28.10.23

Indray andro am-pitolomana

Sambany indray aho no nitolona ho amin'ny hoavin'i Madagasikara an-kianja. Ny tadidiko farany dia tany amin'ny taona 2010 any ho any. Tsy nidina an-kianja na an-dalambe aho tamin'ny taona 2018 satria tsy naharesy lahatra ahy, fa tena nahagaga sy nahatalanjona ahy, izany hoe TIM sy MAPAR ka hiaraka hitolona ho fakana ny kianjan'ny 13 mey 1972. Efa nihevitra aho tamin'izany fa voafitaky ny MAPAR na ny mitovitovy aminy fa tonga dia hitsiko fotsiny hoe mpiara-dia amin'i Andry Rajoelina ny TIM tamin'izany fotoana izany. Tsy namitaka ahy ny eritreritro tamin'izany fotoana.

Tamin'ity taona ity indray, naharesy lahatra ahy ny tolona fa ny fotoana no tsy afaka aho. Manaraka matetika ny vaovao avy amin'ny mivantana na famakafakana anefa, indrindra fa amin'ny fanarahana ny fandaharana Angaredona. Androany 27 oktobra 2023 aho no naka fotoana hanao izany tolona izany satria:
Voalohany, aty amin'ny distrika misy anay no handalovan'ny Collectif des Candidats;
Faharoa, tsy hoe manohana fotsiny ilay tolona aho fa iray amin'ireo nitaky ny hanaovana izany tolona izany mihitsy noho ny toe-javatra misy eto amin'ny firenena, iray amin'ireo mitaky ny mba iarahan'ny kandidà mifaninana;
Manaraka, misy ny fotoana tsy maintsy vonoina ary misy ny zavatra tsy maintsy nampandeferina ho fanohanana ny tolona sy handrisihana ny hafa tsy hatahotra izay mety ho baomba mandatsa-dranomaso na fampihorohoroana hafa.
Tohiny, ekena ny teny hoe ilaozana mandany andro amin'ny tsy misy dikany fa aleo kely ny andro lany sy hery sy tanjaka very noho ny fanatanterahana tolona toa izay ny andro sisa iainanao sy ny taranakao manontolo no very (tsy dimy taona fotsiny intsony io!); raha lazaina amin'ny voambolam-pivavahana dia hoe aleo very andro vitsivitsy toa izay ny mandrakizainao eto an-tany no very. Mety ho sarotra ny mahazo ny resaka fiandrianam-pirenena amin'izao fotoana izao noho ny tsy nitaizana intsony ny Malagasy ho amin'izany fa niniana nafangaro tamin'ny fanohanana sy ny fiarovana ny filoham-pirenena io voambolana iray io. Fa tsy ekena kosa ilay fanasokajiana tsimoramora ny olom-pirenena ho ambany zo noho ny "vahiny" iraisan'ny mpitondra fanjakana tsikombakomba hanaovana fitadiavam-bola. Tsy ekena ny hanaovana rapa-dango ny fananam-pirenena ho eo am-pelatanan'olombitsy fa ny hafa sy ny mpamokatra kosa tsy raharahiana sy atao ambanin-javatra, izany hoe efa mihoatra ny fetra ity fanafaran'entana izaitratra ity nefa misy sy azo heverina ho ampy tsara ny eto an-toerana toy ny vary sy ny katsaka.  

Vahoaka sahy tokoa no nifanena tamiko na dia vitsy kokoa noho ny nantenaiko aza ka tsy natahotra hoe iretsy misy miakanjo maramara na mangamanga ka hoe andao handositra. Efa vonona hisedra izay mety ho sakantsakana ireo olona hitako an-dalana ireo. Nanaraka azy ireo tamin'ny filaharana aoriana izay eo alohan'ny mpitandro ny filaminana aho, izany hoe raha misy ny fisamborana tampoka ataon'ireo dia anisan'ny mety ho voasambotra voalohandohany ny tena. Niandry ho any amin'ny faran'ny laharana aho satria nijery sy nitazana fa toa tsy nahita kandidà niaraka tamin-dry zareo, tsy nahatratra ny fiaingana aho fa ry zareo eo efa ampitan'ny Foiben-ketran'Avaradrano no nifanena tamiko. Mba reraka koa aza ny mpitandro ny filaminana ka nampaka ny kamiao hitatitra azy ireo avy eo am-pidinana ho any Manjaka ho any Sabotsy tampon-tanàna. Tsy mahagaga (28 oktobra) raha mahita ny vondron'ny kandidà fa fotoana amin'izay handehanana eny amin'ny kianjan'ny 13 mey.

Averiko indray, vitsy noho ny nantenaiko no nandeha ary heveriko ho vitsy tsy mampatahotra ny ankilany fa mety mampihomehy azy ireo aza hoe ireo fotsiny ve? Fampaherezana eo amin'ny samy mpitolona no ilazana hoe maro ireny olona ireny fa ny mpitazana afaka mamakafaka kosa afaka miteny mahitsy amin'ilay mahatezitra izay te-hinia mikimpy mety ho mpandrisika fotsiny fa tsy nivonona ny handeha ho any an-dalambe mihitsy fa mbola mety ho voaravan'ny mpitandro ny filaminana ireny raha mbola manao ny fombany mitsoaka isaky ny misy toe-javatra kely fanaony ireny ireo mpitarika ao amin'ny Vondron'ny Kandidà. Tsarovy fa izany tolon'ny 13 mey "original" izany (1972) tsy nisy fitroarana raha tsy nisy ny fisamborana ireo delege mpikarakara ny tolona tao Ankatso an-jatony ka nihirahiran-dry zareo tao anaty kamiao hoe "Ô! i! ô! voasambotra izahay!" hamonoana ny tolona satria hoe "Biby tsy manan-doha tsy mandeha!"

Ny tolona amin'io herinandro io tsy maintsy miainga amin'ny fitokonana faobe. Ny mpiasam-panjakana no tokony ho lohalaharana amin'izany. Tsy tokony hihatsaravelatsihy ny ao amin'ny GEM sy ny Fivpama hitaky ny mpisehatra hifampiresaka, nefa tsy hisy fifampiresahana ho vanona izany eo, fa mamela malalaka ny mpiasa ao amin'ny amin'ny andro iray na roa heverina tena ilaina izany hidina an-dalambe hanampy ny vahoaka hanaisotra ny fitondrana efa tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny intsony (fihoaram-pefy farany vao nitranga ny nanendrena ny Jeneraly Baomba ho filoham-pirenena mpisolo toerana omaly 27 oktobra 2023!). Tsy aleo ve mamono andro vitsy toa izay hamono ny toe-karena tanteraka? Mahafatiantoka firy miliara ny tsi-fiasana indray na roa andro? Fa tena kianiko ankitsirano kosa raha manakana bontolo ny mpiasa tsy hamela azy ireo mihitsy ho fandravana ny tsi-rariny. Aza manantena hahavaky izany kianjan'ny 13 mey izany raha avy any aminareo no hanakanana ny olona tsy handray anjara matevina amin'ity tolona am-batolampy ity. Hevitra ny ahy io ka am-bava homana am-po mieritra.


Aucun commentaire: