsy ho very maina ny tolona nataony.


Aucun commentaire: