25.10.23

Fiandohan'ny aogositra 2023 ka hatramin'ny fiafaran'ny volana septambra 2023

09 Aogositra 2023 voalaza fa nisy nisompatra ny kaonty Marc Ravalomanana-Ofisialy sy ny pejy MBS ao amin'ny Facebook. Efa ho herinandro izao no tsy nisy na inona na inona nivoaka intsony tamin'ireo kaonty sy pejy ireo (3 aogositra 2023). Voasompatra tahaka izany ihany koa ny pejy Facebook Real TV izay anisan'ny be mpanaraka ao amin'io tambajotran-tserasera io.

10 Aogositra 2023, nosamborin'ny manampahefana britanika tany Londres noho ny resaka kolikoly tamin'ny orinasa Gemfields ny talen'ny kabinetran'ny filoha, Romy Voos Andrianarisoa.

12 aogositra 2023, nandray anjara tamin'ny fanampiana ny fandraofana fako eto Antananarivo Renivohitra ny Tafika Malagasy. Voasoratra izao satria tsy anaty hamehana loatra isika ary tsy tokony ho asa vonjy voina anjara asan'ny tafika maoderina ny tahaka izao.

24 aogositra 2023, Marc Ravalomanana no kandidà voalohany tonga nanatitra ny antontan-taratasy firotsahany hofidiana eny amin'ny HCC (taratasy momba ny hetra sisa tsy voaatitra fa haterina amin'ny manaraka).

24 aogositra 2023, fitokonan'ny mpianatra teny Ankatso nivoahan'ilay hira fanentanan'i Andry Rajoelina narahana ompa tahaka izay nitranga tany amin'ny sekoly politeknika Vontovorona. Niditra anaty faritry ny Oniversite ny mpitandro ny filaminana ary nidaroka ireo mpianatra tratrany tao.

25 aogositra 2023, noho ny fifanosehana teo amin'ny vavahady iray tao amin'ny kianjan'i Mahamasina nandritra ny lanonam-panokafana ny Lalaon'ny Nosy faha-11 no nisian'ny maratra maro (80) sy maty miisa 13. Nifanilihana ny andraikitra ka nahatonga ny tena hanoratra tao amin'ny Facebook tamin'io andro io toa izao:
Voalohany, Kianjan'i Soamahamasina no lasa Imahamasina ary Mahamasina ankehitriny no tsara itazonana io anarana kianja io. Eo no Manamasina ny Mpanjaka no anton'izany satria zanahary an-tany ny mpanjaka teto ary masi-mandidy amin'ny taniny sy ny vahoakany.
Tsy tokony ho azo ekena na oviana na oviana noho izany ny ametahana anaram-biby hasolo ny anarana fanosorana mpanjaka. Ketrika fanomezana hasina ny soron'omby ka zary mampihevitra ny olona tratran'ny voina ho natao sorona ny fandraiketana io toerana io anaran'omby izay lazaintsika hoe barea.
Tsarovy fa tena fanaovana matson'ny miaramila/tafika teo hatry ny fahampanjaka noho izany ankoatra ny fanosorana mpanjaka dia tsy azo adinoina ny antony hanaovana matso eo isaky ny fetim-pirenena sy fetin'ny tafika. Ny mpanjanatany niezaka namadika azy ho hazakaza-tsoavaly... fanomezan-kasina biby teo voalohany fa aiza izany ankehitriny? Tsy ilaina averina koa ny amin'izany.
Faharoa, aza ailika amin'ny vahoaka na lazaina ho tosiky ny nokaramain'ny mpanohitra ny fanaon'ny mpanendaka sy ny mpangaro-paosy amin'ny fotoana tahaka ireny. Ny tsy fahaizan'ny mpitondra no anton'ireny zava-mahatsiravina ireny.
Fahatelo, tena miara-ory ireo nidonam-pahoriana noho  ireny toe-java-nitranga ireny sy mankahery ihany koa ireo mbola eo andalam-pitsaboana. Dia aza lazaina ho fanararaotam-patin'ny mpanohitra ihany koa ny fankaherezana ataony fa very tanteraka ny hajan'ny soatoavina malagasy noho ny finiavana tsy te-hanome tsiny izay tompon'andraikitra voalohany amin'ireny teny Mahamasina ireny.

1 septambra 2023, namoaka fanambaràna ny Etat-Major Mixte Operationnel National: Manoloana ny teti-dratsy tiana volena ka hikasana hampifandrafiana ny samy malagasy, izahay mpitandro filaminana dia manao izao fanambaràna izao:
1- Tsy misy lalana na fomba hafa ankoatra ny fifidianana ambaran'ny lalampanorenana sy ny lalàna manankery ahafahan'ny vahoaka mampiasa ny fahefany hisafidy izay olona tiany hitantana ny firenena. Tsy misy rafitra na iza na iza ihany koa afaka misora-tena handrombaka ny fiandrianan'ny vahoaka (souveraineté populaire). Sarotiny amin'ny fampanajana izany voalazan'ny lalàna fototra izany ny mpitandro ny filaminana.
2- Ny mpitandro ny filaminana dia natao hiaro ny andrim-panjakana mijoro, ary hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Tsy mila korontana na krizy volena intsony ny vahoaka malagasy, fa mendrika hiaina ao anatin'ny fitoniana sy filaminana. Koa hijoro ary tsy hanaiky ny fanakorontanana na amin'ny endriny mivantana na ankolaka eto amin'ny firenena izahay mpitandro ny filaminana.

5 septambra 2023, Fanasan'Atoa Andry Rajoelina ho an'ireo "Fantatro ianao fa anisan'ny mino sy matoky fa tsy maintsy mandroso i Madagasikara" ho tonga ao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena ao Mahamasina ny alarobia 06 septambra 2023. Nolazaina an-tsisiny fa hanao rodobe miainga avy ao ry zareo ka hanatitra ny antontan-taratasiny any amin'ny foiben'ny HCC ao Ambohidahy. Kanjo mandritra ny fotoana nanaovany kabary tamin'io 6 septambra io no nanateran'ny solontenany izay iray monja izany antonta-taratasy izany, izany hoe naterina mangingina ilay izy. Tahaka ny tsy nahitan'ny olona ny nanaterana ny antonta-taratasiny tamin'ny 2013 no tsy nahitan'ny olona ihany koa ny nanaterana ny antonta-taratasiny tamin'ity fotoana ity. Ny tena tian'ny maro ho fantatra dia hoe feno hatramin'ny "certificat de nationalité" ny ny dosieny? Ka raha feno dia mpitsara iza no nanasonia io "certificat de nationalité" io? Nafenina fatratra tazonina ho tsiambaratelo izany.

8 septambra 2023, nolazain'ny fandaharana Miara-manonja ao amin'ny AZ Radio FM 101.8 fa niantohan'ny Fanjakana ny fampidirana ireo sainam-pirenena sy saina propagandin'i Andry Rajoelina nihofahofa nandritra kabariny tao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina. Tatitry ny filan-kevitry ny minisitra alarobia 30 aogositra 2023 nahitana fankatoavan'ny filankevitry ny minisitra ny handraisan'ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana avy any ivelany ireo sainam-pirenena 16 baoritra, izay nilaina ao anaty fanatanterahana ny Lalaon'ny Nosy eto Madagasikara.

14 septambra 2023, mbola manontany tena ny maro hoe tena nisy tokoa ve ilay "certificat de nationalité" an'i Andry Rajoelina? Maninona raha aseho ho hitam-bahoaka?

15 septambra 2023, tonga tsikelikely teo amin'ny kianjan'ny 13 mey nanomboka tamin'ny takariva ny fiaran'ireo mpitandro ny filaminana telo tonta, hiaro ny toerana. Gaga avokoa izay nahita izany tao an-toerana.

20 septambra 2023, nahazo SMS Andry (num tel) Fa fitiavana no lehibe indrindra alefaso amin'olona 20 fa hahazo vola 80.000 ariary ianao izao dieny izao avy amin'(nomerao tel) Andry Rajoelina n3

21 septambra 2023, hita fa hanao famoriam-bahoaka eny amin'ny kianjan'Ankatso ny TGV ny 30 septambra 2023 (tsy tontosa izany raha tsy ny 14 oktobra 2023 noho ny fitsipahan'ny tompon'andraikitry ny Oniversite ary tontosa noho ny letrezana aza io tamin'ny 14 oktobra io)

22 septambra mbola tsy misy volony hidina an-dalambe izany teo amin'ny kandidà.

25 septambra 2023, hamory ireo mpiara-dia aminy eny amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena ny kandidà amin'ny zoma 29 septambra 2023. Napetraka teny prefektioran'Antananarivo ny taratasy fangatahana. Efa nisy ny solontena nanamarina raha malalaka ny trano amin'io fotoana io ary hita fa tsy misy manao zavatra izany. Nisy ny taratasy fanamarinana.
Tonga anefa ny ampitso, 26 septambra 2023, dia nasaina namoaka fanambaràna ny tompon'andraikitry ny TAFITA, mpiandraikitra ny Lapan'ny Fanatanjahantena fa tsy marina velively ny filazana fa hisy ny fivoriana hataon'ireo kandidà 11 ao amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina ny Zoma 29 septambra 2023. Manamafy ny tompon'andraikitra fa efa  misy ireo fandaharam-potoana mazava tsara mifanaraka amin'ireo fangatahana nahazo alalana hampiasa ny Lapan'ny Fanatanjahantena ary manana taratasy fahazoan-dalana, koa hamafisinay fa tsy anisan'ny voarakitra ao anaty fandaharam-potoana io fivoriana io ary tsy mitombina ny fampielezana vaovao mahakasina ny fivorian'ny Kandidà 11 eto amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena.
Na dia nolazaina ho voarara satria tsy nahazo alalana aza ny fotoana dia tonga teny ihany ireo kandidà, te-hanamarina hoe tena misy mampiasa tokoa ve ilay Lapan'ny Fanatanjahantena? Nifanenjana am-bava tamin'ny zandary teo izay efa niambina mialoha ny toerana ry zareo ary naharitra ora vitsivitsy izany toe-javatra izany. Nanao sakana hatrany ny zandary na dia efa lalan'ny mody aza ireo kandidà ireo, fa noheverin'ny mpitandro ny filaminana hizotra ho any amin'ny kianjan'ny 13 mey angamba.
Tian-kaseho amin'ny besinimaro anefa fa tsy nisy na inona na inona akory tao amin'ny Lapa ary manao mizàna tsindrian'ila ny mpitondra. Nahoana moa Andry Rajoelina no mahazo mampiasa ilay Lapa tamin'ny 6 septambra 2023 fa ry zareo kosa tsy nahazo nampiasa na dia tsy nisy fandaharam-potoana aza tao.

30 septambra 2023, nisy pick-up an'ny zandary miaraka amin'ny kalachnichov na AK47 nijanona teo anoloan'ny trano fonenan'ny Filoha Ravalomanana.

01 oktobra 2023, hanao fanambaràna iraisana amin'ireo haino aman-jery tsy miankina maro miara-dia aminy ireo kandidà miisa 11

04 oktobra, niezahana nanaovana fidinana an-dalambe am-pilaminana niainga avy eny Ambatonakanga nizotra teny Mahamasina ary nifarana teny Anosy raha saika ho eo amin'ny Lapan'ny Fitsarana Anosy. Nanapoahan'ny zandary baomba mandatsa-dranomaso anefa izany teo am-pamaranana ka nahatezitra ny sasany teny an-toerana.

04 oktobra 2023 no nandrenesana voalohany fa nividy ilay rindram-pitsikilovana (Predator spyware) ny fitondrana malagasy ka nampahatsiahy tampoka ireo kaonty malaza voasompatra tamin'ny fiandohan'ny volana aogositra.
 

Aucun commentaire: