Accéder au contenu principal

Fihantsiana sy fahasahiana

 Raha ny tokony ho izy, efa ao anaty fampielezan-kevitra isika, saingy mandeha ila izany fifidianana izany. Ny vao teo amin'ny fitondrana farany teo ihany no mihazakazaka manao izany, sady efa manantena ny handresy avy hatrany indray mihodina fotsiny. Nahoana tokoa moa no tsy ho izany no hitranga rehefa jerena ny zavamisy? Na tsy dia mpanara-baovao loatra intsony aza ny tena dia nahatsikaritra fa tsy nisy famindram-pahefana mazava teo amin'ny filoha farany sy ireo filoha vaovao. Fampiomanan-tsaina avy hatrany ny filazana hoe "veloma vetivety" ry fahefana ary tahaka ny misy baiko lavitra izany mihatra amin'ireo mpikarakara fifidianana sy heverina ho tompon'andraiki-panjakana nanankinana andraikitra mba tsy hokitihana mihitsy ny momba azy.

Fa ny lafiny iray nisongadina dia ny fiezahana ny lafiny rehetra hiantohana fa ho tafaverina tsimoramora ho eo amin'ny fitondrana indray ka esorina avy hatrany ireo heverina ho tsy hanampy amin'ny fiverenana izany fa mitady hampitovy lanja ny olon-drehetra. Tratran'izany antsojay izany ny Filohan'ny Antenimierandoholona Herimanana Razafimahefa, izay efa voaongana amin'izao fotoana izao na dia tsy mifanaraka velively amin'ny lalampanorenana aza izany fomba fanonganana izany satria mikaonty avokoa na dia ny andro iray aza.

Avy amin'ity Filoha naongana ity ihany koa no nivoahan'ny marina fa tratran'ny terivaimanta izy tsy handray ilay fahefana hitazona vonjimaika ny fitondram-panjakana fa hankinina amin'ny olo-mahatoky izany. Rehefa nitroatra ary ranamana dia nanambara ny nafenina ambadika tamin'ireny filazana fa tsy handray ny fahefana ireny noho ny antony manokana. Rehefa nivoaka izany dia nambaran'ny namany senatera fa "marary saina" izy ka miteniteny foana, mila esorina avy hatrany amin'ny toerana tsy zakany. Efa maharaka avokoa anefa ny mpanara-baovao fa olo-mahatoky vao notendrena ho senatera farany teo no hasolo ny toerana ary tontosa indrindra izany omaly 13 oktobra 2023.

Fa omaly no nivantana indrindra ny fihantsiana ankoatra ilay kandidà milaza ny tenany ho "Bruce Lee". Teny Ampasapito no nitranga ny raharaha, raha nilaza hifamotoana amin'ny mpanaraka azy ny Collectif de Candidats" (Teny Frantsay koa ilay izy!) miisa 11, dia romodromotra miala avy any ny mpanohana ny volomboasary notarihan'ny depioteny eny amin'iny faritra iny, sy ny vadiny. Nibahabahandalana, niedinedina amin'ny tanana roa samy manao V, nisintontsintona ny findain'olona maka sary azy, ary tsy menatra mamelaka tehamaina sy mamely totohondry ireo miakanjo fotsy, na dia mbola anaty fiara fitateram-bahoaka aza izany.

Miandry toromarika hatrany ny olona amin'izay tokony hatao fa tsy namaly bontana avy hatrany. Nihamaro nihamaro hatrany manko ireo tonga amin'ny fotoana na dia teo aza izany fihantsiana te-hanakana ny fiaingana teny amin'ny "rond-point" Ampasapito izany. Nisy mpitandro filaminana vitsivitsy tonga hampisaraka ny roa tonta, fa tsy nisy ny fisamborana ireo olona efa nanao herisetra.

Tsy te-hanoratra lava mihoatra izay intsony fa raha ny taty amin'ny fanoherana angamba no nanao ny toratoraka sy ny herisetra efa ampolony no voasambotra raha kely indrindra ary efa nisy ny baomba mandatsa-dranomaso sy tifitra bala fingotra. Midika izany fa tsy handeha am-pahamarinana velively ny fifidianana nokinasa amin'izao fotoana. Faramparany, maro ireo mitaraina fa nisy naka mialoha ny fotoana ary efa nisy nanasonia ny kara-pifidianany ary tsy tranga maningana izany fa nisinisy ihany ankoatra ireo maro dia maro, amin'ireo mifanerasera amiko, tsy nahazo kara-pifidianana mihitsy.


Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog

Tany mampitsiriritra loatra maha-te haka?

Hatramin'ny fotoana nifindranay nankaty Isahafa tamin'ny taona 2016 dia tsy nisy taona voadingana ka tsy andrenesana olana ara-tany. Raha ny samy eto an-toerana moa maninona fa olona any ivelany hatrany no te-hamabo azy ho an'ny tenany na ho an'ireo mpiray tombontsoa aminy.    Midadasika mora anorenana rahateo ilay izy ka izay mahita dia mihevitra avy hatrany fa tsy misy tompony, na raha misy tompony aza dia tsy raharahiana fa alaina ihany. Noho izany toe-javatra izany dia lasa zatra amin'ny fomba fiasan'ireo mpaka tany ny mponina, efa nisy niharan'ny fitoriana ho nanao herisetra ka saika nidoboka, fa nisy koa ny nidoboka kely mihitsy ho fandrahonana hoe manana ny hery raha miseho manohitra ny fakanay io tany io. Asa efa vita vaksiny amin'izany ve ny mponina ka na teo aza izany dia mbola nivondrona ihany ny olona hiaro ny tany. Tanin'ny voanjo saingy alohan'izany dia tany manan-tantara satria kianja nanaova-matso miaramila amin'ny fomba tandr...

Kianja Isahafa: fananana iombonana, fananana manokana

Filazana mialoha: Ny lahatsoratra etoana dia fampahafantarana sy fanentanana. Raha sanatria misy loza na voina mahazo ahy, indrindra amin'ny resaka raharaham-pitsarana mety tsy ho ampoizina, dia azo heverina ny mety ifandraisany amin'ity fampahafantarana sy fanentanana sy ny tohiny. Ny tanànan'Isahafa dia fokontany iray ao anatin'ny kaominina Anosy Avaratra distrikan'Antananarivo Avaradrano. Teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, teo amin'io Isahafa io no nanaovana fanazarantena sy matson'ny tafika voalohany indrindra naorin-dRadama Rainy. Vavolombelon'izany ny tsangambato na ny orimbaton'Isahafa, avy eo ampidirana atsinanan'ny tanàna.   Feno 200 taona amin'ny 4 avrily 2022 ho avy izao ny nananganana izany orimbaton'Isahafa izany izay fanaovan'ny miaramila fianianana fa tsy hihemotra amin'ny ady ka manaiky ny hovonoina (hodorana velona) izy raha sanatria mihemotra na mitsoaka ady. Mifanindran-dalana amin'izany ihany koa...

Manoloana ny rivodoza na loza voajanahary hafa

  Tamin'ny taona 2017 nandalovako tany Colombo, Sri Lanka, no nandalovan'ny rivodoza tao koa. Tanàna amoron-dranomasina io, ka mazava loatra fa mafy ny rivotra entin'izany rivodoza izany. Fa tsy nisy loatra ry zareo ny fotodrafitrasa potika a! Ny hazo sy ireo fafana lehibe rantin-dokambarotra ireny dia ekena hoe miondrika na tapaka mihitsy fa vitsy ny trano simba na niala tafo. Anisan'ny tratra tamin'izany ny tao amin'ny efi-pilanonana sady fitazatazanana ranomasina ilany ambony havia amin'ny sary hitanao. Tsy niandry na nangataka fanampiana fa tapakandro ihany raha be dia tafaverina amin'ny laoniny ny tafo izay nikipaka manontolo ny ilany. Nihomehy ahy ilay namana malagasy avy any ampitan-dranomasina tafaraka tamiko tao nahita ny tahotro tamin'izany sady nampahery hoe aza matahotra ianao fa tsy maninona izany aty e! Hay moa izany efa natao ho afa-misedra rivodoza avokoa ny fanorenana any amin'ireny tanàna ireny.  Ny taty amintsika saika hanorina...