31.10.23

Volana oktobra 2023

31 marsa 2023, noraràn'ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana Justin Tokely ny famoriam-bahoaka ankalamanjàna miendrika politika rehetra fa anaty trano ihany ary mba tsy ho re ivelany ny zavatra lazaina anatin'ny trano ivoriana. Efa ela ny ao amin'ny fanoherana no voasakatsakana amin'ny famoriam-bahoaka na amin'ny fivorian'ny mpiray antoko aminy fa dingana iray vaovao ity fandraràna nataon'ny minisitry ny atitany ity. Raha tratran'izany fandraràna izany ny antoko politika dia tsy mba iharan'izany kosa ny mpikambana governemanta ary ny filoham-pirenena indrindra indrindra izay hilaza ny zava-bita amin'ny fitetezana ny firenena. Voatery niray feo ny masoivoho maro teto Antananarivo ny amin'izany toe-javatra izany "fa mety mampihenjana ny toe-draharaha politika amin'izao fifidianana efa akaiky izao" io fanakanana ny antoko politika tsy ho afa-miomana amin'izany fifidianana izany.

Voasakan'ny mpitandro ny filaminana teo akaikin'ny foiben'ny HCC teo Ambohidahy ny diaben'ny Vondron'ny Kandidà saika hiditra ny kianjan'ny 13 mey 2023 tamin'ny alatsinainy 02 oktobra 2023. Voatery niverin-dalana nankeny Anosy ny mpanao diabe ary naratra nandritra izany fotoana izany teo akaikin'ny masony ny kandidà Andry Raobelina. Naratra tamin'izany fotoana izany ihany koa ny mpandrindra nasionalin'ny HVM sady efa filoha mpisolo toerana teo aloha Rivo Rakotovao (Voatifitry ny bala fingotra teo amin'ny ranjony ve?). Nosamborin'ny zandary tamin'ity fotoana ity teny Ambohijatovo teo anoloan'ny Bouton d'or fahiny ny mpiambina manokana an'i Marc Ravalomanana izay miaramilan'ny Capsat. 

Alarobia 04 oktobra 2023: Andavamamba Ampefiloha,

 

9 oktobra 2023, tsy azon'ny fiara nidirana ny tao Analakely ka tsy maintsy mandeha an-tongotra izay mankao. Niainga teo amin'ny rond-point Ankazomanga hizotra ho any Analakely indray ny diaben'ny Vondron'ny kandidà sy ny mpanohana azy. Tamin'ny voalohany dia natao izay hanaparitahana ireo olona nivorivory teo amin'ny manodidina, izany hoe nokendrena ny tsy hisian'ny fiaingana saingy mbola afa-nivory ihany ireo olona vonona ny hanao ny diabe. Rehefa nizotra am-pilaminana ary ny diabe dia norarafana baomba mandatsa-dranomaso sy notifirina tamin'ny bala fingotra ny mpanao fihetsiketsehana ka naratra teo amin'ny tongony sy ny sandriny tamin'izany bala fingotra izany ny FTA Ravalomanana Marc. Notifirin'ny zandary tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso ihany koa ny tobin-dasantsy iray teo Antanimena izay tsy tokony ho natao mihitsy ka nahatonga ny maro hihevitra fandrao tsy tena mpitandro ny filaminana ireto mazoto be amin'ny mpitandro ny filaminana ireto. Nisy ihany koa solombavambahoaka, mpanao gazety ary mpanao fihetsiketsehana hafa naratra ary tsy teto Antananarivo ihany no nisy famoretana tahaka izany fa tany Manakara, Mahajangà ary Toliary izay hitan'ny maro ny ratra nahazo azy fa tsy baomba mandatsa-dranomaso tsotra fa mety ho misy poti-by azo lazaina ho efa karazam-bala mety hampidi-doza mihitsy.

11 oktobra eo Ankatso terminus 119 indray no fotoanan'ny vondron'ny kandidà, nisy ireo nivonona ny hanakana ny kandidà eo Tsiadana ka ny depiote Lanto Rakotomanga no fantatra ho lohan'ireo vonon-kanakana diabe ireo. Nizotra ho any Ambohipo ilay diabe. Nifarana haingana ny diabe noho ny fiantsoan'ny HCC. Etsy ankilan'izany, nisy ny filankevitry ny minisitra miantso fivoriana manokana eo amin'ny Antenimieran-doholona hotontosaina ny 12 oktobra. Loholona IRD 14 no nangataka izany fivoriana manokana izany, mahafeno ny fetr'isa angatahaka ka heverina ho azo tanterahana. Nanaovan'ny depiote miisa 38 fitoriana ny tsy maha-aradalàna izany fivoriana izany saingy tsy namoaka na inona na inona momba io ny HCC hatramin'ny 29 oktobra 2023.   

Nanao hetsika ihany koa ho fanohanana ny vondron'ny kandidà ny tao Ambatondrazaka ny 14 oktobra 2023.    

Alatsinainy 16 oktobra 2023: Fotoanan'ny collectif des candidats eo Ambodimita, ron'akoho, tonga nanatrika teny ihany koa sy nanaraka taoriana ny tao amin'ny volomboasary notarihan'ny fiarabe-efijery iray sy ny kamiao ireo mpitondra baffle. Nizotra nankany Andraharo moa ity diabe androany ity. Namoaka fanambarana iraisana ny G7 miaraka amin'ny Vondron'ny Firenena Miteny Frantsay milaza ny ahiahiny manoloana ny fahamafisam-pihetsika ataon'ny governemanta amin'ny mpanao fihetsiketsehana. Miantso ny governemanta ireo firenena sy fikambanana ireo mba hiantoka ny fahafahan'ny kandidà mivezivezy sy ny zony hamory am-pilaminana ny vahoaka.

 

17 oktobra 2023, Andavamamba mankeny Ampefiloha. Nisian'ny "mélée" nataon'ny mpiakanjo volomboasary teo akaikin'ny CENAM sy ny Jirama. Nisy mpilalaon'ny TAM Anosibe rugby tao anatin'ireo mpanakana ny diabe. Teto no nisian'ilay nolazaina fa nanitsahan'ny fiaran-dRavalomanana ny mpitolon'ny laoranjy iray, nefa ny sary rehetra nandrakitra ny zavamisy no nahitana fa voatosika sy voahitsaky ny mpanao "melée" tsy lavitra ny fiaran-dRavalomanana ity ramatoa ity. Tsy nisy fifampikasihana mihitsy anefa teo amin'ilay fiara sy ilay ramatoa fa entina hanasoketana ny olona fotsiny no tanjona. Nitohy hatreny anoloan'ny Kianjan'ny Mahamasina ny diabe na teo aza izany bahana matanjaka teo Andavamamba izany. Nisy fampitam-baovao nilaza fa vitsy sisa no tonga tany Ampefiloha tamin'ireo mpitolon'ny mpitafy fotsy.  
18 oktobra 2023, Tanjombato mizotra ho eny Mahamasina, ny diabe lavitra indrindra: Efa ambivitra matetika ny fifandohana teo amin'ny fotsy sy ny laoranjy, ny mpitandro ny filaminana no manelanelana ny roa tonta eo amin'ny station d'essence shell, toa izany ihany koa teo amin'ny tetezan'ny Tanjombato vao avy miampita indrindra ny tetezana.
 
Alakamisy 19 oktobra 2023, Antanikatsaka Itaosy mankany amin'ny cité Itaosy, teto indray no nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso ka nisy nahatratra sekolin'ny zaza sy ny ankizy (3-12 taona) sy nahazo ny hopitaly sy fampiterahana, hita sary ny mpitandro filaminana iray nandaka olona teo ambavahadin'ity toerana fampiterahana ity. Nalain'ny zandary ihany koa ny groupe electrogene sy ny baffle. Angamba ankevitry ny heverina ho tsy mahomby ny fanakatsakanana lazaina fa fanaovana propagandy avy amin'ny laoranjy ka niditra an-tsehatra amin'ny fandravana indray ny mpitandro ny filaminana. Vokatr'ity toe-javatra nanahirana, diabe am-pilaminana notsenaina fidirana an-tsehatry ny mpitandro ny filaminana ity dia nihaona tamin'ny solontenan'ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena maro ny tao amin'ny vondron'ny kandidà.

Zoma 20 oktobra, nametraka fitoriana amin'ny tsy mahamety ny didy fandraràna ny fidinana an-dalambe napetraky ny prefet ny vondron'ny kandidà ary mitaky ny fanafoanana izany

Asabotsy 21 oktobra, nankao amin'ny Coliseum ihany ny vondron'ny kandidà, ary heverina fa ny hijerena ny hamaroan'ny olona tonga sy manohana no tena tanjona amin'izany. Ity fotoana ity ihany koa no azo heverina ho fotoana (voalohany) nahazoana alalana ara-dalàna na dia tena tratra aoriana aza izany fahazoan-dalana izany satria ny alin'io vao re ny fahazoana azy ary nanomboka tamin'ny 10 ora maraina tamin'io asabotsy io vao tena nanomboka ny fanentanana ny olona ho tonga maro. Tonga tokoa ny olona na dia somary efa atoandro aza izany fahatongavana izany. Antony iray ho an'ny mpanohana, tsy te-hampitondra henatra amin'ireo mitovy hevitra aminy izy ka aleo tonga ho fifampaherezana raha tsy mba tonga mihitsy tamin'ireo fidinana an-dalambe nisesisesy tao ho ao.

Fahombiazana ny fotoana, raha ny fahamaroan'ny olona tonga no jerena satria folakandro tena be no tonga, ary azo heverina ho tonga tampoka hoe andao handeha. Ny mpikarakara lanonana dia efa mahafantatra fa mila telo herinandro farafahakeliny ny fanentanana hahatongavan'ny olona hameno ity toerana ity vao mety ho feno izany. Etsy ankilany indray ireo fiangonana madinika te-hiseho ho efa lehibe dia tsy maintsy manana fanentanana tahaka izany ihany koa ary manana fiara fitaterana hitondrana ny olony hameno ity toerana ity. Tsy manana izany masontsovana hamenoana ny kianja tahaka izany ny Vondron'ny Kandidà sy ny mpanohana azy fa dia ora no isaina nanaovana fanentanana. Manaraka izany tsy nisy ny fiara fitaterana manokana nitondrana ny olona fa samy nanao izay hahatongavany fotsiny ireo mpanohana ireo. Izay no antony ilazana fa fahombiazana ny nahazoana olona maherin'ny 40.000 ity. Raha misy ary ny fanambaràna tsy handraisana anjara fifidiananana sy hanaovan sonia mifandraika amin'izany dia tsy nitsangana hanasonia izany i Siteny dia tonga tao aza izy.

Alatsinainy 23 oktobra: Andranomena - Ambohibao - Imerinafovoany - Talatamaty - Mandrosoa

Zoma 27 oktobra: Avaradrano, niainga Ambohitrarahaba niafara Kianja SabNam. Niaiky ny heloka vitany tamin'ny raharaha Gemfields i Romy Voos Andrianarisoa. Nohararaotin'ny kandidà tamin'ny kabary moa ity raharaha ity ilazana fa noho ity toe-javatra ity mihitsy no maha-maika ny mpitondra hamita haingana ny fifidianana ka mba efa voaaron'ny tsy azo kasikasihana intsony ry zareo vao mandeha ity fotoam-pitsarana amin'ny 6 febroary 2024 ity. Ny hariva indray dia nivadi-dela ny HCC ka lasa azo nivalozana indray ny didy tsy azo nivalozana teo aloha. Notendrena ho Filoham-panjakana mitantana vonjimaika ny firenena ny Jeneraly Richard Ravalomanana antsoina hoe Jeneraly Baomba. Fihetsika iray vao maika nanaratsy endrika ny HCC ity didy iray ity.

Asabotsy 28 oktobra, tao amin'ny Coliseum Antsonjobe, nolazain-dRavalomanana Marc fa voatery tsy maintsy miditra ny kianjan'ny 13 mey ny vondron'ny kandidà sy ny mpiara-dia aminy na tiana na tsy tiana ary hotontosaina amin'ny herinandro izany. Tsy maintsy tadiavina ny fomba rehetra hampahombiazana ny tolona. Ny fomba tsotra indrindra hanakanana ny fifidianana dia ny fankanesana eo amin'ny kianjan'ny 13 mey. 

Nasaina ary tonga nanatrika ity fotoana ity Atoa Monja Roindefo, praiminisitra voalohany tamin'ny tetezamita 2009, izay nirahina haka ny lapan'Ambohitsorohitra tamin'ny 07 febroary 2009 ary efa fantatsika ny tohiny izay nahafatesana olona maro. Noheverin'i Monja Roindefo taty aoriana fa tena nokendrena ho faty tamin'ity fananihana an'Ambohitsorohitra ity izy tamin'izany fotoana izany raha nahita ny hagagàn'ireo akaiky an'i Andry Rajoelina tonga teny amin'ny fonenany. Ankehitriny indray dia izy no nasaina hitarika ny fidirana mankeny amin'ny kianjan'ny 13 mey miaraka amin'ny vondron'ny kandidà.

Ratsiraka Iarovana Roland kosa no namaky ny fanambaràn'ny Vondron'ny kandidà fa efa natao daholo ny zava-drehetra mba hisian'ny fifampidinihana hananana fifidianana madio sy mangarahara ka antsoina ny miaramila sy ny polisy hitarika izany mba hisian'ny fifampidinihana eo amin'ny politisiana manoloana ireo krizy maro mianjady amin'ny firenena. Ho atolotra ny Minisiteran'ny Fiarovam-Pirenena izany Fanambaràna izany.
Ny filoham-panjakana sy ny praiminisitra no hifampizara amin'ny fitarihana ny Filankevitry ny Minisitra.  

Alatsinainy 30 oktobra 2023, nifamotoana teny amin'ny rond-point Ampasapito indray ny vondron'ireo kandidà sy ny mpanohana azy ka nizotra ho any Mahazo ary nifarana teny amin'ny rond-point Ambohimahitsy (rocade de l'est) izany. Notakìn'ireo mpanohana ny handehanana eny amin'ny kianjan'ny 13 mey. Be ny tsy nahazo tsara ny resaka hidirana eny amin'ny kianjan'ny 13 mey, be ireo nihevitra fa amin'ny talata 31 oktobra no hidirana amin'izany toerana izany; herinandro anefa no voafaritra hidirana amin'izany. 

Efa tonga aloha teo amin'ny toeram-pihaonan'ny hetsika fotsy indray ry laoranjy sy ny filazana ho fanaovana propagandy, nefa dia fihantsiana mivandravandra izany. Efa nisy ihany ny fifampisintonana fitaovam-pampielezan-kevitra fa mbola "samy" mahafehy ny tenany aloha. Mariho fa ho an'izay efa zatra ity toerana ity dia efa lasa toeran'ny mpanendaka sy ny mpangaro-paosy ny toerana fiatòn'ny fiara fitaterana vetivety eo akaiky eo. Tsy vitan'ny hoe maro ry zareo fa tena mivondrona ihany koa, ary efa mifankafantatra koa aza angamba. Mety ho endrika sosialy fifampihenjanana izany fa tsy vitsy amin'ireo olon'ny hetsika fotsy no mirotsaka sy mazoto ho endrika firaisan-kina hanoherana ny halatra sy ny sinto-mahery mpahazo ny olona eo ary izay miseho miana-kendry miaro ny endahana mety ho tratran'ny tambabe (efa niainana izany matoa soratako etoana ary efa nosoratako bilaogy mihitsy aza!).

Teto ihany koa no nandrenesana ny filazana avy amin'ny mpikarakara ny propagandin'i Siteny momba ilay tsy nahazoan'ny hetsika fotsy tampoka ny Coliseum ny alahady fa nafindra ny asabotsy izany. Nisy mpanentana mpiara-dia amin'ny hetsika fotsy (Fidele Razara Pierre) manko tena tezitra aoka izany ary milaza fa miharihary amin'izany ny anjara asan'ny kandidà n°13. Namaly moa ny mpikarakara ny mavo fa efa any Fianarantsoa ry zareo  amin'io fotoana io fa tsy ao Antsonjobe izany ny alahady. Ny fanazavana fanampiny dia hoe efa ela ry zareo no nametraka taratasy fangatahana hampiasa ny kianja indray alahady amin'ny volana oktobra tany amin'ny Fiadidiana ny tanànan'Antananarivo fa tsy mbola nahazo valiny hatramin'izao.

Vaovao heno ny 31 oktobra 2023, raha efa fantatry ny maro fa mikasa ny hiditra eny amin'ny kianjan'ny 13 mey ny hetsika fotsy amin'ny asabotsy 4 novambra 2023, dia re ankehitriny fa hanao Carnaval manerana ny tanànan'Antananarivo ihany koa ny laoranjy amin'io fotoana io. Mazava be fa ny hanohintohina ny tolon'ny hetsika fotsy no anton'izany fa mampiditra eritreritra an-tsaina ihany koa fa ahiana ho tsy voabaiko hanakana sy hibahana ny kianjan'ny 13 mey ny mpitandro ny filaminana, na efa miomana amin'ny zava-drehetra ireo mpitarika ao amin'ny laoranjy. Efa tetika voaomana hatry ny ela izany toe-javatra izany ary ireny efa naseho 


Aucun commentaire: