31.10.23

Ilay fahavalo Marc Ravalomanana

Fanamarinana ety am-piandohana, nandika ity indray aho satria efa namaky azy ity tany alohaloha tany (nandritra ny tetezamita) ary niverina eto indray izany noho ilay rangahy iray tsy fantatro loatra iny.
 

Ilay paika nanatanterahana ny "revolisiona" taona 2009: Manao izay fomba rehetra hanaratsiana an-dRavalomanana hanaisotra azy ao Iavoloha sy Ambohitsorohitra.
 

Mitady hevitra ataingina hiniavana sy hanatanterahana fanonganam-panjakana. Hamehezana io "tolona io ho ao Antananarivo sy ny manodidina ihany.

Manomana sy miantoka ara-bola ary mitarika fanonganam-panjakana.

Mitady sampana mitam-piadiana hapetraka an-kery (Capsat)

Mandrava izay endrika fampandrosoana rehetra natombok'i Marc Ravalomanana.

Mandrava izay rehetra mety hahatafarina indray an-dRavalomanana.

Manameloka ny fanonganam-panjakana am-bava ihany eo amin'ny sehatra iraisampirenena.

Mitady olona (UA,UE ary ONU) manaiky hampitarazoka ny fifampiresahana hiverenan-dRavalomanana sy vondrona ifandraisana hanolo-kevitra izay hotsipahina hatrany.

Hanao izay hitazonana an-dRavalomanana ho an-tsesitany mandra-pahatapitry ny fotoam-piasany.

Mamerina indray ny fampisaraham-bazana. Mamelona indray ny PADESM. Zanak'Antananarivo ihany no hiandraikitra izany.

Mampitarazoka ny toe-draharaha mandra-pahatapitry ny fotoam-piasan-dRavalomanana

Manomana fifidianana "Filoham-pirenena" tsy ahafahan-dRavalomanana mandray anjara satria efa nahavita fe-potoam-piasana indroa izy.

Miverina ampilaminana eto an-tanindrazana tsy mahavita na inona na inona intsony Ravalomanana.

Ajedaka i Andry Rajoelina hanalana baraka an-dRavalomanana eo imason'ny mpiray tanindrazana.


 

Aucun commentaire: