Accéder au contenu principal

Tohin'ny raharaha tsi-fizakàn'Atoa Andry Rajoelina intsony ny zom-pirenena malagasy

22 jona 2022 no navoakan'ny gazety sy fampahalalam-baovao maro ao Frantsa ny taratasy nivoaka tamin'ny taona 2014 (Dossier n°2014X 034326 99) voasonian'ny minisitra frantsay misahana ny atitany Bernard Cazeneuve sy ny praiminisitra frantsay Manuel Valls tamin'ny 19 novambra 2014 sy ny gazetim-panjakana frantsay (Extrait du décret n°046/881 du 19/11/2014) nahazoan'ny Filoha Andry Rajoelina zom-pirenena frantsay. Mazava anefa ny voalazan'ny lalànan'ny fizakàna ny zom-pirenena malagasy fa VERY ny zom-pirenena malagasy ho an'izay nangataka an-tsitrapo sady feno taona zom-pirenena vahiny hafa. Mariho fa efa tamin'ny 13 jona 2023 no niely  tamin'ny tambajotran-tserasera malagasy io vaovao io.

Tamin'io fotoana nampalaza ny raharaha io dia tsy namaly mivantana ny Filoha Andry Rajoelina fa niteny kosa hoe "Tsy misy mahaisotra na manova ny ra malagasy mikoriana ato amiko" raha niteny kosa ny Lehiben'ny kabinetran'ny Filoha Romy Voos Andrianarisoa hoe: "Malagasy ny ray sy ny reny niteraka ny Filoha. Malagasy izy".

Ny 29 jona 2023, nametraka fitoriana  teny amin'ny Fitsarana ambaratonga voalohany misahana ny ady heloka bevava ny ADM na (Association pour le droit et le developpement de Madagascar) notarihan'i Fanirisoa Ernaivo amin'ny fahaverezan'ny zom-pirenena malagasy sy ireo fandikan-dalàna maro naterak'izany fa tsy nahenoana tohiny.

Nametraka fitoriana teny amin'ny HCC na ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana ihany koa Fanirisoa Ernaivo ny 12 jolay 2023 noho ity toe-javatra vaovao ity amin'ny tokony hanafoanana ny filatsahan'i Andry Rajoelina hofidiana tamin'ny taona 2018 satria efa tsy mizaka ny zom-pirenena malagasy intsony izy tamin'ny nametrahany ny antonta-taratasiny tamin'ny volana aogositra 2018 ary nafenininy ny efa nahazoany io zom-pirenena vahiny io.

Tamin'ny alahady 16 jolay 2023 Atoa Andry Rajoelina no namaly tamin'ny fahitalavi-panjakana sy ireo fampitam-baovao tsy miankina vitsivitsy momba ity zom-pirenena ity. Naharitra ora telo izany fanazavana izany, nohamaivaniny ity resaka ity satria "tsy misy miraharaha izany intsony raha vao miala 50 kilaometatra miala an'Antananarivo monja". Nolazainy fa naka ny zom-pirenena frantsay izy noho ny fitiavany ny zanany sy hanamoràna ny fianaran-dry zareo any ampitam-dranomasina. Nolazainy fa nolovainy tamin'ny raibeny koa io zom-pirenena io. Ny mpanara-baovao anefa mahatakatra fa ho takalon'ny tsy nirotsahany ho kandidà filoham-pirenena tamin'ny taona 2013 no nahazoany io zom-pirenena io ho fiarovany ny tenany amin'izay mety ho fanenjehana noho ny raharaha 2009 sy ny fiantraikan'izany teo amin'ny firenena.

Tamin'ny 22 aogositra 2023, namoaka didy ny HCC (Arrêt n°04-HCC/AR du 22 août 2023), namaly ny fitorian'i Fanirisoa Ernaivo. Efa namaly ny mpiaro an'Atoa Andry Rajoelina fa tsy azo ivalozana intsony izay didy rehetra navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana ary efa nankatoavin'ny Fitsarana ny filatsahany hofidiana satria feno avokoa ny taratasy mila nofenoina ary ao anatin'izany ny "certicicat de nationalité" na fanamarinana zom-pirenena izay porofo mitohoka amin'ny tenda ny fizakàny zom-pirenena malagasy ary natao hanakorontanam-bahoaka mialoha fifidianana fotsiny ity fitoriana (requête) ity ka tsy maintsy lazaina ho tsy azo raisina.

Ny andininy faha-90 amin'ny fizakana ny zom-pirenena dia manondro fa mizaka ny zom-pirenena malagasy izay malagasy ray malagasy reny. Nolazaina ihany koa fa azo atao fa tsy voatery ny fahaverezana zom-pirenena.

Nodidian'ny HCC fa tsy mahefa ny HCC amin'ny itsarana an'Atoa Rajoelina Andry Nirina hoe very zom-pirenena, tsy azo raisina ny fitoriana satria efa nihoatra ny fetra azo anaovana ny fitoriana (forclusion).

Nifarana tamin'ny 3 septambra 2023 ny lalaon'ny Nosy faha-11 izay nataon'ny mpitondra ho fitaovana politika nandritra ny lanonam-pamaranana, naseho ny soratra hoe Victoire sy ny tanana manao V fanaon'ny Filoha hatramin'ny tolona nataony ny taona 2009. Tamin'ity andro ity ihany koa no niantsoan'i Haingo Rakotoniary Ravatomanga filohan'ny Fikambanana "Andry sy Fototra ho an'ny Fampandrosoana" (AFF) an'i Andry Rajoelina hirotsaka indray ho kandidà Filoham-pirenena.

Novalian'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, izany antso izany tamin'ny 6 septambra, fa ho kandidà tokoa izy amin'ny fifidianana filoham-pirenena 9 novambra 2023.

Notendrena ho Loholona amin'ny anaran'ny Filohan'ny Repoblika, tamin'ny alalan'ny didy hitsivolana ny Jeneraly Richard Ravalomanana ny 9 septambra 2023. Nolazaina fa niala amin'ny toerana maha-Filoham-pirenena azy Andry Rajoelina tamin'ity andro ity. Talohan'izany dia nandray ny fianakavian'ireo maty 13 voahitsaka tamin'ny fanokafana ny Lalaon'ny Nosy tao amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha izy. Voatsikera tamin'izany izy satria nodiany tsy fantatra mihitsy ny fisian'ireo maty ireo nandritra ny lalaon'ny nosy koa nahoana no izao indray vao mody mampiantso nefa ny fomba malagasy dia ianao no mandeha any an-tranon'ny niharam-boina na mamangy eny amin'ny hopitaly ho an'ny maratra na marary.

Tamin'ity andron'ny 9 septambra ity ihany dia voalaza fa tsy handray ny toerana maha-Filoham-panjakana azy ny Filohan'ny Antenimiera Herimanana Razafimahefa noho ny antony manokana izay tsy nambara. Ny governemanta no nandray izany toerana izany izay tarihan'ny Praiminisitra Christian Ntsay.

Navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) ny lisitr'ireo kandidà ho filoha izay hotontosaina amin'ny 9 novambra 2023 ho avy izao. 13 ny isan'izy ireo. Ny afaka ampitson'io, izany hoe ny 11 novambra 2023 no nandray ny laharana tao anaty biletà tokana tao amin'ny foiben'ny CENI eny amin'ny INIFRA Alarobia ry zareo ireo ka toa izao manaraka izao izany filaharana izany:
1- Tahina Razafinjoelina
2- Hajo Herivelona Andrianainarivelo
3- Andry Nirina Rajoelina
4- Iarovana Roland Ratsiraka
5- Marc Ravalomanana
6- Auguste Richard Paraina
7- Andry Tsiverizo Raobelina
8- Jean Brunelle Razafitsiandraofa
9- Lalaina Harilanto Ratsirahonana
10- Hery Martial Rajaonarimampianina
11- Sendrison Daniela Raderanirina
12- Jean-Jacques Ratsietison
13- Siteny Thierry Randrianasoloniaiko

Tamin'ny famoahana ny lisitr'ireo nirotsaka ho kandidà ho filoham-pirenena tamin'ny 9 septambra ihany koa no nivoahan'ny didin'ny HCC (Arrêt n°06-HCC/AR) momba ny fitorian'Atoa Hajo Herivelona Andrianainarivelo, ny HVM nisoloan'Atoa Rivo Rakotovao tena, ny Antoko Tiako i Madagasikara nisoloan'Atoa Tahiry Ny Riana Randriamasinoro tena, ny antoko Firaisankinan'ny Tia Tanindrazana nisoloan'Atoa Razafinjoelina Tahina tena mikasika ny tsi-fizakàn'Atoa Andry Nirina Rajoelina ny zom-pirenena malagasy satria tsy feno ny "certificat de nationalité". Nodidiana fa tsy azo raisina ny fitoriana dia izay fotsiny fa tsy misy antony napetraka.

Nialoha izany didy izany dia nosoritany fa araka ny andininy fahadimy amin'ny lalampanorenana dia "An'ny vahoaka ny fiandrianana (souveraineté), loharanom-pahefana rehetra, izay mampihatra izany amin'ny solontenany voafidim-bahoaka mivantana na tsy mivantana, na amin'ny alalan'ny fitsapa-kevi-bahoaka; tsy misy ampaham-bahoaka, na olontokana mihambo tena hampihatra izany fiandrianana izany".


Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...