27.1.22

Maharavo ny mihaona amin'ny Lehibe azo atonina sy iresahana

Izay raha fintinina ny zava-niainana tao anatin'ny roa andro, dia ny talata 25 sy ny alarobia 26 janoary 2022. Ny fitantarana dia tohin'ny resaka kianjan'Isahafa nanaovanay tolona ho fiarovana azy tsy horavana ho lasa fonenan'ny manan-katao. Tsy mampandry mandry anay izany hoe soa iombonan'ny daholobe sy efa nanaovana tetikasa efa mijoro ve no havadika ho toerana "privé" indray?

Rehefa naato ny fihaonan'ny fokonolon'Isahafa sy ny mpiadidy ny kaominin'Anosy Avaratra tamin'ny 18 janoary 2022 dia samy manana ny manahirana azy ny roa tonta. Iray amin'ny olana misy ihany koa manko ny tsy nahavitan'ny lalana mampitohy an'Isahafa amin'i Lazaina araka ny nampanantenain'ny Ben'ny Tanàna fony kandidà ho ben'ny tanàna indray.

Taorian'izay, niezaka ny tao amin'ny kaominina ny handravona araka izay tratrany sy eo ampelatanany ny faritra tena manahirana amin'ny lalana. Narodana ny ampahany mampatahotra amin'ny tambohon'ny Ntaolo amin'ny faran'ny taxi-be eo Lazaina izay efa natahorana rahateo ny hianjerany ka mety hampidi-doza ny mpandalo.

Renay na natao izay handrenesanay fa nampanao fivoriana indray ny filankevitry ny kaominina voafidy teto Anosy Avaratra ny Ben'ny Tanàna. Tsy fantatray moa izay tohiny fa mba mitady ny lalana hampahazava marina ity raharaha ity ihany koa izahay. Manararaotra eto manolotra ny fisaorana sy ny fankasitrahana anareo izay nanome torohevitra ho anay amin'ny paika sy ny lalana tokony ho aleha mba hampahazava kokoa ny lazain'ny taratasim-panjakana avy ao amin'ny Kaominina.

Efatra mirahalahy mianaka izahay no namono andro roa mba hanatona ny tompon'andraikitra voalohany ao amin'ny CISCO Avaradrano sy ny Distrikan'Avaradrano. Ny andro talata nanatonanay ny biraon'ireo tompon'andraikitra ireo dia samy tsy tao Sabotsy Namehana izy ireo fa tany amin'ny Birao hafa izay eto Avaradrano ihany. Samy nilaza taminay ny mpiasa amin'ireo toerana ireo fa ny ampitso (alarobia) ireo no azo antoka fa hiasa amin'ny biraony ao Sabotsy ka tsy mampaninona anay izany satria tsy nitady "rendez-vous" izahay.

Tonga ny alarobia dia tsy diso tokoa ireo mpiasa fa tena miasa ao Sabotsy ireo tompon'andraikitra voalohany efa notononina etsy ambony ireo. Ny tompon'andraikitry ny CISCO Avaradrano no natoninay voalohany. Resaka sport scolaire no antony satria mampiasa io kianja Isahafa io amin'ny taranja an'olo-tokana ny CISCO, efa nanao fihaonana ara-panatanjahantena hatramin'ny sehatra rezionaly/nasionaly ihany koa aza. Efa nisy ny fikasana fa hatao kianja anadinana amin'ny taranja fanatanjahantena BEPC ihany koa aza ary maninona koa moa raha anadinana amin'ny Baccalauréat io kianja Isahafa io?

Nohazavazavainay taminy ary izay fantatray, sy efa voatantara eto amin'ity blaogy ity, ka dia nihaino tsara izy sady mahafantatra rahateo ny anjara toeran'ilay kianja eo amin'ny Fari-piadidiana tantaniny. Teo anatrehanay izy no niantso ny Ben'ny tanàna sy nihaino izay fanazavana avy aminy hampangarahara tsara ny zavatra noresahana taminy. Natolotray azy ny fehin-teny avy amin'ny fanangonan-tsonia natao tamin'ny fokonolona avy eo.

Efa ho atoandro indray izahay vao nigadona tao amin'ny distrika tao Sabotsy Namehana ihany. Somary niandry izahay ary efa nivonona ho amin'izany rahateo. Nandray anay tsara ihany koa ny Lehiben'ny Distrika ary nihaino ny fanazavana fohy avy aty aminay. Nampiarahana tamin'ny fanazavana ny fanontaniana hoe efa nandalo teo aminy ve ny fanapahan-kevitry ny filankevitra kaominaly tamin'ny 30 jolay 2021? Naneho ny hagagany izy ary nilaza fa na ny fikambanan'ny Ben'ny tanàna eto Avaradrano aza anie ka niara-nanao sonia nangataka amin'ny mpitondra ambony ny hanaovana io Kianjan'Isahafa io ho kianja manara-penitra io ka tsy mampino azy ny zavatra nolazain'ny solontenanay.

Nilaza taminay izy fa tsy azo ekena izany efa kianja izany ka ho lasa hananganana tanàna vaovao. Ary raha misy izany dia hotakiny ny tsy maintsy hamitana ilay kianja solon'ny fantatra ankehitriny ka mahafa-po vao azo kitihina io kianja misy amin'izao fotoana izao io. Nolazainy fa fantany tsara ny fisian'ny hananganana tanàna vaovao ao Isahafa fa tsy notenenina taminy mihitsy hoe ilay kianja fantatry ny manodidina anie izany tadiavina hokitikitihana izany. Inona moa no zavatra tadiavinay ankoatra izany fanazavana avy amin'ny lehiben'ny distrika izany fa dia nankasitraka sy nisaotra azy tamin'ny fandraisana anay sy fihainoana anay izahay. Napetraka tao aminy ihany koa mazava loatra ilay taratasy fanangonan-tsonia nataonay hodinihany ka dia samy lasa izahay hamonjy ny lahasanay tsirairay avy.

Eto angaha dia somary mametraka izao fanazavana izao aho. Raha tsy nazava taminay ny antony namindrana ilay tetikasa tanàna vaovao avy amin'ilay kianja mifefy tamboho ho eny amin'ilay kianja misy toeram-pihazakazahana, dia renay tsilion-tsofina ihany fa tsy neken'ny BFV-SG ny hakelin'ny toerana nifanaovana sonia tamin'ny 25 marsa 2021 satria tsy mahatafiditra afa-tsy trano 50 eo ho eo fa mitady toerana mahazaka trano mihoatra ny 100 ry zareo. Tsy mbola nisy ny filazana na ny fakan-kevitra avy amin'ny fokonolona Isahafa tamin'izany fotoana izany. Manontany ihany, na izany aza, hoe tena ny Banky tokoa ve no nitaky tany midadasika na be velarana kokoa, vao mamoaka vola hanorenana ny trano ry zareo?

Dia izay indray aloha fa efa nahatsapa tena ho nahavita ny adidy tandrify anay ho fiarovana ilay kianja izahay efatra mirahalahy mianaka, namono fotoana, nandao lahasa ary soa fa niasa, azo natonina sy noresahana tsara ireo Lehibe natoninay.    


Aucun commentaire: