Accéder au contenu principal

Articles

Ny lazan'i Bryan gasy...

 Buzz na samonomonina tao amin'ny Facebook (sy ny Twitter koa) ilay raharaha nakana live ilay mpampianatra fanatanjahantena nifamalian'ny depioten'Atsimondrano iray momba ilay zanany nalaza tampoka amin'ny anarana Bryan. Niniako ny tsy namoaka izany lahatsary (horonantsary) izany satria ny endrik'ilay mpampianatra no tena naharihary, toy ny hoe atao izay hanalana baraka na hamaizana azy. Niresaka sy saika nitokelaka avokoa anefa ireo naharaka ity toe-javatra iray ity. Santionany fotsiny ireto mivoaka eto ireto fa tsy izy rehetra tsy akory.  Pejin-d RAOTO manontany izay diso amin'ilay mpampianatra sy ilay ray aman-drenin'ny mpianatra.  Radio Mada 100.8 nanoratra hoe lasa malaza ny teny hoe: "Iza(h)o tsy matahotra depiote Pejy 24hMada namoaka karazana ady rima momba ity raharaha ity: Pov kosa somary lavitra ny sainy amin'ny hoe raha eto Antananarivo ary misy tranga tahaka izao, dia ahoana ny any amin'ny tsy hita maso any? Azo lazaina hoe voatery n...

Tsy raharaha Ikongo 2 sy ny manodidina azy fa fiarovan-tena

Noho ny tahotra ho ampanantsoin'ny mpitandro ny filaminana tahaka ilay tamin'ny raharaha fanampiana an'Ikongo sy faritra hafa manodidina tratran'ny tsy maintsy izarana ny fanampiana tsy ampy ho an'ny tra-boina dia nanoratra taratasy ho an'ny Filoham-pirenena ny Ben'ny tanàna miisa folo ao amin'ity departemanta Ampasimanjeva (?) ity.

Na fanajana zon'olombelona maty na fanajana ny razana, samy tsy hita

 Nahoraka tao amin'ny Facebook indray ilay lehilahy iray maty tampoka teny an-dalana sy ny natao azy. Maro no tezitra satria natao sanatria toy ny fatin-jiolahy na fatin-dahalo no natao azy, nefa tsy hoe nisy ady nahafatesana olona maro koa teto ka raofina amin'ny kamiao ny faty miampantrampatra. Amin'izao fotoana nanoratana eto izao dia 315 ny isan'ny naneho hevitra ary 211 no nizara ity ranty iray ity. Fony vao nisy nanely izy io dia efa nisy ny nanoratra tao amin'ny Facebook hoe efa nodimandry ilay olona. Te-haneho hevitra aho mba tsy ho haingan-doatra amin'ny fitsarana tahaka izany fa tokony nihazakazahana ny famonjena azy. Fa iza moa io lehilahy io? Raha ny tsikaritra dia tsy olonolom-poana ilay olona nodimandry io. Manampahaizana izy ary nanana fahavitrihana ihany koa teo amin'ny tontolon'ny politika malagasy. Tsy re mihitsy kosa anefa izy tao anatin'ny folo taona mahery izao. Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana izay nilaozany.  

Ny raharaham-pampiasam-bola eto Madagasikara

  (Tsindrio ny sary na eto hijerena ny ao amin'ny rohy Facebook lazaiko, efa tsy navelan'ny mpanoratra hanehoan-kevitra intsony raha nahita azy aho, roa andro monja taorian'ny namoahana ny ranty) Ao amin'ny fanehoan-kevitra no ahitana ny hevitry ny maro ahatsapana ny mety ho tontolon'ny fihariana eto Madagasikara. Nihevitra ho nimenomenona irery aho hoe misy tsy mety anie izany hetra eto Madagasikara izany raha oharina amin'ny vidin'ny entana amidinao. Tsikaritra araka ny fijerin'ny olona ato fa misy ny karazan'olona omena vahana. Tsy hay hoe mandoa vola any ambadika any ve sa ahoana? Ny hita aloha raha ny hevitra dia misalasala na tsy manaiky mihitsy ny hampiasa vola aza ny olona. Koa raha ny teratany aza tsy mety hampiasa vola, dia hiditra ve ny vahiny raha tsy mahazo tombontsoa manokana toy ny ampihimamba amin'ny entana iray toy ny hita amin'ny menaka fihinana amin'izao fotoana izao ohatra? Na ho inona na ho inona, raha mbola mitohy i...

Fanampiana an'Ikongo: inona ny marina?

 Misy zavatra malaza dia malaza indray tao amin'ny Facebook. Izay hita tao ihany no ampitaina. Mazava loatra fa mety hisy ny ranty voafafa saingy tsy avy aty amiko izany. Tsy miantoka ny fahamarinany na tsia ihany koa aho. Tohin'ny filazana tetsy ambony. Miala tsiny aloha raha miteny hoe ny hitako aloha dia vary roa gony iny hitako iny... Miezaka ireo vondrona isankarazany amin'ny fanampiana:  Fa ity no tena naha-be resaka sy nampisahotaka:  Misy ny milaza fa fanosoram-potaka ny filoha kosa izao:  Hamaranana azy, enga anie tsy ho voafafa ity lahatsarin'ny Minisiteran'ny Fiarovam-pirenena ity! Mariho fa mivoaka tsara avokoa ny sary sy ny lahatsary amin'izao fivoahany izao fa ny tohiny no tsy fantatro. PS: Androany 19 febroary 2022 dia "tsy vonona na efa tsy misy intsony io horonantsary io, na tsy mahazo alalana hijery azy ianao" sisa no hita amin'ny lahatsary farany. Jereo ihany ato na izany aza. Tery aho hanoratra eto noho izany fa ny fanampiana s...

Tantaram-pitarainako tamin'ny Airtel Madagascar!

 Mpividy fahana aterineto tamin'ny Moov Madagascar aho tamin'ny voalohany mba hiseraserako an-trano voalohany [spécial amin'ny alina fa tsy tadidiko ny anarany]. Dia mpamandrika mandoa serasera "illimité"(?) tamin'ny hosina isam-bolana tamin'ny Telma avy eo. Noho ny fifindrana ambanivohitra dia noterena hamandrika telmanet 30Go tamin'izany izay mitovy sara tamin'ny teo aloha satria mbola tsy tongan'ny hosina telma aty amin'ny toerana misy ahy. Azo lazaina hoe nety ihany tamin'ny taona voalohany nifindra-monina na dia matetika aza ny tsy fahafaham-po noho ny tsy fisian'ny "tambajotra". Nivadika tanteraka tamin'ny taona faharoa, tsy nahafapo mihitsy, ka zara aza nisy ny "fialako" tao amin'ny PMU nahafahana nanapaka ny fifanarahana tamin'ny 20 marsa 2018. Mba nihevitra, araka ny fangatahako, aho hoe hatramin'ny 31 marsa aho mbola afaka misitraka ilay 30Go isam-bolana izay mbola be ny ambiny tamin...

Ny tsikaritra niainana!

 Raha Antananarivo sy ny manodidina samy nahita ny fiakaran'ny rano. Tamin'iny ihany koa no nahitana ireo hadalan'olombelona rehetra napongatry ny rano. Nihomehezan'ny olona ireo nanorina trano teny amin'ny tanimbary, na ireo olona nanototra tany ny tanimbary dia nananganana fonenana na fiangonana (Ambohimandroso/salanitra). Tamin'iny faritra Ambohitrinimanga iny no nisy nanangana trano tamin'ny faritra tondraka rehefa miakatra ny rano. Mazava loatra fa tsy mponina teny hatry ny ela matoa tsy mahalala izany ka mila mandinika hoe mbola hipetraka eny ve? Raha any Antananarivo anefa toa tsy misy mieritreritra ny toa izany fa dia izay hanorenana trano ihany no mahamaika. Ny fisesin'ny orana/erika no nahitana fa tafakatra hatramin'ny 3 metatra ambony ny fisongan'ny rano rehefa avy orana. Mety ho mahazatra izany any amorontsiraka atsinanana ohatra (efa nahatsikaritra haavon-drano aho raha nandeha fiara tamin'ny RN2) ary mila misaina izany ihany koa...

Loza voajanahary miampy hadalan'olombelona! (+ vahaolana iray amin'izany)

Rdsmith4 , CC BY-SA 2.5 , via Wikimedia Commons Mety hahagaga ny mpamaky ihany ny tsy mba ilazako loatra ny voina mihatra amin'ny firenena (na mihatra amin'Antananarivo?). Raha atao hitsin-dalana anefa dia io voalazan'ny lohateny io no antony: loza voajanahary miampy hadalan'olombelona no mihatra amintsika ary ny tena loza dia manaiky holalaovina ao anatin'ilay hadalan'olombelona isika. Ny hadalana fototra amin'izany dia ny fikasana tsy hitsinjo izay mahasoa vahoaka fa ny hilalao ny fihetseham-pony amin'ny koba katsaka sy ny ron-tsaramaso mba ilazana fa tena miasa sy mitsinjo vahoaka tokoa. Tsy hanao zavatra raha tsy efa misy kinendry hahazoana tombontsoa manokana izay tsy kely fa mamelona hatramin'ny zafin-dohalika raha sanatria ka tafala eo amin'ny seza fiandrianana. Mba efa nisy nandray antontanisa sy torohay ve hoe firy isanjaton'ny tra-boina tamin'ny herintaona no niverina ho tra-boina indray tamin'ity taona ity? Firy isanjaton...

Maharavo ny mihaona amin'ny Lehibe azo atonina sy iresahana

Izay raha fintinina ny zava-niainana tao anatin'ny roa andro, dia ny talata 25 sy ny alarobia 26 janoary 2022. Ny fitantarana dia tohin'ny resaka kianjan'Isahafa nanaovanay tolona ho fiarovana azy tsy horavana ho lasa fonenan'ny manan-katao. Tsy mampandry mandry anay izany hoe soa iombonan'ny daholobe sy efa nanaovana tetikasa efa mijoro ve no havadika ho toerana "privé" indray? Rehefa naato ny fihaonan'ny fokonolon'Isahafa sy ny mpiadidy ny kaominin'Anosy Avaratra tamin'ny 18 janoary 2022 dia samy manana ny manahirana azy ny roa tonta. Iray amin'ny olana misy ihany koa manko ny tsy nahavitan'ny lalana mampitohy an'Isahafa amin'i Lazaina araka ny nampanantenain'ny Ben'ny Tanàna fony kandidà ho ben'ny tanàna indray. Taorian'izay, niezaka ny tao amin'ny kaominina ny handravona araka izay tratrany sy eo ampelatanany ny faritra tena manahirana amin'ny lalana. Narodana ny ampahany mampatahotra amin'ny ...

Ambodisiarivo, tanàna natao sorona hanavotana an'Antananarivo

 Tsy olona akory io fa tanàna iray aty Avaradrano aty ao anatin'ny kaominina Ambohimanga Rova. Misy tanàna miray/mifanila amin'io tanàna antsoina hoe Ambodisiarivo io tokoa manko natao sorona mba tsy ho difotry ny rano noho ny rotsak'orana sy ny fiakaran'ny rano Antananarivo sy ny manodidina azy. Asa raha nisy ny nahamarika ny mpanara-baovao hoe amin'ilay lalana rarivato mampitohy an'i Antsofinondry/Anosy Avaratra amin'i Vavafolo/Ambodifasina dia nasian'ny APIPA/JIRAMA fitrohan-drano avy ao amin'ny ilany atsimo ho avadika amin'ny ilany avaratra. Ny fiantraikan'izany no fantatra fa difotra tanteraka ny tanàna iray ary noterena ho tra-boina avokoa ny mponina rehetra ao aminy mba tsy hiakatra loatra intsony ny rano ao Antananarivo renivohitra ka hampihena ny isan'ny tra-boina any. Lakana telo no mampita ireo olona ireo ho eo amin'ny toerana mangadihady nasiana tranolay. Tsy hisy hilaza izany vaovao izany amin'io fomba hanoratako azy ...