Accéder au contenu principal

Misaotra ny mpanohana ny collectif des candidats

 Eny e! teny frantsay moa no nanaovanareo ny anaranareo fa zakaina eny ihany izany. Izay ve ny fotoana mety ka nidirana indray tamin'ny Coliséum Antsonjobe? Raha niainga tamin'ilay hoe tsy miditra herisetra araka izay azo atao dia tokony ho tamin'ny nanolorana voalohany ny Coliséum dia efa notairina izany satria maridrefy hamantarana ny hamaroan'ny mpanaraka io toerana iray io.

Tsorina kosa fa tsy nitsanga-menatra ny mpitaky ny ara-dalàna manohitra ny barofo ataon'ny eo amin'ny fitondrana raha ireo olona tonga tao anaty fanentanana zara raha misy ora roa ireny araka ny fijeriko. Avy amin'ny fandaharana "Angaredona" iarahan'ireo fampahalalam-baovao mirona amin'ireo vondron-kandidà manohana ny fifidianana madio ihany no nisy izany fanentanana izany. Fantatro tsara fa tsy zoto fa adidy ny nahatongavana teny. Tsy zoto satria mety ho nisy zavatra hafa natao, toa ahy, tsoriko izany, fa fandresen-dahatra sy adidy kosa fandrao ny tsi-fahatongavako no maha-banga ny toerana sy manala baraka ilay tolona ho tolon'ny vitsy an'isa te-hanakorontana fotsiny.

Resy lahatra ny olona satria tsy niditra herisetra mihitsy ny mpitarika ary nanao izay hialana amin'izany. Hitako ho kanosa aza indraindray fa vao misy zandary manatona fotsiny dia iny fa mirifatra tahaka ireny nanao ratsy ireny. Izay no efa nanoratako tao amin'ny tambajotran-tserasera teo hoe raha manaiky hosamborina eny an-kianja ny kandidà dia mirodana ho azy ny fitondrana. Vao teny am-pikabariana teny Manakambahiny tamin'ny zoma 20 novambra mijery izay mety ho fahatongavana mpitandro filaminana avy any Tsimbazaza dia kivy ny tena. Tsy hanao raha ireto raha izao.

Fandrisihana ny kandidà no nataon'ny vahoaka tonga teny Antsonjobe ny Asabotsy lasa teo. Vahoaka tsy tia gidragidra, vahoaka tsy nentanina hoe hisy fizaram-bola na akanjo na raoby na tee-shirt, vahoaka tsy nalaina fiara hatrany amin'ny fokontany misy azy fa dia vahoaka nandrera-tena tamin'ny dia an-tongotra aza noho ny tolona iaraha-manana.
Nihabetsaka tokoa ny olona tonga satria niha-sahy ary mahatsapa fa tsy azo atao intsony ny mihemotra. Ireny no lazaiko hoe feno toy ny atodim-borona, feo fa mbola misy banga ho toy ny rivotra iainan'ilay zana-borona ho foy fa tsy feno toy ny boatin-tsardines tsy mendrika ny maha-olombelona sy mety ho tsy azo iainana.

Fa satria miha-mahazo vahana hatrany ilay tolona, dia mivoaka ny efa noahiahian'ny maro amin'ny hoe misy natao handoto rano fotsiny ao anatiny ao. Efa nifanarahan'ny rehetra fa fifidianana madio no takiana ary efa mivandravandra fa mitongilana tanteraka any amin'ny vao nitondra farany teo ny rafitra rehetra na ara-panjakana na ara-pifidianana, fa dia mbola nisy ihany ny nisolantsolana hanao izay haharava izany fitakiana izany.

Dia nisy ireo tao amin'ny tambajotran-tserasera nanambara avy hatrany fa namono tena ara-politika izy afa-tsy hoe efa izy mihitsy angaha no nampanantenaina omena ny toerana rehefa tsy afaka intsony i "Vazaha". Toy ny tamin'ny tolon'ny 1991 izay niainana ihany ka nahavaky ny Hery Velona ho Rasalama sy Rabearivelo izay samy sekoly nanaovana ny fanomanana tolona. Dia iny fa nisintaka tamin'ny alalan'ny fanaovana propagandy nanomboka androany alahady 22 oktobra ny kandidà iray nanambady "vazaha".

Ny fampitamberina zavatra toy izany no entina mampahatsiahy ihany koa fa nandritra ireny tolona 1991 ireny dia ny Hery Velona Rabearivelo alias MFM na Mpitolona ho amin'ny Fampandrosoana an'i Madagasikara (Mpitolona ho amin'ny Fanjakan'ny Madinika teo aloha) no nataon'ny Hery Velona Rasalama fahavalo mihoatra noho ny Mandatehezana Miaro ny Sosialisma Malagasy (MMSM) sy ny AREMA mpitarika azy tamin'izany fotoana izany. Na mety ho misy aza ny rariny ho an'ny MFM, ny fiatahana tamin'ny besinimaro tamin'izany no nametrahana azy ho Mpamadika koa aza atao mahagaga raha efa mandeha sahady ny esoeso amin'izao fotoana izao hoe samy Agrume daholo na ny laoranjy na ny voasary makirana fa ny iray mamy ary ny iray marikivy.

Amin'izao fotoana izao dia tokony hihamazava amin'ny olona kokoa ny tanjon'ny Vondron'ny Kandidà ambiny amin'izao fotoana. Tsy misy fifidianana amin'ny 16 oktobra 2023 ary efa tokony hipetrapetraka avokoa ny paika rehetra ho amin'izany fa ny dinika izany efa tsy raharahian'ny mpitondra na oviana na oviana.

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...